2017
Ny fiantsoana ireo Apôstôly voalohany tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny
October 2017


Ny fiantsoana ireo Apôstôly voalohany tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Tamin’ny 08 febroary 1835, dia nangataka ny rahalahy isany Brigham sy Joseph Young hihira ho azy i Joseph Smith. Dia nahazo fanambarana avy eo ny Mpaminany fa izay no fotoana tokony hiantsoana ny Apôstôly Roambinifolo.1

Nangataka an’i Brigham i Joseph Smith mba handefa filazana fa hisy fihaonambe atao ny Sabotsy manarak’izay. Nilaza tamin’i Brigham izy fa ho isan’ireo Roambinifololahy i Brigham.2

Enina andro taty aoriana dia nivory ny Olomasina. Nilaza i Joseph Smith fa isan’ireo tanjona fototra nanaovana ilay fivoriana ny mba “hifidiana[n’ireo]” Vavolombelona telon’ny Bokin’i Môrmôna, dia i Oliver Cowdery, i David Whitmer, ary i Martin Harris “lehilahy roa ambin’ny folo avy ao amin’ny Fiangonana mba ho Apôstôly.”3 Efa nahazo izany andraikitra izany mialoha i Oliver sy i David tamin’ny jona 1829, saingy na dia “nikatsaka ny Tompo tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka” aza izy ireo mba hamantatra ny Roambinifololahy dia tsy mbola izay no fotoana.4 Ankehitriny, hoy i Joseph, dia tonga ny fotoana.

Ny Roambinifololahy (manaraka ny filaharana nilazana azy tao amin’ilay fivoriana) dia i Lyman Johnson, 23 taona; Brigham Young, 33 taona; Heber C. Kimball, 33 taona; Orson Hyde, 30 taona; David W. Patten, 35 taona; Luke Johnson, 27 taona; William E. McLellin, 29 taona; John F. Boynton, 23 taona; Orson Pratt, 23 taona; William Smith, 23 taona; Thomas B. Marsh, 34 taona; ary i Parley P. Pratt, 27 taona. Efa samy nahavita asa fitoriana ny filazantsara avokoa izy rehetra teo aloha. Niaraka tamin’i Joseph Smith tamin’ny dia be nataon’ny Tobin’i Ziona ny valo tamin’izy ireo tamin’ny fahavaratra nialoha an’izay.5

Rehefa vita ny fisafidianana azy ireo dia notendrena tsirairay ireo Apôstôly.6 Feno fampanantenana fa hahomby amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny tsodrano tamin’ny fanendrena azy ireo. Nahatsiaro i Heber C. Kimball taty aoriana fa ireo tsodrano dia “nanambara zavatra maro izay hitranga, fa izahay dia hanana hery hanasitranana ny marary, handroahana devoly, hananganana ny maty, hampahiratana ny jamba, … hamindrana tendrombohitra, ary ny zavatra rehetra dia hanoa anay amin’ny alalan’ny anaran’i Jesoa Kristy.”7

Nanantitrantitra ireo zava-tsarotra holalovan’izy ireo ihany koa i Oliver Cowdery hoe: “Aoka ianareo ho vonona hanao sorona ny ainareo amin’ny fotoana rehetra, raha toa ka takin’ Andriamanitra amin’ny fampandrosoana sy ny fanorenana ny asany izany.” Namporisika ny Apôstôly i Oliver mba hikatsaka fahalalana ho an’ny tena manokana momba an’i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona amim-pananana fahatokiana ny amin’ny fisiany: “Aza mitsahatra miezaka mandra-pahitanareo an’ Andriamanitra mivantana.”8

Nanomboka tamin’ny mey 1835 dia nanatanteraka asa fitoriana ny filazantsara maro be ho an’ny Fiangonana ireo Apôstôly, ary nitahy olona maro be ihany koa ny fitarihan’izy ireo maneran-tany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny History, 1838–1856 (Manuscript History of the Church), boky B-1 [01 septambra 1834–02 nôvambra 1838],” zavatra fanampiny nampidirina, fanamarihana A, pejy 1, josephsmithpapers.org.

  2. Jereo ny Joseph Young, History of the Organization of the Seventies (1878), 1.

  3. “Minutes, Discourses, and Blessings, 14–15 February 1835,” ao amin’ny Joseph Smith Papers, Documents, Boky 4: aprily 1834–septambra 1835, 224–28.

  4. “Minutes and Blessings, 21 February 1835,” ao amin’ny Joseph Smith Papers, Documents, Boky 4: aprily 1834–septambra 1835, 242, 243.

  5. Ireo efatra tsy anisan’ny tao amin’ilay toby dia i David W. Patten, Thomas B. Marsh, William E. McLellin, ary i John F. Boynton.

  6. Sivy tamin’ireo Roambinifololahy ihany no nanatrika ilay fivoriana tamin’ny 14 febroary 1835. I Parley P. Pratt dia notendrena tamin’ny 21 febroary 1835, raha toa kosa ka samy notendrena tamin’ny 26 aprily 1835 i Thomas B. Marsh sy i Orson Pratt.

  7. “Extracts from H. C. Kimball’s Journal,” Times and Seasons, apr. 15, 1845, 868.

  8. “Minutes and Blessings, 21 February 1835,” ao amin’ny Joseph Smith Papers, Documents, Boky 4: aprily 1834–septambra 1835, 244.