2010–2019
Taranaka mahatohitra fahotana
Aprily 2017


Taranaka mahatohitra fahotana

Rehefa mampianatra sy mitarika ary mitia ny ankizy ianareo dia afaka mandray fanambarana ho an’ny tena manokana izay hanampy anareo amin’ny famoronana ankizy maherifo sy mahatohitra fahotana sy amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana azy ireo.

Herintaona sy tapany lasa izay, ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny hoe ilaina “ny mampianatra sy manabe taranaka mahatohitra fahotana.”1 Nisy heviny ara-panahy lehibe tato anatiko izany andian-teny hoe “taranaka mahatohitra fahotana” izany.

Deraintsika ireo ankizy izay miezaka ny hanana fiainana madio sy feno fankatoavana. Nahita ny tanjaky ny ankizy maro manerana izao tontolo izao aho. Mijoro mafy tsara izy ireo, “miorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina”2 ao anatin’ny karazana toe-javatra miseho sy tontolo sarotra iainana. Takatr’ireo ankizy ireo hoe masina ny maha-izy azy ireo, tsapany ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo, ary katsahiny ny hankatò ny sitrapony.

Na izany aza anefa dia ao ireo ankizy izay sahirana amin’ny fijoroana mba “[h]iorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina” ary voaratra ny saina marefon’izy ireo.3 Voatafiky ny “zana-tsipika mirehitry ny fahavalo”4 amin’ny lafiny rehetra izy ireo ka mila fanamafisana sy fanohanana. Antony goavana mandrisika antsika hirotsaka sy handray anjara amin’ny ady manohitra ny fahotana eo amin’ny ezaka ataontsika mba hitondra ny zanatsika eo amin’i Kristy izy ireny.

Henoy ny tenin’ny Loholona Bruce R. McConkie efa ho 43 taona lasa izay:

“Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tafiditra ao anatin’ny ady goavana isika. Miady isika izao. Voaisa ao anatin’ny tafik’i Kristy isika mba hiady amin’i Losifera. …

“Tsy zava-baobao ilay ady lehibe izay mandrava ny lafiny rehetra, ary indrisy fa olona maro be no voa mafy, ary maty mihitsy aza ny sasany vokatr’izany. …

“Izao dia tsy misy ary tsy afaka hisy sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny aroa.”5

Mitohy ilay ady ankehitriny sady mitombo ny heriny. Voakasik’ilay ady isika rehetra, ary eo amin’ny loha-laharana mifanatrika amin’ny hery manohitra ireo zanatsika. Noho izany dia mitombo ny filantsika mba hampatanjaka ireo paikady ara-panahintsika.

Asa sy fitahiana ho an’ny ray aman-dreny, ny raibe sy renibe, ny olona ao amin’ny fianakaviana, ny mpampianatra, ary ny mpitarika ny fanamafisana ny ankizy ho tonga mahatohitra fahotana. Samy miantsoroka ny andraikitra mba hanampy isika tsirairay. Ny Tompo anefa dia nanoro lalana ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany “hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’ i Kristy, ny Zanak’ Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina” ary “ny hivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo.”6

Ny fomba “hitaiza[na] ny zana[tsika] ao amin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana”7 dia mety ho fanontaniana mananosarotra satria samy manana ny azy izany ho an’ny fianakaviana tsirairay sy ny ankizy tsirairay, kanefa ny Ray any An-danitra dia nanome torolalana ho an’izao tontolo izao izay hanampy antsika. Hanome aingam-panahy antsika amin’ireo fomba mahomby indrindra ahafahantsika manomana ara-panahy ireo zanatsika ny Fanahy.

Hanombohana izany dia manan-danja ny fahitana ny maha-manan-danja ny andraikitsika. Tsy maintsy takatsika ny maha-izy azy antsika, sy ny maha-izy azy ireo, izay masina sy ny tanjontsika, sy ny azy ireo, mialoha ny ahafahantsika manampy ireo zanatsika mba hahita hoe iza izy ireo ary nahoana izy ireo no eto. Tsy maintsy ampiantsika izy ireo hahafantatra tsy am-pihambahambana fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana izy ireo ary miandrandra zava-masina amin’izy ireo Izy.

