2019
Banjino i Jesoa Kristy
Mey 2019


Banjino i Jesoa Kristy

Raha mibanjina an’i Jesoa Kristy isika dia hanampy antsika amin’ny fiainana ireo fanekempihavanantsika sy amin’ny filofosana amin’ny antsontsika amin’ny maha-loholona ao Isiraely antsika Izy.

Raha nandeha teo amin’ny arabe iray tany akaikin’i Kapernaomy1 i Jesoa, ka andian’olona maro no nanodidina Azy, dia nankeo Aminy ary nikitika ny somotraviavin-dambany ny vehivavy iray izay narary mafy nandritra ny 12 taona. Sitrana avy hatrany izy.2

Ny soratra masina dia milaza fa rehefa nahatsapa i Jesoa fa “nisy hery nivoaka avy tami[ny],” dia3 “nihodina teo afovoan’ny vahoaka” Izy4 ary “nijery … hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.”5 “Rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy,”6 dia “niankohoka teo anatrehany [izy] ary nanambara taminy ny marina rehetra.”7

Ary hoy i Jesoa taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.”8

Novonjen’i Jesoa Krity ilay vehivavy. Sitrana ara-batana izy, saingy rehefa nitodika mba hijery azy i Jesoa, dia nanambara ny finoany Azy izy ary nositranin’i Jesoa ny fony.9 Niresaka taminy tamim-pitiavana sy nanamafy ny fahatokiany ary nitsodrano azy tamin’ny fiadanany Izy.10

Ry rahalahy, amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika, dia milofo ao amin’ny asa famonjena isika. Tamin’ny taona lasa dia nametraka ny fitarihana ity asa ity teo an-tsorok’ireo loholona ao Isiraely ny Tompo.11 Misy ny baiko nentanim-panahy avy amin’ny Tompo, dia ny miara-miasa amin’ireo rahavavy, hanompo amin’ny fomba masina kokoa isika, hanafaingana ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafin’ny voaly roa, hampiorina ny tokantranontsika ho toerana masin’ny finoana sy fianarana ny filazantsara, ary hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Jesoa Kristy Fanindroany.12

Tahaka ny amin’ny zava-drehetra dia efa nampiseho ny fomba hanatanterahana izany ny Mpamonjy: mila mibanjina sy manompo an’i Jesoa Kristy isika tahaka ny nibanjinany sy nanompoany ny Rainy.13 Toy izao no fomba nolazain’ny Mpamonjy izany tamin’ny Mpaminany Joseph:

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

“Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ny fantsika amin’ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ny lanitra ianareo.”14

Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia nampanantena ny Rainy i Jesoa fa hanao ny sitrapon’ny Rainy ary ho ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Rehefa nanontany ny Rainy hoe: “Iza no hirahako?”15 Namaly i Jesoa hoe:

“Inty Aho, iraho Aho.”16

“Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”17

Nandritra ny fiainany tety an-tany manontolo dia niaina izany fampanantenana izany i Jesoa. Tamin’ny fanetrentena, halemem-panahy, ary fitiavana no nampianarany ny fotopampianaran’ny Rainy, ary nanatontosa ny asan’ny Rainy tamin’ny hery sy fahefana nomen’ny Rainy Azy Izy.18

I Jesoa dia nanome ny fony ho an-dRainy. Hoy izy:

“Tiako ny Ray.”19

“Izaho manao izay sitrany mandrakariva.”20

“Tsy nidina … Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’[ny Ray] izay naniraka Ahy.”21

Nandritra ny fijaliany tao Getsemane dia nivavaka Izy hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”22

Rehefa miantso ireo loholona ao Isiraely amin’ny hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra” sy ny hoe: “Indro ny fery” eo amin’ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo, dia antso mba hiala amin’ny fahotana sy izao tontolo izao ary hitodika Aminy sy hitia ary hankatò Azy izany. Antso mba hampianatra ny fotopampianarany sy hanatanteraka ny asany amin’ny fombany izany. Noho izany dia antso mba hatoky Azy tanteraka, hanoa ny sitrapony sy hanolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra, ary mba ho lasa tahaka Azy amin’ny alalan’ny heriny manavotra izany.23

Ry rahalahy, raha mibanjina an’i Jesoa Kristy isika dia hitahy antsika mba ho loholo ny ao Isiraely Izy: manetry tena, malemy fanahy, mankatò, ary feno ny fitiavany.24 Dia hitondra ny fifaliana sy fitahian’ny filazantsarany sy ny Fiangonany ho an’ny fianakaviantsika sy ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny lafin’ny voaly roa isika.

