2010–2019
Hatsaram-panahy sy fiantrana ary fitiavana
Aprily 2017


Hatsaram-panahy sy fiantrana ary fitiavana

Aoka isika handinika ny fiainantsika sy hanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka ho tsara fanahy sy hitia ary hiantra.

Ry rahalahiko malala isany, heni-kaja aho noho ny tombontsoako hiresaka aminareo amin’izao fivoriana maneran-tany iombonan’ny mpihazona mahatoky ny fisoronan’ Andriamanitra izao. Anio alina aho dia hiresaka momba ny lohahevitra iray izay efa noresahako taloha.

Nasongadin’ny mpaminany Môrmôna ny iray amin’ireo toetra tena manan-danja ananan’ny Mpamonjy izay tokony halain’ireo mpianany tahaka. Hoy Izy hoe:

“Ary raha malemy fanahy sy mietry am-po ny olona iray, ary miaiky amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, dia tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana; fa raha tsy manana fiantrana izy dia tsinontsinona; koa tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana.

“Ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina. …

“Noho izany ry rahalahiko malala, raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany, dia soa ho azy izany.”1

Ry rahalahy, tsy manaja ny fisoronan’ Andriamanitra isika raha tsy tsara fanahy amin’ny hafa.

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin, izay namako malala sady mpiara-manompo tamiko dia tena lehilahy tsara fanahy tokoa. Hoy Izy hoe:

“Fitsipika fototry ny fiainana selestialy ny hatsaram-panahy. Amin’ny hatsaram-panahy no tokony ho fandraisan’ny olona mpaka tahaka an’i Kristy ny hafa. Tokony ho vokatry ny hatsaram-panahy avokoa ny tenintsika sy ny zavatra ataontsika rehetra any amin’ny toeram-piasana misy antsika, any am-piangonana, ary indrindra indrindra ao amin’ny tokantrano misy antsika.

“I Jesoa, ilay Mpamonjy antsika no ohatra lehibe indrindran’ny hatsaram-panahy sy ny fangorahana.”2

Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny fampiasana ny fisoronana amim-pahamarinana dia miankina amin’ny fiainantsika ireo fitsipiky ny hatsaram-panahy sy ny fiantrana ary ny fitiavana. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mamaky isika hoe:

“Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny fandresen-dahatra, … ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

“Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka.”3

Ry rahalahy, aoka isika handinika ny fiainantsika sy hanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka ho tsara fanahy sy hitia ary hiantra. Ary rehefa manao izany isika dia hanana fahafahana kokoa hiantso ireo hery avy any an-danitra ho antsika, ho an’ny fianakaviantsika, ary ho an’ireo mpiara-dia amintsika mandritra ity dia hodiantsika any an-danitra, izay indraindray sarotra ity. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.