2017
Manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana
October 2017


Manokatrany lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana

Avy amin’ny famelabelarana iray natao tamin’ny fivoriambe momba ny tantaram-pianakaviana tamin’ny RootsTech 2017 tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny 11 febroary 2017. Raha hijery ny horonan-tsarin’ilay famelabelarana amin’ny teny anglisy, pôrtogey, na espaniôla dia tsidiho ny lds.org/go/1017Nelson.

Nandritra ny famelabelarana nataon’izy ireo tamin’ny RootsTech 2017 dia nanasa ny Olomasin’ny Andro farany ny Filoha Russell M. Nelson sy i Wendy vadiny mba hisaintsaina amim-bavaka ny karazana fahafoizantena azon’izy ireo atao mba hahafahana manao asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana bebe kokoa.

Sary
President and Sister Nelson

Filoha Nelson: Fony mbola vady sy raim-pianakaviana tanora i A. C. Nelson raibeko, izay vao 27 taona, dia nodimandry ny rainy. Tokony ho telo volana taorian’izay dia tonga nitsidika azy ny rainy efa maty, dia ny rain’ny raibeko izany. Ny fotoana nitrangan’izany fitsidihana izany dia tamin’ny alin’ny 06 aprily 1891. Talanjona tamin’ny fitsidihan’ny rainy azy i Dadabe Nelson ka dia nosoratany tao amin’ny diariny ilay zavatra niainany mba ho an’ny fianakaviany sy ny namany.

Nanoratra i Dadabe Nelson hoe: “Teo am-pandriana aho raha niditra ny efitrano ny raiko.” “Nanatona izy dia nipetraka teo amin’ny sisim-pandriana. Hoy izy hoe —Koa satria aho manana minitra vitsy malalaka ry zanako dia nahazo lalana ny hankaty sy hamangy anao mandritra ny minitra vitsy aho. Salama tsara aho ry zanako, ary efa be dia be ny zavatra nataoko hatramin’ny nahafatesako.—”

Rehefa nanontanian’i Dadabe Nelson azy ny zavatra nataony dia namaly ny rainy fa sahirana mafy nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny tontolon’ny fanahy izy.

“Tsy azonao an-tsaina ry zanako hoe firy no isan’ny fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy mbola nandray ny filazantsara,” hoy izy. “Kanefa maro no mandray izany, ary asa lehibe no tanterahina any. Maro ireo izay miandrandra fatratra an’ireo namany izay mbola velona mba hanao asa ho azy ireo any amin’ny tempoly.”

Nilaza tamin’ny rainy i Dadabe Nelson hoe: “Manam-pikasana ny ho any amin’ny tempoly sy hofehezina aminao izahay ry dada, raha vantany vao afaka manao izany izahay.”

Namaly ny rain’ny raibeko hoe: “Ampahany amin’ny antony nitsidihako anao izany ry zanako. Mbola ho fianakaviana ihany isika dia hiaina mandrakizay.”

Dia nanontany i Dadabe Nelson hoe: “Dada a! Marina ve ny filazantsara araka izay ampianaran’ity Fiangonana ity azy?”

Nanondro sary iray maneho ny Fiadidiana Voalohany izay nihantona teo amin’ny rindrin’ny efitrano fandriana ny rainy.

“Tahaka ny hahazoanao antoka mihitsy anaka fa mahita ity sary ity ianao, dia azo antoka toy izany fa marina ny filazantsara. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manana ao anatiny ny hery hamonjena ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay hankatò izany, ary tsy misy fomba hafa mety hahazoan’izy ireo ny famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ry zanako, mifikira mandrakariva amin’ny filazantsara. Aoka ianao hanetry tena, aoka ianao ho tia vavaka, aoka ianao hanoa ny fisoronana, aoka ianao ho marina, aoka ianao ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra. Aza manao na inona na inona mety tsy hahafaly an’ Andriamanitra. Tena fitahiana tokoa ny filazantsara. Ry zanako, aoka ianao ho zazalahy tsara toetra.”

Sary
A.C. Nelson and father

A. C. Nelson, raiben’ny Filoha Russell M. Nelson.

Sary nataon’i Bjorn Thorkelson; sary lafika, finday, ary sarina tablette avy amin’ny Getty Images

Rahavavy Nelson: Tena tiako ireo Aoka maromaro ireo. “Aoka ianao hanetry tena, aoka ianao ho tia vavaka, aoka ianao hanoa ny fisoronana, aoka ianao ho marina, aoka ianao ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra. … Aoka ianao ho zazalahy tsara toetra.” Aoka miisa enina izay tonga aty aminao tamin’ny alalan’ny rain’ny raibenao efa nodimandry. Tena mitovy be amin’ny zavatra nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ny zavatra nolazainy raha ireo Aoka miisa enina nolazainy ireo no jerena.1

Filoha Nelson: Izany mihitsy, sa ahoana? Tena sarobidy amiko ny namelan’ny raibeko izany rakitsoratra izany ho anay. Lasa fantatray fa ireo zanaky ny rainy dia voafehy taminy taorian’izay. Ka noho izany dia tanteraka ny anton’ny fitsidihany.

