2019
Ny masom-pinoana
Mey 2019


Ny masom-pinoana

Raha izay zavatra ekentsika ao anatin’ilay fanambarana ihany no fantimpantenantsika sy safidintsika, dia manakona ny fijerintsika mandrakizay isika ary manisy lanjany be loatra amin’ny zavatra iainantsika eto sy ankehitriny.

Taloha kelin’ny nanomboana an’i Jesoa dia nentina teo anatrehan’i Pilato Izy tao amin’ny toeram-pitsarana. “Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy?” Hoy i Pilato nanontany sady naneso. Namaly i Jesoa hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao. … Izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.”

Nanontany tamim-panesoana i Pilato hoe: “Inona ny marina?”1

Eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, ilay fanontaniana hoe “Inona no marina?” dia mety ho sarotra sy hanahirana ho an’ireo tsy mpino.

Valiny an-tapitrisany no azo avy amin’ny fikarohana ao amin’ny Google momba ny hoe “Inona no marina?” Maro kokoa ireo fampahalalana azontsika jerena ao amin’ny findaintsika noho ny ao anatin’ireo boky rehetra hita any amin’ny tranomboky vita amin’ny biriky sy simenitra. Tontolo tototry ny fampahalalana sy ny hevitra mihoa-pampana no iainantsika. Manaraka antsika na aiza na aiza ireo feo mitaona sy manintona.

Noho isika voahodidin’ny fifanjevoana ankehitriny dia tsy mahagaga raha maro tokoa ireo izay manaraka ny teny izay nataon’i Protagoras tamin’i Socrates 2.500 taona lasa manao hoe: “Izay marina aminao,” hoy izy, “no marina aminao, ary izay marina amiko no marina amiko.”2

Fahamarinana amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Noho ny fisian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, dia manambara amim-panetren-tena isika fa tena misy ny zavatra izay tena marina tanteraka. Ireo fahamarinana mandrakizay ireo dia mitovy ho an’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra tsirairay.

Mampianatra ny soratra masina hoe: “Ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy, ary araka ny haha-izy azy.”3 Ny fahamarinana dia ahitana zavatra tany aloha sy zavatra mbola ho avy, ka mampihitatra ny fomba fijerintsika ny ankehitriny izay misy antsika ao amin’ny fotoana.

Hoy i Jesoa hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana.”4 Ny fahamarinana no manoro antsika ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ary amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ihany no ahatongavan’izany. Tsy misy fomba hafa.

Mampianatra antsika ny fomba tokony hiainana i Jesoa Kristy ary manolotra antsika, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, ny famelana ny fahotantsika sy ny tsy fahafatesana any ankoatra ny voaly. Tena marina tanteraka izany.

Mampianatra antsika Izy fa tsy misy dikany na manan-karena isika na mahantra, na malaza isika na tsy fantatr’olona, na be fombafomba isika na tso-piainana. Fa ny fiainantsika eto an-tany kosa dia ny hanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny hisafidy ny tsara amin’ny ratsy, ary ny hitandrina ny didiny. Na dia ankalazaintsika aza ireo zava-baovao entin’ny siansa sy ny fitsaboana, dia mbola mihoatra noho izany no hita ao amin’ireo fahamarinan’ Andriamanitra.

Manohitra ireo fahamarinan’ny mandrakizay, dia nisy hatrany ireo hosoka misarika ireo zanak’ Andriamanitra hiala amin’ny fahamarinana. Mitovy hatrany ny foto-kevitra entin’ny fahavalo. Henoy ity zavatra nolazaina 2000 taona lasa ity:

“Tsy azonareo fantarina ny amin’ny zavatra izay tsy hitanareo. … Na inona na inona [a]taon’ny olona iray dia tsy heloka.”