Faharoa dia manan-danja eo amin’ny fahatogavana ho mahatohitra fahotana ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny fibebahana. Tsy midika hoe tsy manam-pahotana ny mahatohitra fahotana, fa midika ho mibebaka sy mitandrina ary mahery fo tsy tapaka izany. Ny hoe mahatohitra fahotana angamba dia tonga toy ny fitahiana avy amin’ny fanoherana tsy tapaka ny fahotana. Araka ny voalazan’i Jakôba hoe: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.”8

Ireo zatovolahy mpiady dia “sahy fatratra tokoa raha ny herim-po … ; nefa indro, tsy izay ihany—… marina tamin’ ny fotoan-drehetra izy ireo, na inona na inona zavatra nankinina taminy. Eny, … efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany.”9 Nandeha niady nitondra ireo toetran’i Kristy ho fiadiana hanoherana ireo fahavalony ireo zatovolahy ireo. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampahatsiahy antsika fa “Mila manana herimpo tsy tapaka isika tsirairay. Ilaina isan’andro eo amin’ny fiainantsika ny herimpo—tsy hoe ao anatin’ny toe-javatra lehibe miseho fotsiny akory fa matetika kokoa rehefa mandray fanapahan-kevitra isika na mandray andraikitra eo anatrehan’ny toe-javatra miseho manodidina antsika.”10

Mitafy fitaovam-piadiana ara-panahy ireo zanatsika rehefa manorina lamina ahitana fiainan’ny tena manokana ny maha-mpianatra isan’andro izy ireo. Angamba tsinontsinoavintsika ireo fahafahan’ny ankizy mandray ny hevitry ny maha-mpianatra isan’andro. Nanoro hevitra antsika ny Filoha Henry B. Eyring mba “hanomboka dieny mbola kely ka ho mafy orina.”11 Koa ny fanalahidy fahatelo hanampiana ny ankizy ho tonga mahatohitra fahotana dia ny manomboka mampiditra ao amin’izy ireo am-pitiavana dieny mbola kely ireo fotopampianarana sy fitsipika fototry ny filazantsara, avy ao amin’ny soratra masina, ireo fanekem-pinoana, ny kiboky Ry tanora, mahereza, ireo hiran’ny kilonga, fihirana ary fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana, izay mitarika ny ankizy ho any amin’ny Mpamonjy.

Mitondra amin’ny fahafenoana sy tsy fiovaovan’ny ao anaty ary soatoavina ara-pitondrantena matanjaka, na raha lazaina amin’ny teny hafa hoe fahafenoana ara-panahy, ny famoronana fahazarana tsy tapaka hanao vavaka, fandalinana ny soratra masina, takarivan’ny mpianakavy, ary fitsaohana amin’ny Sabata. Ao amin’ny tontolo ankehitriny, izay tsy ahitana intsony ny fahamarinan-toetra, dia manana zo hahatakatra ny tena atao hoe fahamarinan-toetra sy ny antony maha-tena manan-danja izany ny zanatsika, indrindra rehefa manomana azy ireo hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina amin’ny batisa sy ao amin’ny tempoly isika. Araka ny ampianarin’ny Torio ny filazantsarako hoe: “Manomana ny olona [anisan’izany ireo ankizy kely] hanao sy hanaja ny fanekempihavanana masina ny fanajana ny fanoloran-tena.”12

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Rehefa miresaka momba ny fitandremana fanekempihavanana isika dia miresaka momba ny tanjona fototra ananantsika eto ambonin’ny tany.”13 Misy hery tsy mahazatra ao amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny fitandremana izany. Fantatry ny fahavalo izany, koa dia nataony sarotra takarina ny hevitry ny fanaovana fanekempihavanana.14 Fanalahidy iray hafa amin’ny famoronana taranaka mahatohitra fahotana ny fanampiana ny ankizy hahatakatra sy hanao ary hitandrina fanekempihavanana masina.

Ahoana no hanomanantsika ireo zanatsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina rehefa miditra sy miroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo? Hanome hery azy ireo mba hitandrina fanekempihavanana masina any aoriana eo amin’ny fiainana ny fampianarana ny ankizy hitandrina ireo fampanantenana tsotra dieny mbola kely izy ireo.

Avelao aho hizara ohatra tsotra: Nanontany ny raim-pianakaviana iray nandritra ny takarivan’ny mpianakavy hoe: “Manao ahoana ny fifandraisantsika ato amin’ny fianakaviana?” Nitaraina i Lizzie dimy taona fa i Kevin zokiny lahy dia nandrabiraby azy loatra ka nampalahelo azy. Niaiky tsy fidiny i Kevin fa marina ny an’i Lizzie. Nanontanian’ny renin’i Kevin azy ny zavatra azony atao mba hifandray tsara amin’ny anabaviny. Nieritreritra i Kevin ary nanapa-kevitra fa tsy handrabiraby an’i Lizzie mandritra ny iray andro manontolo izy.

Rehefa nifarana ny andro manaraka izay, raha nivondrona hanao vavaky ny mpianakavy ny rehetra dia nanontanian’i dadan’i Kevin azy ny zavatra izay nataony. Izao no navalin’i Kevin hoe: “Dada a! nihazona ny fampanantenako aho!” Nanaiky izany tamin-kafaliana i Lizzie, ary dia niarahaba an’i Kevin ny mpianakavy.