Ny fanahin’i Elia

Filoha Nelson: Ny anarana manana heviny lehibe iray ao amin’ny soratra masina dia manazava ny antony maha-manan-danja tokoa ny fianakaviana. Elia izany anarana izany. Ny hoe EL-I-JAH (amin’ny teny gasy hoe ELIA) amin’ny teny hebreo dia midika ara-bakiteny hoe “Jehovah no Andriamanitro.”2 Eritrereto anie e! Raiki-tapisaka ao anatin’ny anaran’i Elia ireo teny hebreo hiantsoana ny Ray sy ny Zanaka.

Rahavavy Nelson: I Elia no mpaminany farany nihazona ny fahefana mamehy an’ny Fisoronana Melkizedeka talohan’ny andron’i Jesoa Kristy. Ny asa nanirahana an’i Elia dia ny hampody ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy ary ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, mba hahafahana mamehy azy ireo, fa raha tsy izany dia “horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany” (Joseph Smith—Tantara 1:39; nampiana fanamafisana). Mafimafy ihany izany teny nampiasaina izany.

Filoha Nelson: Tiako ny mieritreritra ny fanahin’i Elia ho toy ny “fiasan’ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona momba ny fananan’ny fianakaviana toetra araka an’Andriamanitra.”3 Araka ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ny fahefan’i Elia dia ny fahefana mamehy an’ny fisoronana ka ny zavatra izay feheziny na vahany ety an-tany dia fehezina na vahana any an-danitra” (“Elia”).

Rahavavy Nelson: Ka rehefa milaza izany isika fa miasa amin’ny olona ny fanahin’i Elia mba hamporisika azy ireo hitady ireo havany maty, dia tena milaza isika fa ny Fanahy Masina dia mitaona antsika hanao ireo zavatra izay hamela ny fianakaviantsika ho voafehy mandrakizay.

Filoha Nelson: Mahafinaritra tokoa ny mampody ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy amin’ny alalan’ny fitantarana tantara momba ny tantaram-pianakaviana amin’ny fomba izay mora azo sy tsy hay hadinoina. Angamba ny fananana mandrakariva antontan-taratasy, tantara, sary ary fahatsiarovana momba ny tantaram-pianakaviana eo ambany masontsika dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika (jereo ny Môsià 1:5). Rehefa ataontsika eo amin’ny rindritsika, ny latabatsika, ao amin’ny solosaintsika, ny iPad-ntsika, ary ao amin’ny findaintsika koa aza izy ireny, dia mety hotaomin’ny fanahy angamba isika mba hanao safidy tsara kokoa sy hanakaiky ny Tompo sy ny fianakaviantsika bebe kokoa.

Kanefa, raha mijanona hatreo isika dia tsy mbola nahavita be isika. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, ny fahalianantsika amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana dia namporisihan’ny torolalana avy amin’ny Tompo fa tsy afaka ny hatao tanteraka ny razambentsika raha tsy eo isika ary tsy afaka atao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo (jereo ny F&F 128:15). Midika izany fa tokony ho voafatotra miaraka isika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana masin’ny tempoly. Tokony ho rohy matanjaka ao amin’ilay rojo miainga avy amin’ny razambetsika ka hatrany amin’ny taranatsika isika. Raha ireo tantara sy sary voangotsika no ho lasa vokatra farany azo avy amin’ny zavatra ataontsika, raha fantatsika hoe iza ireo razambentsika ary mahafantatra zavatra mahatalanjona momba azy ireo isika, kanefa avelantsika ho raikitra any ampitan’ny voaly tsy nahavita ny ôrdônansiny izy ireo, dia tsy hanampy velively ireo razambentsika izay voahidy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy izany zavatra nahavariana antsika izany.

Rahavavy Nelson: Zava-dehibe ny mitahiry ny tantaran’ny razambe, kanefa tsy tokony hanakana velively ny famitantsika ny fanaovana ny ôrdônansin’ireo razambentsika. Mila manokana fotoana hitadiavana ireo zavatra ilaina hahafahana manao ny ôrdônansin’ireo razambentsika isika.