“[Tsy mitahy anareo izany Andriamanitra, fa] ny olona tsirairay dia [m]iroborobo araka ny halalinan-tsainy [manokana].”5

“Tsy mety ny fiheverana fa ny toa an’i Kristy dia ho … Zanak’ Andriamanitra.”6

“[Ny zavatra inoanareo dia fombafomba adaladala ary vokatry ny] fahavoazan’ny sainareo.”7 Tsy toy ny mitranga amin’izao fotoana izao ve izany?

Niaraka tamin’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny dia nomen’ Andriamanitra antsika ny fomba hianarana sy hahalalana ireo fahamarinana ara-panahy manan-danja: mianatra azy ireny isika amin’ny alalan’ny soratra masina, amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika manokana sy ny zavatra iainantsika manokana, amin’ny alalan’ny torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly velona, ary amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina, izay afaka manampy antsika “[hamantatra] ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”8

Ny fahamarinana dia azo fantarina ara-panahy

Afaka mahafantatra ny zavatr’ Andriamanitra isika raha mikatsaka azy ireny ara-panahy. Hoy i Paoly: “Tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra, afa-tsy [izay manana] ny Fanahin’ Andriamanitra ihany. … Satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”9

Jereo ity sary nataon’i Michael Murphy ity. Raha jerena amin’izao ahitantsika azy izao dia sarotra aminao ny hino hoe fanehoana mason’olombelona iray amin’ny alalan’ny haikanto izy io. Kanefa rehefa jerenao avy amin’ny toerana hafa ireo teboka ireo dia hitanao ny hakanton’ny sangan’asan’ilay mpahaikanto.

Tahaka izany koa, mahita ireo fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fijerin’ny masom-pinoana. Hoy i Paoly: “Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”10

Ny soratra masina, ireo vavaka ataontsika, ireo zavatra iainantsika manokana, ireo mpaminany maoderina, ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia mitondra amintsika fomba fijery mazava momba ny fahamarinana ilaina mandritra ny diantsika eto an-tany.

Fijerena Ny Fanambarana amin’ny alalan’ny masom-pinoana

Andeha hodinihintsika ny fanambarana momba ny fianakaviana amin’ny alalan’ny masom-pinoana.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley no nampiditra ilay “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” tamin’ny alalan’izao teny izao: “Manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakam-panahy sy fitaomana hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao, dia nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina [anareo].”11

Izao no fanombohan’ny fanambarana: “Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”

Fahamarinana mandrakizay ireo. Izaho sy ianao dia tsy kisendrasendra nateraky ny zavaboary.

Tiako ireto teny ireto: “Ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy Mandrakizay ary nanaiky ny drafiny.”12

Efa niaina isika talohan’ny nahaterahantsika. Ny maha-izy azy antsika tsirairay dia raiki-tampisaka ao amintsika mandrakizay. Amin’ny fomba izay tsy takatsika tanteraka, ny fivoaran’ny fanahintsika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia misy fiantraikany amin’ny hoe iza isika eto.13 Nanaiky ny drafitr’ Andriamanitra isika. Nahafantatra isika fa hiaina olana sy fanaintainana ary fahoriana eto an-tany.14 Fantatsika ihany koa fa ho tonga ny Mpamonjy ary raha toa isika mampiseho fa mendrika, dia hitsangana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, hanana “voninahitra hanampy eo ambony loha[ntsika] mandrakizay mandrakizay.”15

Mivantana ilay fanambarana: “Ambaranay fa ny fomba namoronana ny fiainana an-tany dia tendrin’ Andriamanitra. Hizingizininay ny fahamasinan’ny fiainana sy ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra.”

Ny drafitry ny Raintsika dia mamporisika ny mpivady hitondra zanaka eo amin’izao tontolo izao, ary manainga antsika hiaro ireo izay mbola tsy teraka.

