2019
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra
Mey 2019


Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra

Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika no fototra ara-potopampianaran’ny fanompoana, ny fianarana mifototra amin’ny tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, ny fitsaohana ara-panahy amin’ny andro Sabata, ary ny asan’ny famonjena.

Ry rahalahy sy anabavy malala, sarotra ho ahy ny hino fa 71 taona lasa izay, tamin’ny 1948, no naha-misiônera ahy tany Angletera ary 44 taona lasa izay no nitondranay sy Barbara vadiko ny fianakavianay tany Kanadà fony aho filohan’ny Misiônan’i Kanadà Toronto. Raha mbola nanompo tany aho tamin’ny aprily 1976 dia nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany tao amin’ny Fitopololahy, ary tsy nampoiziko fa tamin’ny 1985 aho dia voantso ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tsy tahaka ireo antsoko teo aloha izay misy fotoana hisaorana ahy, ny fisaorana ahy amin’ny antsoko ho ao amin’ny Roambinifololahy aloha hatreto dia tsy mbola azo eritreretina. Mivavaka aho anefa mba tsy ho avy izany andro izany raha tsy efa vitako ny zavatra rehetra niantsoan’ny Tompo ahy mba hataoko.

Rehefa mieritreritra izao 43 taona farany nanompoako amin’ny maha-Manampahefana Ambony ahy aho sy ny tombontsoa miavaka nomena ahy mba hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra, dia nahatsapa misimisy kokoa aho fa tiany ny zanany rehetra tsy ankanavaka mba hahita fiadanana, fifaliana, ary fahasambarana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Nampianatra i Lehia mpaminany hoe: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana.”1 Misy antony maro mahatonga antsika tsy hahazo fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana eto amin’ity fiainana ity, ka anisan’izany ny fahantrana, ny ady, ny loza voa-janahary, ary ireo fitsapana tsy ampoizina eo amin’ny asa, ny fahasalamana, ary ny fifandraisan’ny mpianakavy.

Kanefa na dia tsy afaka mifehy ireo hery ety ivelany izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany ireo aza isika, rehefa miezaka ny ho tonga mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy Tompo, dia afaka mahita fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana na dia eo aza ireo olana eo amin’izao tontolo izao izay iainantsika.

Hoy ny iray amin’ireo zanako indray andro izay hoe: “Dada a, manontany tena aho raha mba hahazo izany fiainana mandrakizay izany.” Dia novaliako hoe: “Ny hany angatahan’ny Ray any An-danitra amintsika dia ny hanaovantsika izay tsara indrindra azontsika atao isan’andro.” Ry rahalahy sy anabavy, ataovy izay tsara indrindra azonareo atao isan’andro, fa vetivety ihany dia hanjary fantatrareo fa mahafantatra anareo ny Rainareo any An-danitra ary tia anareo Izy. Ary rehefa fantatrareo izany, rehefa tena fantatrareo, dia hanana tanjona sy lanjany marina ny fiainanareo, ary ho feno fifaliana sy fiadanana ianareo.

Noho Izy Fahazavan’izao tontolo izao dia hoy ny Mpamonjy hoe: “Tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.”2

“Jesoa Kristy no anarana izay omen’ny Ray, ary tsy misy anarana hafa nomena izay ahafahana mamonjy [antsika];

“Koa ny olona rehetra dia tsy maintsy mitondra ilay anarana izay omen’ny Ray.”3

Mampianatra antsika ny soratra masina fa i Satana dia maniry ny hitarika ny olona ho ao amin’ny haizina. Ny ezaka rehetra ataony dia ny hanakana ny fahazavana sy ny fahamarinan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Araka ny nampianarin’i Lehia an’ireo zanany, ny devoly dia “[mikatsaka] ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”4 Raha toa ny “[asa] sy … ny voninahi[tr’]” Andriamanitra ka ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona,”5 ny “asan’”i Losifera kosa dia ny manatanteraka ny fahoriana sy ny fahakiviana tsisy fiafarany ho an’ny zanak’ Andriamanitra. Mampihena ny herin’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika ny fahotana sy ny fandikan-dalàna. Izany no mahatonga antsika hanana tanjona dia ny hanao izay hananana bebe kokoa ny Fahazavan’i Kristy, izay mitondra fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana.

Tao anatin’ny 18 volana farany dia nanome fitaomam-panahy ny mpaminaniny sy ny apôstôliny ny Tompo mba hampihatra fanovana maromaro mahatalanjona. Manahy aho anefa sao dia very ao anatin’ny fientanentanana momba ireo fanovana nentina ireo ny tanjona ara-panahy nanaovana ireo fanovana ireo.