Sary
couple looking at computer screen

Filoha Nelson: Ary izany dia midika hoe mahafoy fotoana izay, raha ny mahazatra, dia laniantsika hanaovana zavatra hafa. Mila mandany fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly sy amin’ny fanaovana fikarohana tantaram-pianakaviana isika, ka tafiditra ao anatin’izany ny firaketana anarana.

Rahavavy Nelson: Tena mitondra ireo fitahian’ny lanitra tokoa ny fahafoizantena.4 Nahazo fanampiana lehibe aho mba hahita razambe maro izay azoko antoka fa vonona ny hanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansy ilaina. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsapako fa raha teo am-pamitana tetikasa mavesatra iray aho ary tsy nanam-potoana sy hery ary hevitra intsony, raha nahafoy fotoana aho hitadiavana ireo zavatra ilaina hahafahana manao ôrdônansy ho an’ny razambe sasantsasany na handehanana tany amin’ny tempoly mba hisolo tena azy ireo, dia nisokatra ny lanitra ary nanomboka nitosaka ny hery sy ny hevitra. Nanana fotona ampy tsara nanatratrarana ny fetra tokony hamitako ny asako ihany aho. Tena tsy azo noheverina mihitsy izany, saingy izay foana no nitranga. Mitondra fifaliana ho ahy izay tsy avy eto amin’ity tontolo ity mihitsy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana.

Tantaram-pianakaviana sy asa fitoriana ny filazantsara

Filoha Nelson: Raha misiônera aho amin’izao fotoana izao dia ireo namako roa akaiky indrindra tao amin’ny paroasy na sampana nanompoako no ho mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy sy ho mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy.

Manana faniriana ara-boajanahary ny hahafantatra zavatra momba ireo razambeny ny olona. Lasa fanararaotra mahazatra ho an’ireo misiônerantsika izany. Rehefa mianatra mitia ny olona ampianariny ny misiônera dia handeha ho azy ny fametrahan’izy ireo fanontaniana momba ny fianakavian’izy ireo. “Mbola velona ve ny ray aman-dreninao? Mbola velona ve ny ray aman-drenibenao? Fantatrao ve ireo ray aman-drenibenao miisa efatra?” Misosa mora ny fifampiresahana rehefa asaina miresaka momba ireo havan-tiany ireo olona nosintonina hiresaka amin’ny misiônera.

Amin’izay fotoana izay dia mety handeha ho azy ho an’ny misiônera, tafiditra ao anatin’izany ireo mpikambana misiônera, ny manontany hoe: “Misy fantatrao ve amin’ireo ray aman-drenin’ny ray aman-drenibenao? Fantatrao ve ny anaran’izy ireo?” Ny tombantombana dia tsy hahafantatra ny anaran’ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibeny valo rehetra ny naman’ny Fiangonana.

Aorian’izay dia afaka mandroso ity sosokevitra ity ny misiônera: “Manana namana afaka manampy aho ao amin’ny Fiangonanay. Raha afaka mahita ny anaran’ny sasany isika na mety ho ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibenao rehetra mihitsy aza, dia afaka manokana ora vitsivitsy amin’ny fotoanao ve ianao mba hamantatra hoe iza ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibenao?” Izany namana ao am-piangonana izany mazava ho azy dia ny mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Rahavavy Nelson: Raha ny hevitro dia mety hitondra fankaherezana ho an’ny misiônera ny mahafantatra fa tsy irery na oviana na oviana izy ireo rehefa mitady sy mampianatra ireo olona vonona ny handray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901), izay mpanolotsaina ny Filoha efatra tato amin’ny Fiangonana, dia nampianatra fa, amin’izao andro farany izao, ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia miditra satria, raha ny tena marina, dia nivavaka ireo razambeny mba hisy olona iray amin’ny taranany hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana, mba hahafahan’izy ireo, ireo razambe, mandray ireo ôrdônansy ilaina amin’ny alalan’ny fisoloan-tena.5

Fisandratana: raharahan’ny mpianakavy

Sary
Family outside the Accra Ghana Temple

Filoha Nelson: Raharahan’ny mpianakavy ny fisandratana. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana manandratra ny fianakaviana. Ny fiafarana tsara indrindra izay hiezahantsika hotratrarina dia ny hoe lasa sambatra ao anatin’ny fianakaviana isika, nahazo fanafiana masina, voafehy, ary vonona ny hahazo ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.

