2010–2019
Vehivavy “matoky tena”
Aprily 2017


Vehivavy “matoky tena”

Ireo vehivavy matoky tena ireo dia mpianatra mifototra amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary manana fanantenana amin’ny alalan’ny fampanantenan’ny sorompanavotany.

Ry rahavaviko malala isany, tena tianay ianareo ary misaotra anareo tamin’ny fanaovana zavatra feno hatsaram-panahy sy fientanentanana teo anatrehan’ny fanasana nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny ezaka #IWasAStranger. Tohizo ny vavaka sy ny fihainoana ireo bitsiky ny Fanahy ary ny fanaovana asa araka ireo fitaomana raisinareo.

Na mandehandeha eto an-toerana na manerana izao tontolo izao aho dia efa mahazatra ny anontanian’ny olona iray hoe: “Tadidinao ve aho?” Noho izaho tena tsy tonga lafatra dia ekeko fa matetika aho no tsy mahatadidy anarana. Tadidiko kosa anefa ilay tena fitiavana marina navelan’ny Ray any An-danitra ho tsapako rehefa mihaona amin’ireo zanakavaviny sy zanakalahiny sarobidy aho.

Vao haingana aho no nanana fahafahana nitsidika vehivavy malala izay any am-ponja. Rehefa nifanao veloma tamin-kafanam-po izahay dia niangavy ny vehivavy malala iray hoe: “Rahavavy Burton, aza manadino anay e!” Antenaiko fa izy sy ireo hafa izay te hotsaroana dia hahatsapa izany eto am-pizarako eritreritra vitsivitsy aminareo.

Vehivavy matoky tena tamin’ny andron’ny Mpamonjy: Mifototra amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy

Ireo rahavavintsika tao anatin’ny taona maro nifandimby dia naneho ohatra feno fahatokiana amin’ny maha-mpianatra, izay ezahantsika haseho koa. “Ny Testament Vaovao dia ahitana ny tantaran’ireo vehivavy [matoky tena], voalaza anarana sy tsy voalaza anarana, izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy [sy ny Sorompanavotany], nianatra sy niaina ireo fampianarany, ary nijoro ho vavolombelona momba ny asa fanompoany sy ireo fahagagana nataony ary ny voninahiny. Ireo vehivavy ireo dia nanjary mpianatra fakan-tahaka sy vavolombelona manan-danja teo amin’ny asa famonjena.”1

Sary
Vehivavy matoky tena

Saintsaino ireto tantara ao amin’ny bokin’i Lioka ireto. Voalohany, nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy:

“Ary taoriana kelin’izany … dia lasa [Jesoa] nitety ny tanàna sy ny vohitra, nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ny folo lahy nanaraka Azy,

“mbamin’ny vehivavy [matoky tena], … dia Maria atao hoe Magdalena, … sy Johana … , ary Sosana, mbamin’ny maro hafa, izay nanompo azy.”2

Manaraka, taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty:

“Nefa kosa ny vehivavy [matoky tena]  izay … tany amin’ny fasana maraina koa;

“… [Raha] tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa … nahita anjely niseho kosa izay nilaza fa velona Izy.” 3

Efa namaky sy niverina namaky im-betsaka ilay andian-teny toa tsy manaitra hoe: “vehivavy matoky tena” aho, saingy vao haingana vao tsikaritro ireo teny ireo rehefa nandalina tamim-pitandremana kokoa aho. Saintsaino ireto teny mitovy amin’ny dikan’ny andian-teny hoe matoky tena ireto raha ampifandraisina amin’ireo vehivavy matoky tena: “resy lahatra,” “mijery ny lafin-tsaran-javatra,” “tsy misalasala,” “mafy orina,” “tsy mihambahamba,” “sahy,” ary “azo ianteherana.”4

Rehefa nandalina ireo mpamaritra mafonja ireo aho dia nahatsiaro ny anankiroa tamin’ireo vehivavy matoky tena ireo izay nizara fijoroana ho vavolombelona tsara, tsy misy fisalasalana, mafy orina ary tsy mihambahamba momba ny Mpamonjy tao amin’ny Testamenta Vaovao. Na dia vehivavy tsy tonga lafatra mitovy amintsika ihany aza izy ireo dia manentana ny fanahy ny fijoroana ho vavolombelona nananany.

