2022
Martsa 1992 : Distrikan’i Botswana
Martsa 2022


ITY VOLANA AO AMIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Martsa 1992 : Distrikan’i Botswana

Ity volana ity dia manamarika ny tsingerin-taona fahatelopolo nananganana ny distrikan’i Botswana, distrika voalohany indrindra tao amin’ny firenena. Tamin’ny alahady 1 martsa 1992 no nanorenana ilay distrika, ary tafiditra tao ireo sampan’i Broadhurst Gaborone sy i Gaborone Andrefana izay novaina anarana. Taty aoriana tamin’io taona io dia natsangana ny Sampana Lobatse ary lasa tafiditra ihany koa tao amin’ilay distrika.

I Kwasi Agyare-Dwomoh, izay vita batisa tamin’ny 1990 ary filohan’ny Sampana Gaborone no voantso ho filoha voalohan’ny distrikan’i Gaborone Botswana, niaraka tamin’i Vryle (Vernon) Owens sy i Anthony Mokgare ho mpanolotsainy. Taty aoriana Rahalahy Agyare-Dwomoh dia nanompo ho evekan’ny paroasy faharoan’i Centurion Afrika Atsimo ary ankehitriny dia manompo ao amin’ny Fiadidian’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo.

Ny taona talohan’io, ny jona 1991, no nankatoavan’ny fanjakan’i Botswana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Dimy volana taorian’izay no nananganana ilay distrika, tonga nitokana ilay firenana ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Rava ny Distrikan’i Gaborone Botswana tamin’ny 1995 ary nampidirina tao amin’ny tsatòkan’i Roodepoort Afrika Atsimo ireo sampana telo nisy. Niroborobo hatrany anefa ny Fiangonana, ary folo taona lasa izay no nananganana ny tsatòkan’i Gaborone Botswana, tamin’ny 2012.