Tena mifandray tsara ireo fitsipika amin’ny Fanambarana

Raha izay zavatra ekentsika ao anatin’ilay fanambarana ihany no fantimpantenantsika sy safidintsika, dia manakona ny fijerintsika mandrakizay isika ary manisy lanjany be loatra amin’ny zavatra iainantsika eto sy ankehitriny. Amin’ny alalan’ny fandalinana ilay fanambarana ombam-bavaka amin’ny masom-pinoana no ahatakarantsika kokoa ny fomba tena ifandraisan’ireo fitsipika ireo tsara, sy ny fifanohanan’izy ireo ary ny fanambaran’izany ny drafitry ny Ray ho an’ny zanany.16

Tokony ho gaga ve isika rehefa manambara ny sitrapon’ny Tompo ireo mpaminany velona, kanefa ho an’ny sasany, dia toy ny mbola tsy nahazoam-baliny ireo fanontaniany? Mazava ho azy, ny olona sasany dia mandà ny feon’ireo mpaminany avy hatrany,17 fa ny hafa kosa misaintsaina ombam-bavaka ny fanontaniana avy ao am-pon’izy ireo, fanontaniana izay ho voavaly noho ny faharetana sy amin’ny masom-pinoana. Na dia nambara tamina taonjato hafa aza ilay fanambarana, dia mbola hisy ihany ireo fanontaniana, fa fanontaniana hafa fotsiny noho ireo izay mipetraka ankehitriny. Tanjon’ireo mpaminany ny hanampy antsika hamaha ireo fanontaniana avy ao am-po.18

Talohan’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Mahita mialoha ny mpaminany. Mahita ireo loza manembantsembana izay napetraky ny fahavalo na hapetrany eny amin’ny lalantsika izy ireo. Hitan’ireo mpaminany mialoha ireo fahafahana mahatalanjona sy ireo tombontsoa manokana izay miandry ireo izay mihaino miaraka amin’ny fahavononana hankatò.19

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahamarinana sy ny hery ara-panahin’ny feo iraisan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Mihamisintaka izao tontolo izao

Teo amin’ny fiainako, dia hitantsika fa nisy fiovana goavana teo amin’ny finoan’izao tontolo izao mikasika ny maro amin’ireo fitisipika ampianarina ao anatin’ilay fanambarana. Nandritra ny fahatanorako sy ireo taona voalohandohany nanambadiako, dia maro ireo teo amin’izao tontolo izao no niala tamin’ny fenitry ny Tompo izay antsointsika hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izay hoe, ny firaisana ara-nofo dia tsy tokony hisy raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray nivady ara-dalàna ihany. Teo amin’ny faha-20 ka hatramin’ny faha-30 taonako dia maro ireo niala tamin’ilay fiarovana masina ireo izay tsy mbola teraka rehefa nanomboka neken’ny maro ny fanalan-jaza. Taona maro tatoato izay dia maro ireo niala tamin’ilay lalàn’ Andriamanitra hoe ny fanambadiana dia fampiraisana masina eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray.20

Ny fahitana olona marobe miala amin’ireo fetra izay napetraky ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ilay fotoana tao Kapernaomy raha nanambara ny maha-Andriamanitra Azy ny Mpamonjy ary nampalahelo fa “maro tamin’ireo mpianany no … tsy niara-nandeha taminy intsony .”

Nanontany ny Roambinifololahy avy eo ny Mpamonjy nanao hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”

Hoy ny navalin’i Petera:

“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.”21

Tsy voatery tonga dia mifanaraka tsara amin’ny ao anatin’ny Fanambarana ny olona rehetra

Maro tokoa ireo olona, tanora sy antitra izay mahatoky sy marina amin’ireo fampianaran’ny mpaminany, na dia tsy tena mifanaraka tsara amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana aza ny zavatra iainan’izy ireo ankehitriny: zanaka izay manana fiainana voahozongozon’ny fisaraham-panambadiana; tanora izay manana namana mandrabiraby ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena; lehilahy sy vehivavy izay maratra mafy noho ny fanitsakitsahana ataon’ny vadiny; mpivady izay tsy afaka manan-janaka; lehilahy sy vehivavy izay manambady olona tsy iray finoana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny; lehilahy sy vehivavy tokan-tena izay tsy afaka nanambady noho ny antony samihafa.

