2010–2019
Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika
Aprily 2017


Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia heniky ny heriny izay homena ireo zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra izay mikatsaka izany amin-kitsim-po.

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, miaina ao anatin’ny fotoampitantanana iray tena sarotra tokoa isika. Feno fahasahiranana sy fifandirana ary fahasarotan-javatra manodidina antsika. Efa hitan’ny Mpamonjy mialoha ireo fotoana misafotofoto ireo. Nampitandrina antsika Izy fa amin’ny androntsika ilay fahavalo dia hamoky ny fon’ny olona amin’ny hatezerana sy hampihahaka azy ireo.1 Kanefa ny Raintsika any An-danitra dia tsy mba nihevitra velively ny hamela antsika hamaha irery ireo olana manokana mampikorontan-tsaina sy ireo olana misy eo amin’ny fiarahamonina.

Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao: nirahiny ny Zanany Lahitokana2 mba hanampy antsika.3 Ary ilay Zanany lahy, i Jesoa Kristy, dia nanome ny ainy ho antsika. Nataony izany rehetra izany mba hahafahantsika mahazo ny herin’ Andriamanitra, hery ampy hizakana ireo enta-mavesatra sy sakantsakana ary fakam-panahy misy amin’izao androntsika izao.4 Anio aho dia te hiresaka mikasika ny fomba ahafahantsika misintona ho eo amin’ny fiainantsika ny herin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpampianatra antsika.

Atombontsika amin’ny fianarana ny momba Azy izany.5 “Tsy azo heverina ny hamonjena [antsika] ao amin’ny tsy fahalalana.”6 Arakaraka ny ahafantarantsika momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy7, izany hoe arakaraka ny ahatakarantsika ny fotopampianarany8 sy ny zavatra nataony ho antsika, no ahafantarantsika bebe kokoa fa Izy dia afaka manome ny hery izay ilaintsika ho an’ny fiainantsika.

Tamin’ny voalohandohan’ity taona ity aho dia nanasa ireo tanoran’ny Fiangonana mba hanokana ampahany amin’ny ny fotoan’izy ireo isan-kerinandro mba handalinana ny zavatra drehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony izay voarakitra ao amin’ireo soratra masina eken’ny Fiangonana.9 Nanasa azy ireo aho mba hanao ireo andinin-tsoratra masina miresaka an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ho fandaharam-pianarana fototra manokan’izy ireo amin’ny fandalinana ny filazantsara.10

Nomeko azy ireo io fanasana io satria ny tenako dia efa nanaiky ny hanao izany. Novakiko sy notsipihiko avokoa ireo andinin-tsoratra masina voalaza ka miresaka momba an’i Jesoa Kristy, izay voatanisa ao amin’ny matoan-kevitra sy ao amin’ireo lohateny kely miisa 57 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.11 Rehefa vitako izany asa mampientanentana izany dia nanontanian’ny vadiko ahy ny fiantraikan’izany tamiko. Nolazaiko azy hoe: “Niova aho!”

Nahatsapa ho nanana fanolorantena vaovao ho Azy aho rehefa namerina namaky indray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ilay teny nambaran’ny Mpamonjy momba ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Hoy Izy:

“Tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana.”12

Isika Olomasin’ny andro farany dia miantso izany iraka nampanaovina Azy izany hoe ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, izay nahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tena misy ho an’ny rehetra ary nanome fahafahana an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy mandray ka mitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana lehibe mba hahazo ny fiainana mandrakizay.

Raha araka ny fotopampianarana dia tsy ampy ny miresaka ny sorompanavotana nataon’ny Tompo amin’ny fampiasana andian-teny fohy toy ny hoe “ny Sorompanavotana” na “ny hery manampy avy amin’ny Sorompanavotana” na “fampiharana ny Sorompanavotana” na “ankaherezin’ny Sorompanavotana.” Ny loza mety haterak’ireo andian-teny ireo dia ny finoana izay mety hivoana ka handray ilay tranga ho toy ny hoe tranga miaina sy mahavita zavatra fa tsy miankina amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Ao anatin’ilay drafitra lehibe sy mandrakizain’ny Ray dia ny Mpamonjy no nijaly. Ny Mpamonjy no namaha ny famatoran’ny ny fahafatesana. Ny Mpamonjy no nanefa ny onitra ho an’ny fahotantsika sy ny fandikan-dalantsika ary mamafa ireny raha toa ka mibebaka isika. Ny Mpamonjy no manafaka antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.

