2019
Tempoly vaovao miisa valo, fanavaozana manan-tantara nambara
Mey 2019


Tempoly vaovao miisa valo, fanavaozana manan-tantara nambara

Sary
Tempolin’i Salt Lake

Tempoly tamin’ny vaninandron’ny mpamaky lay, anisan’izany ny Tempolin’i Salt Lake, no hohavaozina, ary hisy tempoly vaovao anankivalo fanampiny haorina.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia namarana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019 tamin’ny alalan’ny fanambarana tempoly vaovao miisa valo sy ny fanavaozana tempoly miisa efatra tamin’ny vaninandron’ny mpamaky lay, ary tafiditra tao anatin’izany ny antsipiriany misimisy kokoa momba ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake.

Hisy tempoly vaovao haorina any Pago Pago, Samoa américaines; Ville d’Okinawa, Okinawa; Neiafu, Tonga; Vallée de Tooele, Utah; Moses Lake, Washington; San Pedro Sula, Honduras; Antofagasta, Chili; Budapest, Hongrie.

Ny drafitra ho an’ny fanavaozana lehibe hatao amin’ny Tempolin’i Salt Lake dia ahitana ny fanavaozana an’i Temple Square sy ilay toerana lehibe mifanila aminy eo akaikin’ny Trano Biraon’ny Fiangonana ao Salt Lake City, Utah, Etazonia. Havaozina ihany koa afaka fotoana vitsy ireo tempoly ao St George, Manti ary Logan Utah, Etazonia. “Izany asa izany dia hitaky ny fikatonan’ireo Tempoly ireo mandritra ny fe-potoana iray,” hoy ny Filoha Nelson. “Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manohy mankamamy ny fanatrehana sy ny fivoriana any amin’ireo tempoly hafa akaiky eo. Rehefa tratra ireo ezaka tsirairay ireo, dia haverina hotokanana ireo tempoly manan-tantara tsirairay ireo.”

Hatramin’ny naha-lasa azy ho Filohan’ny Fiangonana tamin’ny Janoary 2018 dia efa nanambara tempoly vaovao 27 ny Filoha Nelson. Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany tamin’ny ôktôbra 2018 dia nisy tempoly natokana tany Rome Italie, Barranquilla, Colombie; ary Conception, Chili.