Misy namako iray efa nandritra ny roapolo taona latsaka kely, izay tena deraiko fatratra, izay tsy manambady noho izy manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy. Nitoetra ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly izy, nampivelatra ny talentany teo amin’ny fahaiza-mamorona sy ara-kasa izy ary nanompo tamim-boninahitra teo anivon’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Vao haingana izy no nilaza tamiko hoe: “Izaho dia afaka mangoraka ireo olona izay miaina ny toe-javatra iainako, kanefa nisafidy ny tsy hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena eo amin’ity izao tontolo izao izay iainantsika ity. Kanefa moa ve i Kristy tsy niangavy antsika mba -tsy ho isan’izao tontolo izao-? Mazava tsara fa ny fenitr’ Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ireo izay ao amin’izao tontolo izao.”

Ny lalàna ataon’olombelona dia matetika mivaona amin’ireo lalàna avy amin’ Andriamanitra. Tena ilaina ananan’ireo maniry hahazo sitraka amin’ Andriamanitra tokoa ny finoana, faharetana ary fikirizana.22

Izaho sy Kathy vadiko dia nahafantatra rahavavy tokan-tena iray izay eo amin’ny 45 taona eo ho eo, izay nahazo fanomezam-pahasoavana manokana amin’ny fahaizana miasa sy manompo am-pahavitrihana tao amin’ny paroasiny. Nitandrina ny lalàna avy amin’ Andriamanitra koa izy. Nanoratra izy hoe:

“Nanonofy ilay andro izay hahazoako vady sy zanaka aho. Mbola miandry an’izany hatrany aho. Indraindray, mitondra fahatsapana ho adino sy irery ny toe-javatra iainako, kanefa miezaka aho tsy hifantoka amin’izay tsy ananako fa mifantoka kosa amin’izay ananako sy ny fomba ahafahako manampy ny hafa.

“Ny fanompoana an’ireo havako sy ny paroasiko ary any amin’ny tempoly no nanampy ahy. Tsy adino na irey aho satria izaho sy isika rehetra dia ao anatina fianakaviambe iray.”

Misy Iray izay mahatakatra

Hiteny ny olona sasany hoe: “Tsy takatrao ny toe-javatra iainako.” Mety tsy ho takatro izany, kanefa mijoro ho vavolombelona aho fa misy Iray izay mahatakatra izany.23 Misy Iray izay mahafantatra ny enta-mavesatrao noho ny Sorona nataony tao amin’ilay zaridaina sy tao amin’ilay hazofijaliana. Rehefa mitady Azy sy mitandrina ireo didiny ianao dia mampanantena anao aho fa hitahy anao Izy ary hitondra ireo enta-mavesatra loatra izay tsy hay zakaina irery. Hanome namana mandrakizay ho anao Izy sy fahafahana hanompo. Ary ny tena manan-danja dia hameno anao amin’ny fanahy maherin’ny Fanahy Masina Izy ary hampamiratra ny fankasitrahany aminao. Tsy misy safidy izay mandà ny fiarahan’ny Fanahy Masina na ireo fitahian’ny mandrakizay ka ho mendrika ny ho asiantsika lanjany.

Fantatro fa velona ny Mpamonjy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no loharanon’ny fahamarinana rehetra izay tena manan-danja, ary Izy no hanatanteraka ireo fampanantenana izay nampanantenainy an’ireo izay mitandrina ny didiny. Amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 18:33, 36–38.

  2. William S. Sahakian and Mabel Lewis Sahakian, Ideas of the Great Philosophers (1966), 28.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24.