Hoy i Joseph F. Smith hoe: “Efa naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra. Tompon’andraikitra isika amin’ny fihazonana izany eto ambonin’ny tany.”6 Nampiany hoe ny filazantsara marina sy madio ary tsotra dia ny “fotopampianarana manavotr’i Kristy.”7

Ao amin’ny Fanekem-pinoana, ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”8

Ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Nampianatra i Hyrum Smith hoe: “Torio foana [foana] izy ireny. Ho hitanareo fa hisy hevitra vaovao sy fahatakarana bebe kokoa momba azy ireny hambara aminareo isan’andro. Azonao velabelarina izany … mba hahatakarana azy mazava kokoa. Amin’izay dia afaka hanao izay hahatsotra ny fahazoan’ireo izay ampianari[nao] izany ianao avy eo.”9

Ny fomba tsara indrindra hahatakarantsika ny tanjona ara-panahy hisian’ny Fiangonana dia ny miaina araka ny fampianarana marina sy madio ary tsotran’i Kristy sy ny mampihatra ihany koa ireo didy roa lehibe an’ny Mpamonjy hoe: “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra … ianao. … Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.”10

Ny fankatoavana ireo didy roa ireo dia manolotra fomba hiainana fiadanana sy fifaliana bebe kokoa. Rehefa tia sy manompo ny Tompo isika ary tia sy manompo ny namantsika dia hahatsapa ho azy fifaliana bebe kokoa izay tonga ao amintsika amin’ny fomba tsara tsy misy toy izany.

Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika no fototra ara-potopampianaran’ny fanompoana, ny fianarana mifototra amin’ny tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, ny fitsaohana ara-panahy amin’ny andro Sabata, ary ny asan’ny famonjena ao amin’ny lafiny roa amin’ny voaly izay tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona. Ireo zavatra rehetra ireo dia mifototra amin’ireo didy masina mba hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika. Mbola mety hisy zavatra fototra kokoa sy tsotra kokoa noho izany ve?

Ny fiainana araka ny drafitry ny filazantsara izay marina sy madio ary tsotra dia hanome antsika fotoana bebe kokoa hitsidihana ny mananotena na vavy na lahy, ny kamboty, ny olona manirery, ny marary ary ny mahantra. Hahita fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana eo amin’ny fiainantsika isika rehefa manompo ny Tompo sy ny namantsika.

Ireo fanovana ho an’ny andro Sabata izay manantitrantitra ny fianarana sy ny fandalinana ny filazantsara izay mifototra amin’ny tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana dia fahafahana entina manavao ny fanahintsika sy ny fanolorantsika tena ho an’ Andriamanitra ao anatin’ny tokantranontsika. Misy zavatra hafa tsotra kokoa sy fototra kokoa ary lalina kokoa noho izany ve? Ry rahalahy sy anabavy, takatrareo ve fa ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara eo anivon’ny fianakaviantsika dia fomba iray manan-danja hahitana fifaliana sy fahasambarana eo amin’ny fiainantsika?

Rehefa niresaka momba ny Sabata ny Mpamonjy dia niteny hoe: “Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ny asanao; ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra.”11 Nampiany hoe: “Mba ho feno ny fifalianao … [amin’ny alalan’ny] firavoravoana sy vavaka … [tokony h]ataonareo amin’ny fankasitrahana, amin’ny fo sy ny tarehy falifaly ireo zavatra ireo … [ary] amin’ny fo falifaly sy tarehy miramirana.”12

Eritrereto tsara ny sasany amin’ireo teny manan-danja ao amin’io fanambarana io: fifaliana, firavoravoana, fankasitrahana, fo falifaly, fo falifaly ary tarehy miramirana. Ho ahy izany dia toa milaza hoe tokony hahatonga antsika ho faly ny fanajana ny andro Sabata.

Sary
Miarahaba olona any am-piangonana

Rehefa manompo amin’ny fomba tsara kokoa sy masina kokoa isika, dia eritrereto tsara ny maha-tena ilaina izany hoe miarahaba ny olona rehetra izay tonga ao amin’ny fivoriam-piangonana izany, indrindra fa ireo mpikambana vaovao sy ireo mpitsidika. Tokony hankafy hihira ireo fihirana isika ary hihaino tsara ireo teny amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo sy saina vonon-kandray.

