2022
Zarao ny fahazavana
Martsa 2022


Ny Lalan’ny Fanekempihavanako

Zarao ny fahazavana

Aoka isika ho sahy hizara ny filazantsara amin’ny fianakaviantsika.

Sahia! Impiry isika no mamaky izany teny izany ao amin’ny soratra masina rehefa fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara na fisafidianana ny tsara na fijoroana amin’ny fahamarinana na fanaovana asa feno hatsaram-panahy, ary fanompoana ny hafa no resahina? Sahy mizara ny fahazavana ve isika? Moa ve isika misalasala ny hizara izany amin’ny fianakaviantsika satria matahotra ny ho lavina?

Tsaroantsika ve ny fahitana azon’i Lehia momba ilay hazon’aina? “Ary raha nihinana tamin’ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko; koa nanomboka nangetaheta aho ny mba hihinanan’ny ankohonako amin’izany koa; satria nahalala aho fa mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra izany.”1

Raha vantany vao tsapany fa tena sarobidy ny drafitry ny famonjena dia te hizara izany avy hatrany izy—ary tsy natahotra ny ho sahy izy. Fantany fa tsy nandray tsara foana i Lamàna sy i Lemoela saingy noho ny fitiavany lehibe azy ireo dia nizara foana izy.

Fony mbola tanora mpianatry ny oniversite, dimampolo taona lasa izay, dia nanana fahasahiana ilay namako izay mpikambana. Nanontany ahy mivantana ireo ‘fanontaniana volamena’ izy: “Inona no fantatrao momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Te hahafantatra bebe kokoa ve ianao?” Rehefa nianatra sy nahatakatra ary nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara aho dia naniry ny hizara izany tamin’ny fianakaviako—na dia fantatro aza fa maro amin’izy ireo no mety tsy handray izany. Ary marina tokoa fa tsy nandray izy ireo! Saingy nitoetra ho mafy hatrany ny faniriako ho sahy. Mieritreritra tsy tapaka ny fomba ahafahako manasa azy ireo amim-pahasahiana saingy amin’ny fahalemem-panahy aho mba hanatona an’i Kristy.

Mety azontsika atao ny misaintsaina momba ireto soso-kevitra ireto:

  • Ny teny sy ny ataontsika dia maneho ny maha-izy antsika. “Aoka ianareo . . . ho tsara fanahy sy ho feno fitia; ho feno fiantrana ao an-tsaina, ao am-po, f(a)izay no nampianarin’i Jesoa.”2

  • Manehoa fitiavana sy fanohanana ary fatokiana amin’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana rehefa miaina fifaliana sy fanamby izy ireo. Ampahafantaro amin’ny fahalemem-panahy ny tanan’ny Tompo rehefa mahita izany isika ary ampio izy ireo hamantatra izany.

  • Aoka ho ohatra tsara amin’ny fivavahana sy ny fandalinana ny soratra masina. Zarao ireo hevitra sy bitsika tsara ananantsika mahakasika ny fifandraisana sy ny traikefa ao amin’ny fianakaviantsika.

  • Tompoy amim-pitiavana sy amim-pifaliana izy ireo. Ary rehefa manontany antsika izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no miombom-pihetseham-po sy manampy tokoa?” Dia afaka miteny amin-kitsimpo isika hoe: “Miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’i Kristy sy hanaraka ny ohatra nasehony izahay.”

  • Ary rehefa tonga ireo fanontaniana momba ny filazantsara dia aoka isika tsy hatahotra ny hizara ireo fitsipika ireo ary hanasa azy ireo hanatona an’i Kristy.

Andeha isika hanaraka ny ohatra nasehon’i Lehia: amin’ny fankasitrahana sy ny fitiavana ary ny fifaliana dia aoka isika rehetra “Hanana fahasahiana!” Isan’andro dia misy fahafahana be dia be hizara ny hazavana. Aza avela handeha fotsiny na dia ny iray amin’izy ireny aza!

FANAMARIHANA

  1. 1 Nefia 8:12.

  2. “I’m Trying to Be Like Jesus” [Miezaka aho ho toa an’I Jesoa], 1980, Janice Kapp Perry.