Niantso antsika mba hibanjina amin’i Jesoa Kristy tahaka izao mihitsy ny Filoha Russell M. Nelson: “Tsy misy zavatra mora na mandeha ho azy ny amin’ny fahatongavana ho mpianatra matanjaka toy izany. Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy.”25

Teny tsara ilay hoemiorina mafy. Izany dia midika hoe mifatotra mafy, misarika, ary mihazona tanteraka.26 Mampiorina mafy ny fifantohantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika amin’ny alalan’ny fiainana ireo fanekempihavanana nataontsika.

Rehefa miaina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia miantraika amin’ny zavatra rehetra lazaintsika sy ataontsika izany. Miaina ao amin’ny fanekempihavanana isika,27 dia fiainana feno asa amim-pinoana tsotra amin’ny andavan’andro mifantoka amin’i Jesoa Kristy: vavaka avy amin’ny fo amin’ny anara ny, fivokisana amin’ny teniny, fitodihana Aminy mba hibebaka amin’ireo fahotantsika, fitandremana ireo didiny, fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary fitandremana ny Sabatany ho masina, fitsaohana any amin’ny tempoliny masina araka izay matetika vitantsika, ary fampiasana ny fisoronany masina mba hanompoana ireo zanak’ Andriamanitra.

Ireo asan’ny fanolorantena ao amin’ny fanekempihavanana ireo dia manokatra ny fontsika sy ny saintsika amin’ny hery manavotry ny Mpamonjy sy ny fitaomana manamasin’ny Fanahy Masina. Ny Mpamonjy dia manova antsika manontolo andalana anampy andalana, lasa miova fo lalina kokoa Aminy isika ary velombelona ao am-pontsika ireo fanekempihavanana.28

Ireo fampanantenana ataontsika amin’ny Raintsika any An-danitra dia lasa fanolorantena mafy toy ny vato ary ny faniriana lalina indrindra avy amintsika. Ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra ho antsika dia mameno antsika amin’ny fankasitrahana sy fifaliana.29 Lasa tsy fitsipika tsy maintsy arahina intsony ny fanekempihavanana nataontsika fa lasa fitsipika ankamamiana kosa izay manentana sy mitarika antsika ary mampiorina mafy ny fifantohantsika amin’i Jesoa Kristy.30

Ireo asa feno fanolorantena ireo dia ho an’ny rehetra, na tanora na antitra. Ry zatovolahy mihazona ny Fisoronana Aharôna, ny zava-drehetra nolazaiko androany hariva dia mihatra aminareo. Misaotra an’ Andriamanitra aho noho ny aminareo. Manatanteraka ôrdônansy sy fanekempihavanana masina ho an’ Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisany ianareo isan-kerinandro. Rehefa manomana, manamasina, na mizara ny fanasan’ny Tompo ianareo; rehefa manompo; rehefa manao batisa any amin’ny tempoly; rehefa manasa namana mba hanatrika fiaraha-mientana; na rehefa manavotra mpikamban’ny kôlejinareo ianareo, dia manatanteraka ny asa famonjena ianareo. Ianareo ihany koa dia afaka mibanjina an’i Jesoa Kristy ary miaina ny fanekempihavananareo isan’andro. Mampanantena anareo aho fa raha manao izany ianareo dia ho mpanompo azo itokisan’ny Tompo ianareo izao, ary ho loholona mahery ao Isiraely ianareo amin’ny ho avy.

Ry rahalahy, fantatro fa izany rehetra izany dia toa sarotra tokoa. Saingy miangavy aho, tsarovy ireo tenin’ny Mpamonjy hoe: “Tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.”31 Toy izany koa ny amintsika. Tsy irery isika. Tia antsika i Jesoa Kristy Tompo sy ny Raintsika any An-danitra, ary miaraka amintsika Izy Ireo.32 Noho i Jesoa nibanjina ny Rainy sy nanatontosa ilay sorona fanavotana lehibe dia afaka mibanjina an’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana isika fa hanampy antsika Izy.

Tsy misy tonga lafatra isika. Indraindray isika dia tsy mandroso ara-panahy. Varimbariana isika na kivy. Lavo isika. Raha mibanjina an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fo mibebaka anefa isika dia hanandratra antsika Izy, hanadio antsika amin’ny fahotana, hamela heloka antsika, ary hanasitrana ny fontsika. Be faharetana sy tsara fanahy Izy; ny fitiavany izay manavotra dia tsy manam-pahataperana ary tsy ho levona mandrakizay.33 Izy dia hanampy antsika amin’ny fiainana ireo fanekempihavanantsika sy amin’ny filofosana amin’ny antsontsika amin’ny maha-loholona ao Isiraely antsika.