Tadidinareo ve ilay vehivavy tsy voalaza anarana teo amin’ny fantsakana izay nanasa ny hafa hanatona sy hijery ny zavatra nianarany tamin’ny Mpamonjy? Nozarainy tamin’ny endrika fanontaniana iray ny fijoroana ho vavolombelona mifono fahatokian-tena nananany: “Izao angaha no Kristy?”5 Ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy ny fanasana nataony dia tena nahery vaika tokoa ka “maro… no nino Azy.”6

Sary
Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy i Marta

Taorian’ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny, i Marta, ilay mpianatra malala sy naman’ny Tompo dia nanambara tamim-pihetseham-po lehibe hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” Saintsaino ny fahatokian-tenany raha nanohy izy hoe: “Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao.” Nijoro ho vavolombelona koa izy taty aoriana hoe: “Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.”7

Ianarantsika avy amin’ireo rahavavy ireo fa ny vehivavy matoky tena dia mpianatra mifototra amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary manana fanantenana amin’ny alalan’ny fampanantenan’ny sorompanavotany.

Vehivavy matoky tena mitandrina fanekempihavanana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny: Vonona ny hahafoy tena

Nahafoy tena ireo vehivavy matoky tena fahiny rehefa nijoro ho vavolombelona sy niaina ireo fampianaran’i Jesoa izy ireo. Nanao izany koa ireo vehivavy matoky tena tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Anisan’ireo izay nijaly nandritra ny fanenjehana ireo Olomasina tao Clay County Missouri i Drusilla Hendricks sy ny fianakaviany, izay mpikambana vaovao. Nalemy tanteraka ny vadiny nandritra ny ady tao amin’ny Renirano Crooked. Nikarakara irery azy izy ankoatra ny famelomana koa ny fianakaviany.

“Tamin’ny fotoana iray tena nampahory tokoa, rehefa tsy nanan-kohanina ny fianakaviana, dia tsaroany fa nisy feo iray nilaza taminy hoe: ‘Mahandrasa kely fa hanome ny Tompo.”

Rehefa nilaina mba hirotsaka an-tsitrapo ho ao anatin’ny Andia-miaramila Môrmôna ny zanany lahy dia nanohitra i Drusilla sy nitolona tamim-bavaka tamin’ny Tompo tamin’ny voalohany mandra-pisy “tahaka ny feo iray izay niteny taminy hoe: Tsy te hahazo ny voninahitra ambony indrindra ve ianao? Mazava ho azy fa novaliany hoe, eny, izany ary notohizan’ilay feo hoe: Ahoana no hieritreretanao hahazoana izany raha tsy amin’ny alalan’ny fanaovana fahafoizan-tena lehibe”8

Ianarantsika avy amin’ity vehivavy matoky tena ity fa ny fitandremana fanekempihavanana dia mitaky ny fahavononantsika hahafoy tena.

Vehivavy matoky tena ankehitriny: Mahatsiaro sy miomana hankalaza ny fiverenany

Nanonona ireo vehivavy matoky tena tamin’ny andron’ny Mpamonjy sy tamin’ny fotoana niandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara aho, fa ahoana kosa ny amin’ireo ohatra amin’ny maha-mpianatra sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo vehivavy matoky tena amin’izao androntsika izao?

