2019
Loholona John A. McCune
Mey 2019


Loholona John A. McCune

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona John A. McCune

Tany am-panombohany niasa teo amin’ny sehatry ny fandraharahana, dia niresaka tamin’ny lehibeny ny Loholona ElderJohn A. McCune ka nandritra izany no niharihary fa tsy nahafantatra zavatra firy momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ilay lehilahy. Nanontananian’ilay lehibeny an’ny Loholona McCune ny antony tsy handihizan’ny Olomasin’ny Andro Farany sy tsy hihinanany mofomamy cookies.

“Mihinana cookies aho mazava ho azy,” hoy ny Loholona McCune tamim-pitsikina tamin’ilay lehibeny sady nisafosafo ny kibony. “Mihevitra aho fa ampifangaroanao amin’ny olon-kafa izahay.”

Rehefa niresaka izy ireo dia nanome fanazavana mikasika ireo hevi-diso momba ny Fiangonana ny Loholona McCune. Nitarika fifampiresahana hafa mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany resaka nifanaovana izany ary nanamafy tamin’ny Loholona McCune ny maha-zava-dehibe ny fahavononana lalandava hijoro ho vavolombelona momba ny filazantsara.

“Mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy isika, any amin’izay misy antsika rehetra, ao anatin’ny toe-javatra misy antsika rehetra ary eo anatrehan’ireo fahafahantsika rehetra manao zavatra,” hoy ny Loholona McCune. “Manana asa aman-draharaha isika, saingy eo izy ireo mba hanohanana ny fianakaviantsika sy mba hametrahana antsika ao anatina toe-javatra ahafahana mizara ny filazantsara. Izany no andraikitsika voalohany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.”

Naterak’i Clifford sy i Joan Schulthies McCune tany Santa Cruz, Californie, Etazonia i John Allen McCune tamin’ny 20 jona 1963. Tany Nyssa, Oregon, Etazonia no tena naha-lehibe azy.

Rehefa avy nanao asa fitoriana nandritra ny fotoana feno tany Fukuoka, Japon ny Loholona McCune dia nanambady an’i Debbra Ellen Kingsbury tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1984. Manan-janaka efatra izy ireo ary mipetraka any Midway, Utah, Etazonia.

Ny Loholona McCune dia nahazo mari-pahaizana licence en finance avy ao amin’ny Oniversite Brigham Young ary taty aoriana dia nahazo mari-pahaizana maîtrise en administration des affaires avy ao amin’ny University an’i California, Los Angeles (UCLA). Filoha lefitra voalohany sy tale mpitantana ny Capital Investment Advisors izy nanomboka tamin’ny 1997 ka hatramin’ny 2012. Avy eo izy dia lasa filohan’ny Misiônan’i Provo Utah nialoha ny nahalasa azy ho tompon’andraikitra mifampiraharaha amin’ireo mpanome zavatra fototra ilaina miaraka amin’ireo mpanao asa soa LDS Philanthropies.

Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ny Loholona McCune tamin’ny fotoana nanomezana azy ilay antso vaovao. Izy koa dia efa filohan’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà sy tao amin’ny fiadidian’ny sampana iray, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.