2019
Loholona Benjamin M. Z. Tai
Mey 2019


Loholona Benjamin M. Z. Tai

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Benjamin M. Z. Tai

Ny raiben’ny rain’ny Loholona Benjamin M. Z. Tai dia nosamborina, nogadraina ary novonoin’ireo tafika Japôney izay nanani-bohitra tao Hong Kong nandritra ny Ady Lehibe faha-II.

Am-polo taonany maro taty aoriana dia nihaona tamin’i Naomi Toma avy any Japana, izay ho lasa vadiny ny Loholona Tai nandritra ny naha-filohan’ny kôlejin’ny loholona azy tao amin’ny paroasin’ny mpianatra izay nisy azy tao amin’ny Oniversite Brigham Young. Filohan’ny ny Fikambanana Ifanampiana i Naomi tamin’izay.

Rehefa niteny tamin’ny Loholona Kwok Yuen Tai rainy, izay Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra i Benjamin fa nampiaraka izy ary nanantena ny hanambady an’i Naomi, dia tsy naneho hatezerana mihitsy ny rainy. Raha ny marina dia nankany Hong Kong i Rikuo sy Fumiko Toma ray aman-drenin’i Naomi mba hitsidika ny ray aman-drenin’i Benjamin. Nilaza ireo ray aman-dreniny fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no nahatonga ny fanambadian’izy ireo ho azo notanterahina. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 23 desambra 1995 izy roa. Manan-janaka enina izy ireo.

“Avy amin’ny kolontsaina samy hafa izahay, kanefa misy fitsipiky ny finoana sy fahafoizantena iraisanay,” hoy ny Loholona Tai. Fantatry ny Loholona Tai fa ireo fitsipiky ny finoana sy fahafoizantena ireo dia hampifandray azy amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany.

I Benjamin Ming Zhe Tai dia teraka tamin’ny 20 mey 1972, tao Hong Kong ary zanak’i Kwok Yuen sy Hui Hua Tai. Ny asan-drainy dia nitondra ny fianakaviany nitety izao tontolo izao talohan’ny nifindran’izy ireo monina tany Californie Atsimo, Etazonia, izay nandanian’ny Loholona Tai ny taona naha-zatovo azy. Napetaky ny ray aman-dreniny tao an-tranon’izy ireo ny horonana iray nisy an’ireto teny ireto izay nosoratana tamin’ny tarehin-tsoratra Sinoa hoe: “Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” (Josoa 24:15). Lasa teny filamatra ho an’ny fianakaviana Tai izany.

Rehefa avy nanompo tao amin’ny Misiônan’i Australie Melbourne ny Loholona Tai dia nahazo mari-pahazaina licence en sciences de l’exercice avy ao BYU izy tamin’ny 1996 ary nahazo mari-pahaizana maîtrise en adminitration d’entreprise avy tao amin’ny Oniversite an’i Californie, Los Angeles (UCLA) tamin’ny 2003. Niasa tany Japana sy Hong Kong tamin’ny banque d’investissement sy developpement immobilier izy.

Ny Loholona Tai dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny distrika, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny distrika iray, mpitan-tsoratra mpanatanteraky ny distrika, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny sampana, ary mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady.