2019
“Avia, manaraha Ahy”
Mey 2019


“Avia, manaraha Ahy”

Ry rahalahy sy anabaviko malala, manasa antsika i Jesoa Kristy handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana hody any amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra ary ho tafaraka amin’ireo tiantsika.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, mahafaly anay sy Wendy vadiko ny miaraka aminareo amin’izao Sabata maraina izao. Betsaka ny zava-nitranga hatramin’ny fihaonambe maneran-tany farany teo. Tempoly vaovao no notokanana tany Conception, Chili; Barranquilla, Colombie; ary Rome, Italie. Niaina ny hery safononoky ny Fanahy izahay tany amin’ireo fotoana masina ireo.

Arahabaiko ireo vehivavy (sy lehilahy) maro izay vao tsy ela no nahavaky ny Bokin’i Môrmôna ary nahita fifaliana sy harena miafina tao. Mitaona ny fanahiko ireo tatitra mahakasika ireo fahagagana voaray tamin’izany.

Mahatalanjona ahy ireo zatovolahy 11 taona izay diakona ankehitriny ary mizara amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady. Mankany amin’ny tempoly izy ireo miaraka amin’ireo zatovovavintsika 11 taona, izay mazoto mianatra sy manompo ao amin’ny Tohotantely. Na ireo zatovolahy na ireo zatovovavy dia samy mitory ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fomba mazava tsara sy feno faharesen-dahatra.

Mahafaly ahy ireo ankizy sy zatovo izay manampy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranon’izy ireo, miara-miezaka amin’ny ray aman-dreniny manaraka ilay fandaharam-pampianarana mifantoka amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana.

Naharay an’ity sarin’i Blake ity izahay, izay efa-taona, ary andro Sabotsy vao maraina, mandray bokin’ny Fiangonana ary mihoraka hoe “Mila mamahana ny fanahiko aho izany!”

Sary
Mamahana ny fanahiny i Blake

Ry Blake, izahay dia miara-mientanentana aminao sy ny hafa izay misafidy ny hamahana ny fanahiny amin’ny fivokisana amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ary mahafaly anay ny mahalala fa maro no mandray ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany rehefa mitsaoka sy manompo any amin’ny tempoly.

Araka ny fantatry ny maro aminareo, dia nisy fisarahana nampihetsi-po niainan’ny fianakavianay telo volana lasa izay, raha nandao ity fiainana an-tany ity i Wendy zanakay vavy. Tamin’ireo andro faramparany niadiany tamin’ny homamiadana, dia sambatra aho afaka nanao ny tafatafa farany fanaon’ny ray sy ny zanakavavy.

Nofihiniko ny tanany ary nolazaiko azy ny haben’ny fitiavako azy sy ny mahafeno fankasitrahana ahy hoe izaho no rainy. Hoy aho: “Nanambady tany amin’ny tempoly ianao ary nanaja tamim-pahatokiana ireo fanekempihavanana nataonao. Nandray zanaka fito ianareo mivady tao an-tokantranonareo, ary nitaiza azy ireo mba ho mpianatra maha-fatra-po an’i Jesoa Kristy, sy mpikamban’ny Fiangonana matanjaka, ary olom-pirenena vanona. Ary vady mitovy lenta amin’izany koa no nosafidian’izy ireo. Tena mampirehareha an’ity rainao ianao. Tena nitondra fifaliana betsaka ho ahy ianao!”

Namaly malefaka izy hoe “Misaotra Dada a!”

Fotoana nampihetsi-po sy nahalatsa-dranomaso anay izany. Nandritra ireo 67 taona niainany dia niara-niasa izahay, niara-nihira, ary matetika niara-nanao ski. Fa tamin’io hariva io izahay dia niresaka momba ireo zavatra izay manan-danja indrindra, toy ny fanekempihavanana, ny ôrdônansy, ny fankatoavana, ny finoana, ny fianakaviana, ny fahatokiana, ny fitiavana, ary ny fiainana mandrakizay.

Tena malahelo fatratra an’iny zanakay vavy iny izahay. Kanefa, noho ilay filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tsy manana ahiahy ny momba azy izahay. Eo amim-panohizanay manaja ny fanekempihavananay tamin’ Andriamanitra, dia miandrandra ny ho tafaraka aminy indray izahay. Mandra-piandry izany dia manompo ny Tompo izahay ety, ary izy manompo Azy any—any amin’ny paradisa.1

Raha ny marina, dia nitsidika an’i Paradisa izahay tamin’ity taona ity—ny tananan’i Paradise any Californie izany. Mahavariana fa ny dia nomaninay ho any dia tanteraka latsaky ny 40 ora taorian’ny nandaozan’ny zanakay vavy an’ity tany ity. Izahay mivady, niaraka tamin’ny Loholona Kevin W. Pearson sy i June vadiny, dia nahazo hery avy tamin’ireo Olomasina tao amin’ny Tsatòkan’i Chico, Californie. Lasa nahalala ny haben’ny finoan’izy ireo izahay, ny fanompoan’izy ireo, ary ireo fahagagana izay nitranga eny fa na dia tao anatin’ny famoizana nahatsiravina aza izy ireo, nateraky ny doro-tanety faran’izay nandravarava indrindra teo amin’ny tantaran’i Californie.

Tany izahay dia tafaresaka ela tamin’i John, mpitandro filaminana manam-boninahitra iray, izay anisan’ireo mahery fo maro namonjy voina. Notsiahiviny ilay haizina natevina nirotsaka teo amin’i Paradise tamin’ny 8 novambra 2018, raha nanenika ny tanàna ny lelafo sy ny vainafo, nandripaka ny trano sy ny fananana toy ny loza mandringana ary tsy namela afa-tsy lavenona mivangongo sy cheminée biriky miboridana.

Sary
Trano fivavahana taorian’ny fahamaizana

Nandritra ny adiny 15 no nivezivezen’i John namakivaky haizina izay feno lefona vainafo mirehitra mipitipitika, raha nanampy ireo olona tsirairay sy ireo fianakaviana tsirairay izy, handositra ho any amin’ny toerana azo antoka. Izany rehetra izany dia nila ho namoizany ny ainy. Kanefa nandritra izany fitsapana mafy izany, ny tena nampivarahontsana an’i John indrindra dia ilay fanontaniany nanahiran-tsaina hoe: “Aiza ary ny fianakavia ko ?” Taorian’ny ora maro nitaintainana dia reny nony farany hoe avotra soa amantsara ihany izy ireo.

Izany tantaran’ny ahiahin’i John momba ny fianakaviany izany no nitaona ahy hiresaka anio aminareo izay mety manontany rehefa manakaiky ny fiafaran’ny fiainanareo ety an-tany hoe “Aiza ary ny fianakavia ko ?” Amin’izany andro ho avy izany ianao, rehefa hahavita ny fizahan-toetranao ety an-tany ka hiditra ao amin’ny tontolon’ny fanahy, dia hifanehatra amin’ity fanontaniana mampihetsi-po ity hoe: “Aiza ary ny fianakavia ko ?”

Mampianatra ny fomba hiverenana any amin’ny fonenantsika mandrakizay i Jesoa Kristy. Mahatakatra tsara ny drafitry ny fivoarana mandrakizay an’ny Raintsika any An-danitra Izy, mihoatra noho na iza na iza amintsika. Marina tokoa, Izy no vato ifaharan’izany rehetra izany. Izy no Mpanavotra sy Mpanasitrana ary Mpamonjy antsika.

Efa hatramin’ny nandroahana an’i Adama sy i Eva hiala ny Saha Edena no nanoloran’i Jesoa Kristy ny sandriny mahery hanampy an’ireo rehetra izay misafidy ny hanaraka Azy. Ombieny ombieny ny soratra masina no mirakitra fa na dia eo aza ireo karazana fahotana maro vitan’ireo karazana olona maro, dia mbola mitsotra ihany ny sandriny.2

Ilay fanahy ao anatintsika tsirairay dia miandrandra ho azy ny haharetan’ny fitiavan’ny fianakaviana ho mandrakizay. Ireo hiram-pitiavana dia mamerimberina hevi-diso hoe fitiavana no hany ilainao raha te ho tafaraka mandrakizay. Ary ny sasany dia diso hevitra mino fa ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty dia manolotra fampanantenana fa ny olona rehetra dia ho tafaraka amin’ireo malalany aorian’ny fahafatesana.

Raha ny marina, ny Mpamonjy mihitsy no naneho mazava tsara fa raha ny Fitsanganany tamin’ny maty no miantoka fa ny olona rehetra izay niaina hatrizay dia hitsangana amin’ny maty tokoa ary hiaina mandrakizay,3 dia betsaka lavitra noho izany no takiana raha te hahazo ilay tombontsoa ambony hoe fisandratana. Raha raharahan’ny isambatan’olona ny famonjena, ny fisandratana kosa dia raharahan’ny fianakaviana.

Henoy ireto teny ireto izay nolazain’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny Mpaminaniny: “Ireo fanekempihavanana rehetra, fifanekena, fifanarahana, adidy, fianianana, voady, fanatanterahana, fifandraisana, fikambanana na fandraisana ka tsy atao sy tsy efaina ary tsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana … dia tsy mahefa, tsy manana ny hasiny na manan-kery amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny aoriany; fa ny fifanarahana rehetra izay tsy atao ho amin’io tanjona io dia mifarana rehefa maty ny olona.”4

Koa inona ary no takiana amin’ny fianakaviana mba hisandratany mandrakizay? Mahazo izany tombontsoa izany isika amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo ary amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy ilaina.

Marina foana izany hatrany amin’ny fiandohan’ny fotoana. I Adama sy i Eva, i Noa sy ny vadiny, i Abrahama sy i Sarà, i Lehia sy i Sarià, ary ireo mpianatra mahafatra-po rehetra an’i Jesoa Kristy—hatramin’ny namoronana izao tontolo izao—dia nanao an’io fanekempihavanana io ihany koa tamin’ Andriamanitra. Izy ireo dia nandray ireo ôrdônansy mitovy amin’ireo izay raisintsika amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina amin’ny laoniny ankehitriny amin’ny batisa sy any amin’ny tempoly.

Manasa ny rehetra ny Mpamonjy hanaraka Azy ao amin’ny ranon’ny batisa sy hanao fanakempihavanana fanampiny amin’ Andriamanitra amin’ny fotoana maha mety izany any amin’ny tempoly, ary handray ireo ôrdônansy manan-danja fanampiny ireo sy ho mahatoky amin’izany. Izany rehetra izany dia takiana raha te hahazo ny fisandratana isika miaraka amin’ireo fianakaviantsika sy miaraka amin’ Andriamanitra mandrakizay.

Ny alahelon’ny foko dia ny hoe maro ireo olona izay tiako sy deraiko ary hajaiko no mandà ny fanasàny. Tsy raharahian’izy ireo ny fitalahoan’i Jesoa Kristy rehefa miantso hoe “Avia, manaraha Ahy.”5

Azoko tsara ny mampitomany an’ Andriamanitra.6 Izaho koa dia mitomany ho an’ireny namana sy havana ireny. Lehilahy sy vehivavy mahafinaritra izy ireny, milofo ho an’ny fianakaviany sy ny andraikiny eo amin’ny fiarahamonina. Malala-tanana izy ireo manolotra ny fotoany sy ny heriny ary ny hareny. Ary dia lasa tsara kokoa izao tontolo izao noho ny ezaka ataon’izy ireo. Saingy nisafidy izy ireo ny tsy hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Tsy nandray ireo ôrdônansy izy ireo, izay hampisandratra azy ireo miaraka amin’ny fianakaviany ary hamehy azy ireo ho tafaraka mandrakizay.7

Tena iriako ny hiresaka amin’izy ireo ary hanasa azy ireo handinika tsara ireo lalàna mahamendrika izay napetraky ny Tompo. Nanontany tena aho hoe inona no azoko ambara mba hahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo, mba hahafantaran’izy ireo ny fitiavako azy ireo, ary mba hahafantaran’izy ireo fa ireo lehilahy sy vehivavy izay mitandrina fanekempihavanana dia afaka mahazo “fahafenoan’ny fifaliana.”8

Mila mahatakatra izy ireo fa na dia misy toerana ho azy ireo aza any ankoatra—miaraka amin’ireo lehilahy sy vehivavy mahafinaritra izay nisafidy koa ny tsy hanao fanekampihavanana amin’ Andriamanitra—dia tsy io akory ilay toerana izay hampiraisana indray ireo fianakaviana sy hanomezana azy ireo ilay tombontsoa ahafahana miaina sy mivoatra mandrakizay. Tsy io akory ilay fanjakana izay hiainan’izy ireo ny fahafenoan’ny fifaliana, dia ny fivoarana sy fahasambarana tsy misy fiafarana.9 Ireo fitahiana faratampony ireo dia tsy afaka ny ho azo raha tsy miaina ao anatina tontolo selestialy voasandratra miaraka amin’ Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay, sy i Jesoa Kristy Zananilahy, ary ireo olona mahafinaritra sy mendrika ary mahafeno fepetra ao amin’ny fianakaviantsika.

Te hilaza amin’ireo namako izay tsy miraika aho hoe:

“Teo amin’ny fiainana ianareo dia tsy mba afa-po tamin’ny zavatra eo eo ihany na tamin’inona na tamin’inona. Kanefa, rehefa manda tsy handray tanteraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo, dia misafidy ny hionona amin’ny zavatra eo eo ihany.

Nilaza ny Mpamonjy hoe ‘Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro.’10 Kanefa, rehefa misafidy ny tsy hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianareo, dia mionona amina valisoa manify dia manify mandrakizay mandrakizay.”

Mbola te handresy lahatra ireo namako tsy miraika aho hoe:

“Aborao amin’ Andriamanitra ny fonareo. Anontanio Azy raha marina ireo zavatra ireo. Manokana fotoana handalinana ny Teniny. Tena alalino marina! Raha tena tia ny fianakavianareo ianareo, ary raha maniry ny ho asandratra miaraka amin’izy ireo mandrakizay, dia ataovy dieny izao izay ilaina amin’izany, amin’ny alalan’ny fandalinana matotra sy ny vavaka amin-kafanam-po, mba hahafantarana ireo fahamarinana mandrakizay ireo ary avy eo hifikitra amin’izy ireny.

“Rehefa tsy azonareo antoka akory hoe mino an’ Andriamanitra ianareo; dia izay hanombohana azy. Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. Manetre tena. Mivavaha mba hananana maso mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ary eo amin’ny tontolo manodidina anareo. Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa!”

Namana akaiky iray tahaka izany no tsy mba niaina zavatra firy niaraka tamin’ Andriamanitra. Saingy naniry mafy izy ny ho tafaraka amin’ny vadiny efa nodimandry. Noho izany dia nangataka ahy izy mba hanampy azy. Namporisika azy aho hihaona amin’ireo misiônera mba hahatakarana ny fotopampianaran’i Kristy ary hahafantarana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ary fitahiana entin’ny filazantsara.

Nataony izany. Saingy nahatsapa izy fa ny lalana natoron’izy ireo dia hitaky aminy ny hanova zavatra maro loatra eo amin’ny fiainany. Hoy izy, “Ireo didy sy fanekempihavanana ireo dia tsy inona fa sarotra loatra ho ahy. Sady tsy azo heverina koa ny handoavako ampahafolonkarena izany, ary tsy manam-potoana hanompoana ao amin’ny Fiangonana aho.” Avy eo dia nanontany ahy izy hoe “Rehefa maty aho, moa ve azonao atao azafady ireo asa ilaina atao any amin’ny tempoly ho anay mivady mba hahafahanay ho tafaraka indray?”

Soa ihany fa tsy izaho no mpitsara an’izay lehilahy izay. Saingy mampametra-panontaniana ahy ny fahombiazan’ny asa atao any amin’ny tempoly isoloana tena ho an’ny olona iray izay nanana fahafahana ny ho atao batisa teto amin’ity fiainana ity, ny handray ny fisoronana sy ireo fitahiana entin’ny tempoly dieny mbola ety amin’ny fiainana an-tany, kanefa nandray fanapahan-kevitra tamim-piheverana tsara ny handà izany fahafahana izany.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, manasa antsika i Jesoa Kristy handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana hody any amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra ary ho tafaraka amin’ireo tiantsika. Manasa antsika Izy hoe “Avia, manaraha Ahy.”

Ankehitriny, amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ahy, miangavy anareo aho, ianareo izay nanalavitra ny Fiangonana sy ianareo izay tsy mbola tena nikatsaka ny hahalala fa efa naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Ataovy ny asa ara-panahy mba hahitanao samirery, ary miangavy aho ataovy izao izany. Efa kely sisa ny fotoana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Efa naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny fahafenoan’ny Filazantsarany, mba hitondrana fifaliana eo amin’ny fiainantsika, izao sy any ankoatra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.