Ary ny Ray dia hitahy antsika amin’ireo zavatra rehetra takiana amin’ny fanatanterahana ireo tanjony: “zava[tra] … na any an-danitra na ety an-tany, ny fiainana sy ny fahazavana, ny Fanahy sy ny hery, izay alefan’ny sitrapon’ny Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany.”34

Rehefa mikoriana amin’ny fiainantsika ny fahazavana sy hery avy any an-danitra dia zavatra telo mahagaga no mitranga:

Ny voalohany dia afaka mahita isika! Amin’ny alalan’ny fanambarana isika dia manomboka mahita tahaka ny nahitan’i Jesoa an’ilay vehivavy: mihoatra ny ao ivelany ary ny ao am-po.35 Rehefa mahita tahaka an’i Jesoa isika dia mitahy antsika amin’ny fitiavana ireo izay tompointsika amim-pitiavana Izy. Miaraka amin’ny fanampiany, ireo izay tompointsika dia hahita ny Mpamonjy ary hahatsapa ny fitiavany.36

Faharoa, manana herin’ny fisoronana isika! Manana fahefana sy hery hiasa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika mba “hitahy, hitarika, hiaro, hankahery sy hanasitrana ny hafa” ary hahatonga fahagagana ho an’ireo olon-tiantsika ary hiaro ny fanambadiantsika sy ny fianakaviantsika.”37

Fahatelo, miara-mamindra amintsika i Jesoa Kristy! Na aiza na aiza alehantsika dia alehany ihany koa. Rehefa mampianatra isika dia mampianatra Izy. Rehefa mampionona isika dia mampionona Izy. Rehefa mitondra fitahiana isika dia mitondra fitahiana Izy.38

Ry rahalahy, moa tsy manana antony hifaliana va isika? Tena manana antony hifaliana isika! Mihazona ny fisoronana masin’ Andriamanitra isika. Rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy isika sy miaina ny fanekempihavanantsika ary mampiorina mafy ny fifantohantsika Aminy, dia hiara-dia amin’ireo anabavintsika isika ka hanompo amin’ny fomba masina kokoa, hanangona ny Isiraely amin’ny lafin’ny voaly roa, hampatanjaka sy hamehy ny fianakaviantsika, ary hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany. Hitranga izany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho.

Faranako amin’ity vavaka avy amin’ny foko ity, dia ny hibanjinantsika rehetra amin’i Jesoa Kristy amin’ny eritreritra rehetra. Aza miroanàhana. Aza matahotra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. I James E. Talmage dia nametraka an’i Jesoa ho “nanodidina an’i Kapernaoma” tamin’ny fotoana nitrangan’ity fanasitranana ity (jereo ny Jésus le Christ [1916], 313).

  2. Jereo ny Lioka 8:43–44; jereo koa ny Matio 9:20–21; Marka 5:25–29.

  3. Lioka 8:46.

  4. Marka 5:30.

  5. Marka 5:32.

  6. Lioka 8:47.

  7. Marka 5:33.

  8. Lioka 8:48.

  9. Nanoratra i James E. Talmage fa sarobidy kokoa ho an’ilay vehivavy noho ny fanasitranana ara-batana ny fanomezan-toky fa nanatanteraka ny fanirian’ny fony ny Mpamonjy, ary nekeny ny finoany (jereo ny Jésus le Christ, 318). Nanasitrana azy ara-batana sy ara-nofo ary nanokatra ny lalan’ny famonjena ho azy i Jesoa.

  10. Azo ianarana tsara ny hoe niaraka tamin’i Jesoa i Jairo izay mpanapaka tao amin’ny synagoga tamin’ny fotoana nitrangan’io fanasitranana io. Teny an-dalana hankany amin’ny tranon’i Jairo i Jesoa mba hanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty. Azo inoana fa ilay vehivavy izay nositranin’i Jesoa dia noroahina hiala ny synagoga noho ny aretiny. Rehefa nanasitrana azy i Jesoa dia nataony ihany koa izay hampazava tsara amin’ny rehetra, tafiditra amin’izany i Jairo, fa zanakavavy notiavina izy, vehivavin’ny finoana, ary sitrana ara-batana sy ara-panahy.

