2019
Foto-kevitra ijoroana mikasika ny zanak’ireo ray aman-dreny tafiditra ao anatin’ireto sokajy ireto: vehivavy tia vehivavy, lehilahy tia lehilahy, olona sady tia lehilahy no tia vehivavy, olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany, ary ny foto-kevitra ijoroana mikasika ireo mpikambana niditra tamin’ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy.
Mey 2019


Foto-kevitra ijoroana mikasika ny zanak’ireo ray aman-dreny tafiditra ao anatin’ireto sokajy ireto: vehivavy tia vehivavy, lehilahy tia lehilahy, olona sady tia lehilahy no tia vehivavy, olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany, ary ny foto-kevitra ijoroana mikasika ireo mpikambana niditra tamin’ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy.

Ireo ray aman-dreny izay milaza ny tenany ho vehivavy tia vehivavy, lehilahy tia lehilahy, olona sady tia lehilahy no tia vehivavy, olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany, dia afaka mangataka amin’izao fotoana izao ny mba hitsofana rano ny zanak’izy ireo izay zazakely amin’ny alalan’ny mpihazona fisoronana mendrika iray ary azo atao batisa koa ny zanak’izy ireo rehefa feno valo taona ka tsy mila fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany. Izany no fanambarana nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny fivorian’ny mpitarika tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Ankoatra izany na dia mbola raisina ho toy ny “fandikan-dalàna goavana” aza ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, dia tsy raisin’ny Fiangonana ho toy ny “apôstazia” intsony izany noho ireo antony ao anatin’ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. “Hitovy amin’izany koa ny fandraisana ny fitondrantena mamoa fady atao ao anatin’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lahy sy ny vavy ihany, na eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy,” hoy ny Filoha Oaks.

Ireo fanovana foto-kevitra ijoroana ireo “dia tsy maneho fanovana mikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonana momba ny fanambadiana na ny didin’Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena na ny fahitsin’ny saina amam-panahy,” hoy ny nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany tao anatin’ny fanambarana ôfisialy iray. “Tsy hiova ny fotopampianaran’ny drafitry ny famonjena sy ny maha-zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena.”

Nilaza ny Filoha Oaks fa ireo foto-kevitra ijoroana ireo dia tokony hanampy ireo fianakaviana voakasik’izany ary “ankoatra izany, ireo ezaka ataon’ireo mpikambana mba haneho fahatakarana an-tsaina sy fangorahana ary fitiavana bebe kokoa dia tokony hampitombo ny fanajana sy ny fahatakarana an-tsaina eo anivon’ny olona tsara sitrapo rehetra.”