Dia nanome sosokevitra ny renin’i Kevin fa raha vitan’i Kevin ny nihazona ny teny nampanantenainy nandritra ny iray andro, dia nahoana izy no tsy hahavita izany mandritra ny roa andro? Nanaiky ny hanandrana izany indray i Kevin. Lasa ny roa andro, nahomby i Kevin tamin’ny fihazonana ny fampanantenany, ary feno fankasitrahana kokoa i Lizzie! Rehefa nanontanian’ny rainy ny antony nihazonany ny fampanantenany i Kevin dia nilaza izy hoe: “Nihazona ny fampanantenako aho satria nilaza aho fa hanao izany.”

Mitarika amin’ny fahamarinan-toetra ny fisesin’ny fampanantenana kely nohazonina tamim-pahombiazana. Ny fizarana tsy tapaka mba hihazona nyfampanantenana dia fanomanana ara-panahy ny ankizy mba handray ny fanekempihavanana voalohany amin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay hampanantenan’izy ireo ny hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny.15 Tsy afa-misaraka ny fampanantenana sy ny fanekempihavanana.

Ao amin’ny bokin’i Daniela dia mianatra momba an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego izay nandà ny hitsaoka ny sampin’ny Mpanjaka Nebokadnezara isika.16 Nampitandrina ny mpanjaka fa hatsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra izy ireo raha tsy nanaiky izany. Nandà izy ireo sady niteny hoe:

“Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra. …

“Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay.”17

“Ary na dia tsy izany aza.” Saintsaino ny hevitr’ireo teny enina ireo sy ny fomba hifandraisany amin’ny fitandremana fanekempihavanana. Tsy nampifototra ny fankatoavan’izy ireo tamin’ny fanafahana azy ireo zatovolahy telo ireo. Na dia tsy nohafahana aza izy ireo dia ho nihazona ny fampanantenany tamin’ny Tompo satria nilaza izy ireo fa hanao izany. Tsy miankina mihitsy amin’ny toe-javatra iainantsika ny fitandremana ny fanekempihavanantsika. Ireo zatovolahy telo ireo, tahaka ireo zatovolahy mpiady roa arivo, dia ohatra mahafinaritra momba ny fanoherana ny fahotana ho an’ireo zanantsika.

Ahoana no ampiharana ireo ohatra ireo ao an-tokantranontsika sy amin’ny fianakaviantsika? “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika,”18 no hanampiantsika ireo ankizy hanandrana fahombiazana tsikelikely. Rehefa mihazona ny fampanantenany izy ireo dia mahatsapa ny Fanahy eo amin’ny fiainany. Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin fa “ny valisoa faratampon’ny fahamarinan-toetra dia ny fiarahan’ny Fanahy Masina ho namanao lalandava.”19 Enga anie ireo zanatsika ka “hihamahery fahatokian-tena eo anatrehan’Andriamanitra”20 Avy ao amin’izany loharanon’ny fahamarinan-toetra izany no miboiboika ny taranaka nahazo hery sy mahatohitra fahotana.

Ranadahy sy rahavavy isany, tazony akaiky ireo madinikareo, akaiky tokoa ka ho hitany ny fitondrantenanareo ara-pivavahana isan’andro sy hijery anareo hihazona fampanantenana sy hitandrina fanekempihavanana izy ireo. “Mpaka tahaka be ny ankizy, koa omeo zavatra lehibe halaina tahaka izy ireo.”21 Marina tokoa fa manampy hampianatra sy hitaiza taranaka mahatohitra fahotana ho an’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fampanantenana miampy fampanantenana sy fanekempihavanana miampy fanekempihavanana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mitarika ity Fiangonana ity i Jesoa Kristy. Rehefa mampianatra sy mitarika ary mitia ny ankizy amin’ny fomban’ny Mpamonjy ianareo dia afaka mandray fanambarana ho an’ny tena manokana izay hanampy anareo amin’ny famoronana ankizy maherifo sy mahatohitra fahotana sy amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana azy ireo. Ny vavaka ataoko dia ny hiarahan’ny zanatsika milaza ny tenin’i Nefia hoe: “Hanao izay hahatora-kovitra ahy amin’ ny fisehoan’ ny fahotana va Ianao?”22 Mijoro ho vavolombelona aho fa nisolo vaika ny fahotan’izao tontolo izao ny Mpamonjy23, satria nilaza Izy fa hanao izany, ary tiany mihoatra izay mety ho takatsika olombelona tsotra isika24, satria nilaza Izy fa hanao izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.