Sary
Rahavavy Burton miaraka amin’ireo rahavavy any Azia

Nandritra ny asa nanirahana ahy vao haingana tany Azia dia nanentana ny fanahiko indray ireo vehivavy matoky tena nifanena tamiko. Talanjona manokana tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany tany Inde sy Malaisie ary Indonésie aho, izay miezaka ny miaina ny kolontsain’ny filazantsara ao an-tokantranon’izy ireo, ary indraindray ao anatin’ny fahafoizan-tena lehibe satria matetika ny fiainana ny filazantsara dia mifanohitra amin’ny kolontsain’ny fianakaviana sy ny firenena. Ireo vehivavy matoky tena avy amin’ny taranaka maro nifandimby any Hong Kong sy Taiwan dia manohy mitahy ny fiainan’ny fianakavian’izy ireo, sy ireo mpikamban’ny Fiangonana ary ireo fiarahamonina amin’ny alalan’ny fijanonana ho mifototra amin’ny Mpamonjy sy ny fahavononana hahafoy tena hitandrina ireo fanekempihavanana. Misy vehivavy matoky tena mitovy amin’izy ireo hita manerana ny Fiangonana.

Sary
Rahavavy Burton miaraka amin’ireo rahavavy any Azia

Ny vehivavy matoky tena iray izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainako nandritra ny taona maro dia niady tamin’ny aretina mikiky sy mafy ary mihombo antsoina hoe myosite à inclusions tato anatin’ny 15 taona lasa. Na dia tsy afa-miala eo amin’ny seza misy kodiarana aza izy dia niezaka ny ho feno fankasitrahana sy mameno tsy tapaka ny “Lisitry ny zavatra azo atao,” lisitr’ireo zavatra izay azony atao, toy ny hoe afaka miaina aho, afaka mitelina aho, afaka mivavaka aho, afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy aho. Saika ho isan’andro izy no mizara amin’ny fianakaviana sy ny namana ny fijoroana ho vavolombelona mifono fahatokian-tena ananany izay mifototra amin’i Kristy.

Vao haingana aho no naheno ny tantaran’i Jenny. Misiônera nahavita asa fitoriana izy ary nisaraka ny ray aman-dreny tao anatin’ny fotoana nanaovany asa fitoriana. Nilaza izy fa “natahotra mafy” raha vao nieritreritra ny fodiany any an-trano. Kanefa tany amin’ny fiafaran’ny asa fitoriana nataony tany Italie, rehefa nijanona tao amin’ny tranon’ny filohan’ny misiôna izy raha an-dalana ho aty Etazonia dia nisy vehivavy matoky tena iray, dia ny vadin’ny filohan’ny misiôna izany, izay nanompo azy tamim-pitiavana tamin’ny alalan’ny fibangoana tsotra fotsiny ny volony.

Taona maro taty aoriana dia nisy vehivavy matoky tena iray hafa, dia i Terry izany, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka sady mpianatr’i Jesoa Kristy, nitondra fitahiana teo amin’ny fiainan’i Jenny rehefa nantsoina ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy i Jenny. Tamin’izany fotoana izany dia teo am-pamitana ny fanoratana ny asa fikarohany i Jenny mba hahazoany ny mari-pahaizana doctorat. Tsy vitan’ny hoe mpanorohevitra an’i Jenny fotsiny tamin’ny naha-mpitarika azy i Terry, fa niara-nipetraka taminy nandritra ny adiny 10 tao amin’ny hopitaly izy rehefa voarain’i Jenny ny valim-pitiliana nampatahotra fa voan’ny homamiadan’ny rà izy. Nitsidika tany amin’ny hopitaly i Terry ary nitondra an’i Jenny tany amin’ireo fotoana amin’ny mpitsabo. Nilaza i Jenny hoe: “Mety imbetsaka aho raha ny eritreritro no nandoa tao anatin’ny fiarany.”

Na dia teo aza ny aretiny dia nanohy nanompotamin-kerimpo i Jenny tamin’ny naha-filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy azy. Na tao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra niainany aza dia niantso an-tariby sy nandefa hafatra ary nandefa emails avy teo am-pandriany izy, ary nanasa ireo rahavavy mba ho tonga hijery azy. Nandefa karatra sy teny kely ho an’ny olona izy, nitia ireo rahavaviny avy lavitra. Rehefa nangataka ny sarin’ny fiadidiana nisy azy ny paroasiny mba ho an’ny tantaran’ny paroasy dia ity no azon’izy ireo. Satria i Jenny dia vehivavy matoky tena tokoa, dia nanasa ny rehetra izy mba hifampizara ny enta-mavesatry ny hafa, anisan’izany ny azy.

