2021
Ny drafitry ny famonjena sy fatokiana ny Tompo
Jolay 2021


Ho an’ny ray aman-dreny

Ny drafitry ny famonjena sy fatokiana ny Tompo

Ry ray aman-dreny malala,

Azonao ampiasaina ireto lahatsoratra manaraka ireto sy ireo sary ao anatiny mba hanokafana fifanakalozan-kevitra amin’ny fianakavianao sy hanampiana azy ireo hahatakatra lohahevitra manan-danja toy ny drafitry ny famonjena sy ny fatokiana ny Tompo.

Ny drafitry ny famonjena

Ampiasao ny “Fototry ny filazantsara” ao amin’ny pejy 6 hampianarana ny zanakareo momba ny drafitry ny famonjena. Resadresaho ny fomba hitahian’ny fahalalana ny drafitry ny famonjena ny fiainanareo sy ny fiainan’ny fianakavianareo. Asaivo manao sarin’ny drafitry ny famonjena ireo zanakareo ka hanazava ny singa iray ao amin’izany.

Matokia ny Tompo

Vakio ny zavatra niainan-dRahalahy Milton Camargo ao amin’ny pejy 21. Rehefa miresaka izany amin’ireo zanakareo ianareo dia eritrereto ny hanontany hoe: Ahoana no nanehoan’ilay misiônera ny fatokiana an’ Andriamanitra? Ahoana no anehoanareo ny fatokianareo ny Tompo? Inona avy ireo fomba sasany nitahiana anareo noho ny fatokiana an’ Andriamanitra?

Fandraisana an-tanana ny herisetra

Ampiasao ireo hevitra ao amin’ny pejy 16 mba hianarana ny fomba hamantarana ny herisetra, sy ny fomba hisorohana izany ary ny hampianarana ireo zanakareo ny fomba hiarovany tena.