  4. Jaona 14:6.

  5. Almà 30:15, 17.

  6. Helamàna 16:18.

  7. Jereo ny Almà 30:14, 23, 27.

  8. Môrônia 10:5.

  9. Joseph Smith Translation, 1 Corinthians 2:11 [in 1 Corinthians 2:11, footnote c]; 1 Korintiana 2:14.

  10. 1 Korintiana 2:14.

  11. Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nov. 1995, 100. Vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nanazava ny sasany amin’ny tantaran’ny fanambarana izay nofintinin’i Sheri Dew ao amin’ny Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (2019), 208:

    “Indray andro tamin’ny 1994, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandany andro iray tao amin’ny efitrano filan’izy ireo hevitra tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake, niresaka olana mikasika ny manodidina ny fianakaviana. Nodinihin’izy ireo avokoa ny zava-drehetra nanomboka tamin’ny toetran’ny pôrnôgrafia izay miseho eny rehetra eny ka hatramin’ny vinavinan-dalàna manohitra ny fianakaviana isan-karazany. Tsy fifanakalozan-kevitra vaovao izany, saingy tamin’izany andro izany, ny fandaharam-potoana rehetra dia nanodidina izany lohahevitra manan-danja izany.

    “Namerina nijery ireo fotopampianarana sy fitsipika ny Roambinifololahy, nijery ireo zavatra izay tsy azo ovaina, dia ny fotopampianarana izany, ary ireo zavatra izay mety ho azo ovaina, dia ireo fitsipika arahina izany. Niresaka momba ana olana izay hitan’izy ireo fa manatona izy ireo, ao anatin’izany ny fanosehana avy amin’ny fiaraha-monina momba ny zo mikasika ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ary ny zon’ny fanovana ny maha-lahy na maha-vavy. -Fa tsy izany no faran’ny zavatra izay hitanay,- hoy ny fanazavan’ny Loholona Nelson. -Tsapanay ny ezaka izay ataon’ireo fiarahamonina maro samihafa izay miezaka ny hanaisotra ireo lamina sy fetra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Hitanay ny fisamboaravoarana amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Hitanay ny fahatongavan’izany rehetra izany.-

    “Izany fifanakalozan-kevitra lava izany, niaraka tamin’ny sasany nandritra ny fotoana hafa, dia nitarika tamina fanapahan-kevitra fa ny Roambinifololahy dia tokony hanomana antontan-taratasy, angamba mety ho fanambarana mihitsy, izay mampisongadina ny fenitry ny Fiangonana mikasika ny fianakaviana izay haseho ny Fiadidiana Voalohany mba ho dinihan’izy ireo” (Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson2019], 208).

  12. Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 145.

  13. Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nilaza hoe: “Ireo olombelona maro sesehena izay efa teraka teto amin’ity tany ity dia nisafidy ny drafitry ny Ray ary niady ho an’izany. Maro amintsika no nanao fanekempihavanana ihany koa tamin’ny Ray mikasika izay hataontsika mandritra ny fiainana an-tany. Amin’ny fomba maro izay mbola tsy nambara, ireo zavatra nataontsika tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia misy fiantraikany amintsika mandritra ny fiainana an-tany” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 72).

  14. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona,nôv. 2018, 25–28.

  15. Abrahama 3:26.

  16. Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

    “Ny Olomasin’ny Andro Farany niova fo dia mino fa ny fanambarana momba ny fianakaviana, izay nivoaka efa ho 25 taona lasa izay, ary voadika amin’ny fiteny maro ankehitriny dia fanamafisana indray avy amin’ny Tompo ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ilaintsika mba hanohana antsika amin’ireo olana mihatra amin’ny fianakaviana ankehitriny. …

    “Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia filazana fahamarinana mandrakizay, ny sitrapon’ny Tompo ho an’ireo zanany izay mikatsaka ny fiainana mandrakizay. Fototry ny fampianarana sy ny fomba fanaon’ny Fiangonana izany nandritra ny 22 taona lasa ary mbola ho izany hatrany amin’ny hoavy. Raiso ho toy izany izany, ampianaro izany, manàna fiainana mifanaraka amin’izany dia ho voatahy ianareo rehefa mibosesika mandroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay. …

    “… Mino aho fa ny fihetsitsika manoloana ny fanambarana momba ny fianakaviana sy ny fomba fampiasantsika izany dia iray amin’izany fitsapana izany ho an’ity taranaka ity. Mivavaka ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra aho mba hijoro tsy azo hozongozonina amin’izany fitsapana izany” (“Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 30–31).

