2022
“Tsy toy ny nanampoizako azy velively ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko—dia izao no zavatra no zavatra nianarako”
Martsa 2022


FEON’NY MPIKAMBANA

“Tsy toy ny nanampoizako azy velively ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko—dia izao no zavatra no zavatra nianarako”

Nandritra ilay valanaretina no nahavitan’i Christina Ogunbote ny asa fitoriany ny filazantsara. Tamin’ny alalan’ ireo tranga maro tsy nampoizina dia mizara ny fomba nianarany sy nitomboany izy.

Efa-bolana tany amin’ny fitoriana ny filazantsara izay nataony tany Lusaka Zambia Rahavavy Christina Ogunbote no nolazaina fa tsy maintsy hody. Rehefa nanomboka ny valanaretina dia misiônera maro nanerana izao tontolo izao no nila niverina tany amin’ny firenena niaviany. Koa niverina tany Royaume Uni fiaviany Rahavavy Ogunbote. Mbola nitohy ny fiovana: voatendry indray izy ho any amin’ny misiônan’i Ecosse/Irlande, ary avy eo dia voantso indray ho any Zambia tamin’ny oktôbra 2020. Rehefa nanontaniana mikasika ny lesona momba ny fiainana nianarany izy tamin’ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara nandritra ny valanaretina dia nizara izao manaraka izao araka ny teny nolazainy:

“Nisy zavatra maro nianarana sy lesona momba ny fiainana. Anisan’ny iray tena lehibe dia rehefa antsoina ho misiônera isika, dia tsy afaka mifidy ny toe-javatra iainana amin’ny antso izay nomena antsika. Misafidy ny handeha hanompo ny Tompo isika amin’izay rehetra ananantsika, na aiza na aiza izany na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona, na ao anatina trano fonenan’ny misiônera na eny ivelany amin’ny lalana. Tsy afaka mifidy ireo toe-javatra iainana ireo isika.

“Saingy afaka misafidy ny fomba entintsika miatrika izany isika. Afaka misafidy isika raha te hanompo am-pifaliana sy amin’ny fontsika manontolo, na te hahita ny lafiratsiny sy ho vesaran’ireo zavatra tsy ho vitantsika. Izany no anisan’ny zavatra tena azoko nianarana ary nampatsiahivina ahy fa ny zavatra iainana any amin’ny fitoriana ny filazantsara dia tena fifaliana lehibe. Tsy misy fifaliana ambonin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

“Fotoana tena nahafinaritra teo amin’ny fiainako ny naha tany Zambia ahy. Ny fotoana naha tany Ecosse ahy dia nahatonga ny asa fitoriana nataoko ho tena tsara noho ny niheverako azy. Ny fahafahako ho misiônera tany an-trano niaraka tamin’ireo ray aman-dreniko sy ny fiezahana ho misiônera teo anivon’ny fiainana andavanandron’izy ireo dia trangam-piainana tena nahaliana tokoa ho ahy sy ho an’ny misiônera maro hafa izay nanao toy izany. Mino aho fa izay no fiofanana nilainay hahatakarana ny antony nanirianay ho lasa misiônera.

“Na dia nifindra kaontinanta aza aho ary nandany fotoana tao an-tranoko sy fotoana niarahako tamin’ireo ray aman-dreniko tao an-trano dia fantatro, tamin’ny alalan’izany rehetra izany, fa anisan’ny zavatra niainana izay nanampy ahy tena hahatakatra izany fa ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ny antsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika. Fantany isika tsirairay avy ary maniry ny ahafahantsika manao ireo zavatra mifanaraka amin’ny drafiny Izy.

“Manana fomba fijery tsara kokoa momba ny mandrakizay aho sady mahafantatra fa tsy ho raitra daholo ny zava-drehetra. Saingy ny fananana izany fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izany no fomba hanomezan’ny Tompo hery antsika entina miaritra ireo fanamby sy fitsapana izay atrehintsika.”