Tsy misy izany olona tsy fantatra endrika antsoina hoe “ny Sorompanavotana” izany izay azontsika antsoina mba hanavotra na hanasitrana na hamela na hanome hery. I Jesoa Kristy no ilay loharanon’izany. Ny teny masina toy ny hoe Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty dia entina hamaritana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy, araka ny drafitry ny Ray mba hahafahantsika manana fanantenana eto amin’ity fiainana ity ary hahazo fiainana mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy. Ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay asa lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra, dia takatra sy ankasitrahana tokoa rehefa ampifandraisintsika mivantana sy mazava tsara Aminy.

Nohamafisin’ny Mpaminany Joseph Smith ny lanjan’ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanambarany mihezinezina fa “ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Jesoa Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”13

Io tenin’ny Mpaminany io mihitsy no nanome risi-po ireo mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara miisa 15 hamoaka sy hanao sonia ny teny vavolombelon’izy ireo ho fankalazana ny faha-2.000 taonan’ny nahaterahan’ny Tompo. Izany teny vavolombelona manan-danja izany dia mitondra ny lohateny hoe “Ilay Kristy Velona.”14 Maro ireo mpikambana no efa nanao tsianjery ny fahamarinana raketin’izany. Ny sasany kosa dia zara raha mahafantatra ny fisiany. Eo am-pikatsahanareo ny hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy dia mamporisika anareo aho handalina ny “Ilay Kristy Velona.”

Rehefa manokana fotoana hianarana ny momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany isika dia manjary voasarika hanao zavatra iray hafa izay ilaina mba hahafahana mahazo ny heriny: misafidy ny hanam-pinoana Azy sy hanaraka Azy isika.

Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao. Izy ireo dia tsy hay tohaina sy be fanolorantena ary be herim-po. Nahare tantara momba ny mpanaradia tahaka izany aho nandritra ny iraka notanterahiko vao tsy ela tany Meksika ka nihaonako tamin’ireo manam-pahefana ara-panjakana sy ireo mpitarika avy amin’ny antokom-pivavahana hafa. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia nisaotra ahy noho ny ezaka mahatalanjona sy mahomby nataon’ireo mpikambana mba hiarovana sy hitandrovana ny fanambadiana sy ny fianakaviana ho matanjaka ao amin’ny firenen’izy ireo.

Tsy misy zavatra mora na mandeha ho azy ny amin’ny fahatongavana ho mpianatra matanjaka toy izany. Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra.15 Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy.16

Vao haingana aho no nahare momba ny zatovovavy ravintsara manam-pahasahiana iray. Nasaina izy handray anjara tamin’ny fifaninanana iray izay nitranga tamin’ny takariva iray izay efa nanolorany tena hanatrehana fivorian’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka. Rehefa tsikariny fa nifanontona ny fandaharam-potoany ka nanazava tamin’ireo mpikarakara ilay fifaninanana izy fa tsy maintsy mandao mialoha ilay fifaninanana mba hanatrehany fivoriana manan-danja iray dia nolazaina azy fa ho voaroaka tsy ho afaka mandray anjara raha manao izany.

Inona hoy ianareo no nataon’ilay zatovovavy ravintsara olomasin’ny andro farany? Notazoniny ny fanolorantena nataony mba handray anjara amin’ilay fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Araka ny nampanantenaina azy dia voaroaka tsy ho afaka mandray anjara tamin’ilay fifaninana izy. Rehefa nanontaniana momba ilay fanapahan-keviny izy dia novaliny tsotra hoe: “Ny Fiangonana no manan-danja kokoa, sa tsy izany?”

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hanao zavatra izay tsy ho vitantsika raha tsy misy izany. Finoana no mandrisika antsika hanao asa izay manampy antsika hahazo hery bebe kokoa avy Aminy.