  17. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Misy ireo izay manome anaram-bositra antsika hoe olona tery saina sy mivaona, saingy ny olona tery saina sy mivaona dia ireo izay tsy mamela antsika hahatsapa ny fahatsapana izay tsapatsika fa mitady antsika hamela azy ireo hahatsapa izay tian’izy ireo ho tsapa. Ny fenitra arahintsika dia mifototra amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ny Didy Folo dia mijanona ho manan-kery. Tsy mbola naato izy ireo. … Tsy zo ananantsika manokana ny hanova ireo lalàna izay navoakan’ Andriamanitra” (in Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson, 212).

  18. “Raha toa ka eo ambany fanafihana manerana izao tontolo izao ny fianakaviana, ny fahamarinan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia hampatanjaka anareo.

    “Ianareo tanora izay manana zo ambony nolovaina hatramin’ny fotoana nahaterahana dia mila mahatakatra ny vokatra goavana izay hateraky ny ady izay ataon’ny fiaraha-monina amin’ny famaritana ny atao hoe fanambadiana. Ny adihevitra ankehitriny dia mihodidina amin’ny fanontaniana hoe afaka ampifanambadiana ve ny olona anankiroa izay lahy samy lahy na vavy samy vavy. Raha toa ianao ka manana fanontaniana mikasika ny hevitry ny Fiangonana momba izany na manana olana manan-danja hafa, dia saintsaino ombam-bavaka ny momba izany, ary avy eo dia araho ny hafatra mifono faminaniana amin’ny fihaonambe maneran-tany an’ny Fiangonana izay hatao ny ôktôbra ho avy izao. Ireo lahateny feno aingam-panahy ireo, miaraka amin’ny tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina dia hitondra fahatakarana bebe kokoa ao an-tsainareo” (Russell M. Nelson, “Youth of the Noble Birthright: What Will You Choose?” [Church Educational System devotional for young adults, Sept. 6, 2013], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

  19. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona,ôkt. 2016, 53.

  20. Hoy ny Filoha Nelson : “Saingy hiharan’ny fitaoman’ny fironana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny foto-pisainan’izao tontolo izao ireo fitondram-panjakana rehefa manoratra sy manitsy ary mampihatra lalàna. Na inona na inona lalàna sy fitsipika sivily mety ho tafapetraka, ny fotopampianaran’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fitsipi-pitondrantena dia tsy azo ovaina. Tadidio: ny fahotana, na dia ataon’ny olombelona ho ara-dalàna aza, dia mbola fahotana foana eo imason’ Andriamanitra!” (“Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 108).

  21. Jaona 6:66–69

  22. Jereo ny Almà 32:41–43; Tatalanjona foana aho fa ao amin’ity toko miavaka mahakasika ny fitomboan’ny finoana ity dia miaraka voalaza ao amin’ireo andininy telo farany ny herin’ny finoana, faharetana ary ny fahazotoana.

  23. Jereo ny Almà 7:12; Tsy hoe nijaly ho an’ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy fa ho an’ny rofintsika koa: “Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” (Ireo teny mitovy hevitra amin’ny rofy dia aretina, fahalemena, fahoriana, hadisoana.) Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6: “Izy izay niakatra ho any amin’ny avo tahaka ny nidinany koa ho ambanin’ny zava-drehetra, ka nahatakarany ny zava-drehetra mba hahatonga Azy ho ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra, ny fahazavan’ny fahamarinana.”