Ireo fijoroana ho vavolombelona mitory finoana atao mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ataontsika dia tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, izay mizara fijoroana ho vavolombelona fohy miompana amin’ny drafitry ny fahasambarana sy ny filazantsaran’i Kristy izay marina sy madio ary tsotra. Tokony hanaraka izany ohatra izany ny hafa rehetra. Mila mitadidy isika fa misy toerana hafa mety tsara mba hitantarana tantara na hizarana ny zavatra niainana nandritra ny dia natao. Rehefa mihazona ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika ho tsotra sy miompana amin’ny filazantsaran’i Kristy isika, dia Izy no hanome fanavaozana ara-panahy eo am-pifampizarantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Ny fomba tsara indrindra hahatakarana ny fanompoana mahomby dia amin’ny alalan’ny fieritreretana mikasika ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, dia manompo isika satria tia ny Raintsika any An-danitra sy ireo zanany. Hahomby kokoa ny asa ataontsika hoenti-manompo raha mihazona ny fanompoantsika ho tsotra isika. Ny fifaliana lehibe indrindra dia azo avy amin’ny zavatra tsotra eo amin’ny fiainana, ka noho izany isika dia mila mitandrina mba tsy hieritreritra fa misy zavatra bebe kokoa tokony hanampiana izay mety ho fanovana efa voaraintsika mba hampiorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka ao am-pon’ireo zanak’ Andriamanitra.

Aoka isika tsy hanasaro-javatra amin’ny alalan’ny fivoriana, na zavatra andrandraina, na zavatra takina fanampiny. Hazony ho tsotra izany. Ao anatin’izany fahatsorana izany no hahitanao ny fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana izay noresahiko.

Ny tanjon’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro, araka ny voalaza ao amin’ny Boky Torolalana 2, dia ny hahazo vokatra mazava sy tsotra, izay hanatsongako izao manaraka izao hoe:

Sary
Fianakaviana manao dinidinika momba ny fahafolonkarena

“Ireo mpitarika dia mamporisika ny mpikambana rehetra handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana manan-danja rehetra, sy hitandrina ireo fanekempihavanana mifandraika amin’izany, ary ho mendrika ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay. …

Sary
mpivady ao amin’ny tempoly

Ho an’ireo olon-dehibe: Mamporisika ny olon-dehibe tsirairay ho mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mampianatra ny olon-dehibe rehetra hamantatra ireo razambeny ary hanatanteraka ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly ho azy ireny.

Sary
Fanendrena ho amin’ny fisoronana
Sary
zatovovavy mitondra karatra fanaovana ôrdônansin’ny tempoly

Ho an’ireo Zatovo: Manampy ireo zatovolahy tsirairay hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka, sy handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ho mendrika hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Manampy ireo zatovovavy tsirairay hiomana mba ho mendrika ny hanatanteraka sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina ary handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manamafy orina ireo zatovo amin’ny alalan’ny fandraisany anjara amin’ireo fiaraha-mientana manan-danja.

Sary
filankevitry ny paroasy

Ho an’ireo mpikambana rehetra: Manampy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ireo vondrona fanampiny, ireo filankevitry ny paroasy, ireo misiôneran’ny paroasy sy ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno, ary ireo mpikambana hiara-hiasa amin’ny fanaovana ezaka mifandanja mba hanavotana ny olona tsirairay, hanamafisana orina ireo fianakaviana sy ireo vondron’ny Fiangonana, hampitomboana ny fahavitrihana eo amin’ny fisoronana, ary hanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fiovam-po sy ny fihazonana ary ny asa fampahavitrihana. Mampianatra ireo mpikambana mba hahavita hamelona ny tenany sy ny ankohonany ary hanampy ireo mahantra sy ireo sahirana amin’ny fomban’ny Tompo.”13

Nanome ahy traikefa ara-panahy miavaka sy natao ho ahy manokana ny fanompoana nataoko tato amin’ny Fiangonana. Izaho dia vavolombelona fa mitarika ny Fiangonany ny Tompo mba hanatanterahana ireo tanjony. Nahazo fitarihana avy amin’ Andriamanitra izay mihoatra lavitra ny zavatra azoko atao aho. Ny fifaliana avy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny filazantsara ho ahy dia mifototra amin’ny fotopampianarana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra.

Nanompo teo ambanin’ny fanalahidy sy ny fitarihan’ny mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana miisa enina aho izay nanomboka tamin’i Spencer W. Kimball ka hatramin’i Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminany voafidin’ Andriamanitra ny tsirairay avy amin’izy ireo. Nampianatra antsika fitsipika tena manan-danja momba ny Fiangonana sy ny filazantsara ary ny fotopampianaran’i Kristy izy ireo. Ny Filoha Nelson no mampandroso ny asan’ny Tompo amin’ny fomba haingana sy mahatalanjona amin’izao fotoana izao. “Haingana sy mahatalanjona” hoy aho satria izy irery ihany no zokiko amin’ireo Apôstôly, ary sahirana mafy aho manenjika ny hafainganan’ny fiasany! Vavolombelona aho fa eo aminy ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny kapaotin’ny mpaminanin’ Andriamanitra. Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra ny Filoha Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, ary Fiangonany ity, ary izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.