Rahavavy Nelson: Ny kilasy tsirairay atrehantsika ao am-piangonana, ny fotoana tsirairay anompoantsika, ny fanekempihavanana tsirairay ataontsika amin’ Andriamanitra, ny ôrdônansin’ny fisoronana tsirairay raisintsika, ny zavatra rehetra ataontsika ao am-piangonana dia mitarika antsika ho any amin’ny tempoly masina, dia ny tranon’ny Tompo. Misy hery lehibe afaka ho azon’ny mpivady sy ireo zanany amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana rehefa mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo.

Filoha Nelson: Isan’andro isika dia mifidy ny toerana tiantsika hiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fomba fieritreretantsika, ny zavatra tsapantsika, ny fomba firesatsika, ary ny fomba hanaovantsika zavatra. Efa nilaza ny Raintsika any An-danitra fa ny asany sy ny voninahiny dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany (jereo ny Mosesy 1:39). Kanefa tiany isika mba hifidy ny hiverina any Aminy. Tsy hanery antsika mihitsy Izy na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Ny fahamarinan’ny fitandremantsika ny fanekempihavanantsika dia maneho Aminy marina hoe hatraiza ny halehiben’ny fitiavantsika ny hiverina hiara-hiaina Aminy. Ny andro tsirairay dia mitondra antsika ho akaiky kokoa na lavitra kokoa ny fahafahana be voninahitra ananantsika mba hahazo ny fiainana mandrakizay. Isika tsirairay avy dia mila mitandrina ny fanekempihavanantsika, mibebaka isan’andro, ary mikatsaka ny hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy antsika. Amin’izay fotoana izay, ary amin’izay ihany ny fianakaviana vao afaka ny hiaraka mandrakizay.

Rahavavy Nelson: Mijoro ho vavolombelona aho fa na tsara be toy ny ahoana aza ny fiainanareo amin’izao fotoana izao, na mety ho mahakivy sy mahavaky fo toy ny ahoana izany, dia hanatsara izany kokoa ny fandraisanareo anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Inona no ilainareo eo amin’ny fiainanareo amin’izao fotoana izao? Fitiavana bebe kokoa ve? Fifaliana bebe kokoa ve? Fahaizana mifehy tena bebe kokoa ve? Fiadanana bebe kokoa ve? Fotoana manan-danja bebe kokoa ve? Fahatsapana bebe kokoa ve fa mahavita manova zavatra ianareo? Fahafinaretana bebe kokoa ve? Valinteny betsaka kokoa ho an’ireo fanontaniana avy amin’ny fisaintsainana lalina nataonareo ve? Fifandraisana am-po bebe kokoa amin’ny hafa ve? Fahatakarana bebe kokoa momba ny zavatra vakinareo ao amin’ny soratra masina ve? Fahafahana mitia sy mamela heloka bebe kokoa ve? Fahafahana mivavaka amin-kery bebe kokoa ve? Aingam-panahy sy hevi-baovao bebe kokoa ho an’ny asanareo sy ny tetikasa hafa ve? Fotoana bebe kokoa ho an’ny zavatra tena manan-danja ve?

Miangavy anareo aho mba hahafoy fotoana ho an’ny Tompo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fotoana hanaovanareo ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, dia jereo avy eo ny zavatra mitranga. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampiseho amin’ny Tompo isika fa tena vonona hanampy ireo razambentsika dia hisokatra ny lanitra ary hahazo ny zavatra rehetra ilaintsika isika.

Filoha Nelson: Afaka ny hitaona ny fanahintsika mandritra ny tontolo andro ireo zavatra niainan’ny hafa momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Saingy tsy maintsy manao zavatra isika mba hahatsapantsika mivantana marina ilay fifaliana. Tiako ny hanolotra fanamby amin’ny tsirairay avy amintsika mba hahafahan’ny fahatsapana mahafinaritra avy amin’ity asa ity hitohy ary hitombo mihitsy aza. Manasa anareo aho mba hieritreritra ombam-bavaka ny karazana fahafoizantena, tsara kokoa raha fahafoizana fotoana, azonareo atao mba hanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana bebe kokoa amin’ity taona ity.

Mandray anjara amin’ny asan’Ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Velona Izy. I Jesoa no Kristy. Fiangonany ity. Zanany amin’ny alalan’ny fanekempihavana isika. Afaka miantehitra amintsika Izy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “A Prophet’s Counsel and Prayer for Youth,” Liahona, apr. 2001, 30–41.

  2. Bible Dictionary, “Elijah.”

  3. Russell M. Nelson, “A New Harvest Time,” Ensign, mey 1998, 34.

  4. Jereo ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 100.

  5. Jereo ny Gospel Truth: Discourses and Writings of President George Q. Cannon, natambatr’i Jerreld L. Newquist, boky 2 (1974), 2:88–89.