  11. Jereo ny D. Todd Christofferson, “Ny kôlejin’ny Fisoronana” (Liahona, mey 2018, 55–58) mba hianarana misimisy kokoa momba ireo fanamboarana mikasika ny fanorenana kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana ao amin’ny paroasy iray. Ny tanjon’izany fanovana izany dia nofariparitana araka izao manaraka izao ao amin’ny fizarana Fanontaniana apetraka matetika ao amin’ny tranonkala momba ny fanompoana: “Ny fisian’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana ao amin’ny paroasy iray dia mampiray hina ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatontosana ny lafin’ny rehetra ao amin’ny asa famonjena, tafiditra amin’izany ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay teo ambany fitantanan’ny mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo teo aloha” (“Fanompoana: Fanontaniana apetraka matetika,” fanontaniana faha-8, ministering.ChurchofJesusChrist.org).

    Ny fanamboarana fanampiny taty aoriana dia nametraka ny mpitarika ny asa fanompoana ao amin’ny paroasy sy ny mpitarika vaovaon’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy ho eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona. Koa satria eo ambany fitarihan’ny fiadidiana ny fanompoana ireo fianakaviana dia mametraka ny fitarihana ny asa famonjena ao amin’ny kôlejin’ny loholona, izay tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana ireo fanamboarana ireo. Mazava ho azy fa ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny asa famonjena ao amin’ny paroasy, saingy mizara andraikitra sy fahefana ho an’izany asa izany amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona izy mba hahafahan’ny eveka mandany fotoana bebe kokoa manompo ny fianakaviany sy amin’ny fampatanjahana ny zatovo ary amin’ny maha-mpitsara ao Isiraely azy.

  12. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ndao handroso hatrany,” Liahona, mey 2018, 118–19; Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113–14; Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2018, 8–12.

  13. Nandefa an’i Jesoa Kristy ho ao amin’izao tontolo izao ny Ray (jereo ny Jaona 17:18).

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37.

  15. Abrahama 3:27.

  16. Abrahama 3:27.

  17. Mosesy 4:2.

  18. Maro ny soratra masina mirakitra ireo teny nolazain’i Jesoa mikasika ny fanaovana ny asan’ny Rainy sy ny fampianarana ny fotopampianaran’ny Rainy. Jereo ohatra ny, Jaona 5:19 (Manao izay hitany fa nataon’ny Ray i Jesoa); Jaona 5:36 (ny Ray dia nanome ny Zanany Lahy asa mba ho tanterahina); Jaona 8:26 (nampianatra izay voarainy avy tamin’ny Rainy i Jesoa); Jaona 14:28 (nanambara i Jesoa hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho”); 3 Nefia 11:32 (ny fotopampianarany dia ny fotopampianarana nomen’ny Rainy Azy).

  19. Jaona 14:31.

  20. Jaona 8:29.

  21. Jaona 6:38; jereo ihany koa ny Jaona 5:30.

  22. Lioka 22:42.

  23. Ny teny hoe mibanjina ao amin’io andalan-tsoratra masina io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37) dia midika zavatra mifandraika amin’ny antson’ny Tompo: miatrika (na hoe mitodika any amin’ny); mampisarika; miantehitra; mikaroka; miandry amim-panantenana; mirakitra ao an-tsaina; miandrandra na manantena (jereo ny merriam-webster.com, “look”).

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42. Ireo toetra tahaka ny an’i Kristy voalaza ao amin’ny soratra masina dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay tonga amin’ny alalan’ny fahasoavana sy famindram-pon’i Jesoa Kristy. Izy ireny no maha-loholo ny an’ireo loholona ao Isiraely.

  25. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona,mey 2017, 41.

  26. Jereo ny merriam-webster.com, “rivet.”

  27. Mba hianarana misimisy kokoa momba ny lohahevitry ny fiainana ao amin’ny fanekempihavanana dia jereo ny Donald L. Hallstrom, “Living a Covenant Life,” Ensign, jona 2013, 46–49. Io lahatsoratra io dia notsoahina avy tamin’ny lahateny lavalava kokoa tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho tamin’ny mey 2011. Mba hahitana ilay lahateny lavalava kokoa dia jereo ny Donald L. Hallstrom, “A Covenant Life” (fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho, 10 mey 2011), byui.edu.

  28. Jereo ny Jeremia 31:31–33, izay hilazan’ny Tompo fa hanao fanekempihavanana vaovao amin’ny fianakaviamben’i Isiraely Izy ka ho voasoratra ao am-pon’izy ireo izany. Izany hoe fanekempihavanana voasoratra ao am-po izany, na hoe ny maha-velombelona ny fanekempihavanana ao am-pontsika, dia hita ihany koa ao amin’ny asa-soratr’i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 3:3; Hebreo 8:10). Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fiovam-po sy ny fo dia jereo ny David A. Bednar, “Miova Fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–9.