Sary
Misatroka ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasy

Amin’ny maha-vehivavy matoky tena an’i Jenny dia nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Tsy vitan’ny hoe eto isika mba hamonjy ny hafa fa mba hamonjy ny tenantsika koa. Ary izany famonjena izany dia tonga avy amin’ny fiarahana miasa amin’i Jesoa Kristy, avy amin’ny fahatakarana ny fahasoavany sy ny Sorompanavotany ary ny fahatsapany fitiavana ho an’ireo vehivavin’ny Fiangonana. Mitranga izany amin’ny alalan’ny zavatra tsotra tahaka ny fibangoana ny volon’ny olona iray; fandefasana teny kely miaraka amin’ny hafatra feno fanantenana sy fahasoavana tena tsara sy mazava ary mitondra fanambarana; na amin’ny famelana ny vehivavy hanompo antsika.”9

Ry rahavavy, rehefa lasa variana, na misalasala, na kivy, na feno fahotana, na malahelo isika na mavesatra ny fanahintsika dia enga anie isika hanaiky ny fanasan’ny Tompo mba hisotro amin’ny rano velony, toy ny nataon’ilay vehivavy matoky tena teo amin’ny fantsakana, ka manasa ny hafa mba hanao toy izany rehefa zaraintsika koa ny fijoroana ho vavolombelona mifono fahatokian-tena ananantsika hoe: “Izao angaha no Kristy?”

Rehefa toa tsy rariny ny fiainana, toy izay mety ho fisehony tamin’i Marta tamin’ny fahafatesan’ny anadahiny: rehefa miaina alahelo avy amin’ny fanirery, na tsy fiterahana, na fahalasan’ny olon-tiana, na fahaverezan’ny fahafahana manambady sy manana fianakaviana, na faharavan’ny tokantrano, na harerahan-tsaina amam-panahy mikiky, na aretin’ny vatana na ny saina, na rarin-tsaina mitambesatra, na fitebitebena, na fiankinan-doha, na olana ara-bola, na karazana zavatra maro mety hitranga , dia enga anie isika hahatsiaro an’i Marta sy hanambara ny fijoroana ho vavolombelona mifono fahatokian-tena ananantsika mitovy amin’izany hoe: “Kanefa fantatro … [ary] mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.”

Sary
Vehivavy teo am-pototry ny hazo fijaliana

Enga anie isika hahatsiaro ireo vehivavy matoky tena marobe izay nanda tsy hanary ny Mpamonjy sarobidintsika nandritra ny zavatra mafy dia mafy niainany teo ambony hazo fijaliana ary ora maro taty aoriana dia nanana tombontsoa ho vavolombelona matoky tena voalohany ny amin’ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra. Enga anie isika ho hita mijanona eo akaikiny amin’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina. Ndeha isika hanatona hanakaiky Azy amin’ny alalan’ny fiomanana sy fandraisana ireo tandindona masin’ny sorompanavotany isan-kerinandro mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy amin’ny fitandremantsika ireo fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa amin’ny fotoam-pahasahiranan’izy ireo. Amin’izay angamba isika dia mety ho anisan’ireo vehivavy matoky tena, mpianatr’i Jesoa Kristy, izay hankalaza ny fiverenany amim-boninahitra rehefa ho avy indray Izy.

Sary
Ny Mpamonjy sy ny Fiaviana Fanindroany

Ry rahavavy, mijoro ho vavolombelona aho momba ny Ray aman-dReny be fitiavana any An-danitra; ny amin’i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika; ary ny amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra ho antsika. Fantatro fa ny Mpaminany Joseph Smith dia voatendry mialoha ho mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra izany. Manana mpaminany velona isika amin’izao androntsika izao, dia ny Filoha Thomas S. Monson. Raha ny amin’ireo fahamarinana ireo dia matoky tena aho! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana: Tamin’ny 1 aprily 2017 dia nisaorana tamin’ny naha-Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana azy Rahavavy Burton.