  29. Ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izay hanamasinana ny mofo dia maneho amin’ny fomba kanto erý ny toetry ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra. Ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika, saingy ireo tanjon’ireo fanekempihavanana dia tanteraka ary isika dia mendrika ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo; Izy no Mpanalalana antsika. Ao amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray (izany hoe manavao ny fanekempihavanana Aminy) fa isika dia vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny, mba hananantsika ny Fanahiny (ny Fanahy Masina) miaraka amintsika.

    Ireo fanomezam-pahasoavana ao amin’ny fampanantenan’ny Ray dia tonga amin’ny alalan’ny hery manavotra sy mankaherin’i Jesoa Kristy. Ohatra, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia i Jesoa Kristy no “loharanon’ny fifaliana rehetra” (jereo ny “Fifaliana sy fahavelomana,” Liahona, nôv. 2016, 82). Araka izany dia mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika ny fiorenana mafy eo amin’i Jesoa Kristy, na inona na inona toe-javatra misy antsika.

  30. Ny Filoha Ezra Taft Benson dia naneho ny fiantraikan’izany fiovana eo amin’ny toe-tsaina sy fitodihana izany rehefa nilaza izy hoe: “Rehefa mitsahatra ny ho zavatra mahasosotra ny fankatoavana ka lasa tanjona ho antsika dia hanome hery ho antsika Andriamanitra amin’izay fotoana izay” (ao amin’ny Donald L. Staheli, “Obedience—Life’s Great Challenge,” Ensign, mey 1998, 82).

  31. Jaona 16:32.

  32. Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fiahian’ny Ray sy ny Zanaka ny fiainantsika sy ny fitiavan’ Izy Ireo antsika ary ny fandraisan’ Izy Ireo anjara eo amin’ny fiainantsika dia jereo ny Jeffrey R. Holland, “The Grandeur of God,” Liahona, nôv. 2003, 70–73; Henry B. Eyring, “Miaraha mandeha Amiko,” Liahona, mey 2017, 82–85. Jereo ihany koa ny Matio 18:20; 28:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32; 29:5; 38:7; 61:36; 84:88.

  33. Jereo ny Romana 8:35–39; 1 Korintiana 13:1–8; Môrônia 7:46–47.

  34. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:27. Mariho fa ny Tompo dia manome ity fampanantenana ity ho an’ny olona tsirairay avy izay voatendry sy voahiraka, fampanantenana izay mahakasika sy voafetra amin’ilay andraikitra manokana nomena an’io olona io:

    “Izay voatokan’ Andriamanitra ary irahina, dia izy no voatendry ho lehibe indrindra, na dia izy aza no kely indrindra sy mpanompon’ny rehetra.

    “Koa tompon’ny zava-drehetra izy; fa manoa azy ny zava-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany, ny fiainana sy ny fahazavana, ny Fanahy sy ny hery, izay alefan’ny sitrapon’ny Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany.

    “Saingy tsy misy olona tompon’ny zava-drehetra raha tsy efa nodiovina sy nosasana tamin’ny fahotana rehetra izy.

    “Ary raha voadio sy voasasa amin’ny fahotana rehetra ianareo dia hangataka izay rehetra tianareo amin’ny anaran’i Jesoa, ary ho to izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:26–29).

  35. Jereo ny 1 Samoela 16:7; 1 Korintiana 2:14. Mba hahitana ohatra momba ny fitahian’ny hoe mahita araka ny hahitan’i Jesoa, dia jereo ny tantaran’ny Filoha Henry B. Eyring fony izy evekan’ny zatovolahy iray izay nahavita heloka goavana. Hoy ny Tompo tamin’i Eveka Eyring tamin’izany fotoana hoe: “Avelako mahita azy araka ny fahitako azy ianao” (“Miaraha mandeha Amiko,” 84).

  36. Ity no fampanantenana sy baiko nomen’ny Mpamonjy an’ireo olona tao amin’ny tempolin’i Soafeno. Nandidy azy ireo Izy mba hanana fiainana hahafahan’ny fahazavany sy ny ohatra nomeny ho ao amin’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mandray Azy ho ny fahazavan’izao tontolo izao eo amin’ny fiainan’izy ireo ary ny fanasan’izy ireo ny hafa mba hanatona Azy. Rehefa manana fiainana toy izany sy manasa toy izany ireo mpanara-dia Azy dia hahita Azy ao amin’ireo mpanompon’ny Tompo ny hafa. (Jereo ny 3 Nefia 18:24–25.)

  37. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny sandan’ny herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2016, 68.

  38. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88.