Mampitombo ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika koa isika rehefa manao fanekempihavanana masina ka mitandrina tsara araka ny tokony ho izy ireo fanekempihavanana ireo. Ireo fanekempihavanana ataontsika dia mamatotra antsika Aminy ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpianatra mahatoky antsika dia mibebaka sy atao batisa tahaka Azy isika. Manao sy mitandrina karazana fanekempihavanana maro isika mba handrosoana mandritra ny diantsika.17 Ary feno fankasitrahana isika fa noho ny drafitry ny Ray dia afaka ny hahazo ireo fitahiana ireo ihany koa ireo razambentsika izay maty tsy nanana fahafahana ny handray ireny fony fahavelony.18

Ny lehilahy sy ny vehivavy mitandrina ny fanekempihavanana dia mitady fomba hihazonana ny tenan’izy ireo tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao mba tsy hisy na inona na inona hanakana ny fahafahan’izy ireo hahazo ny herin’ny Mpamonjy. Vao tsy ela izay dia nisy vady sady reny mahatoky iray nanoratra hoe: “Andro mahory sy mampidi-doza no iainantsika amin’izao. Tena voatahy tokoa isika manana fahalalana bebe kokoa ny amin’ny drafitry ny famonjena sy ny fitarihana nentanim-panahy avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly, ary ireo mpitarika be fitiavana mba hanampy antsika hamakivaky ity ranomasina misamboaravoaran’ny fiainana ity. Natsahatray ny fahazaranay mandefa ny onjam-peo isa-maraina. Nosoloinay fihainoana lahateny iray avy amin’ny fihaonam-be amin’ny findainay izany ankehitriny ho fiomananay ho amin’ny ampitso.”

Singa iray hafa amin’ny fisintonana ny herin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika ny fangatahana amim-pinoana fanampiana avy Aminy. Mitaky ezaka tsy mizarazara sy tsy tapaka izany.

Sary
Ilay vehivavy nanendry ny somotraviavin-damban’ny Mpamonjy

Tadidinareo ve ilay tantara ao anatin’ny baiboly mikasika ilay vehivavy niaritra olana tena nandreraka nandritra ny 12 taona?19 Nampihatra finoana lehibe ny Mpamonjy izy raha nitalaho hoe: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.”20

Ity vehivavy mahatoky sy mifantoka ity dia nila nanao ny ezaka faran’izay tratrany mba hahazoany ny herin’ny Mpamonjy. Ny ezaka ara-batana nataony dia naneho ny ezaka ara-panahy nataony.

Maro amintsika no efa nitoloko tahaka an’ity vehivavy ity tamin’ny teny hafa hoe: “Raha mba ampy mantsy ny ezaka ataoko ara-panahy mba hisintonana ny herin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainako dia ho haiko ny hiatrika ireo toe-javatra mampahory. Ho fantatro ny tokony hataoko. Ary hanana ny hery hanaovana izany aho.”

Rehefa miandrandra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo toy ireny olona mitady hilentika mitady vonjy sy mila rivotra ireny ianareo dia hahazo ny hery avy amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy fa tena miandrandra Azy marina ianareo, rehefa tsapany fa ny fanirianareo lehibe indrindra dia ny hisintona ny heriny ho eo amin’ny fiainanareo, dia hotarihin’ny Fanahy Masina ianareo hahafantatra mazava tsara ny zavatra tokony ataonareo.21

Rehefa manao ezaka ara-panahy mihoatra noho izay efa vitanareo teo aloha ianareo dia hikoriana ao aminareo ny heriny.22 Dia ho takatrareo avy eo ny tena dikan’ireo teny hiraintsika ao amin’ilay fihirana mitondra ny lohateny hoe “Fanahin’ny Ray” manao hoe:

[Mampitombo ny fahatakaran’ny Olomasina ny Tompo.] …

Mitombo ny fahalalana ny heriny,

Misinda ny voaly nanarona teo.23

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia heniky ny heriny izay homena ireo zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra izay mikatsaka izany amin-kitsim-po. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa misintona ny heriny ho eo amin’ny fiainantsika isika dia hiara-paly Izy sy isika.24

Amin’ny maha-iray amin’ireo vavolombelony manokana ahy dia manambara aho fa velona Andriamanitra! Jesoa no Kristy! Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fiangonany! Ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao ary manohana azy amin’ny foko manontolo aho. Izany no ijoroako ho vavolombelona omban’ny fitiavana sy tsodrano ho an’ny tsirairay avy aminareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 2 Nefia 28:19–30.

  2. Jereo ny Jaona 3:16.

  3. I Jesoa Kristy no Ilay Voahosotra, voahosotry ny Ray any An-danitra mba ho solontenany manokana amin’izay zavatra rehetra mahakasika ny famonjena ny zanak’olombelona. I Jesoa dia voahosotra mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra anstika. Talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, i Jesoa Kristy dia voahosotra mba hanome antoka fa handray ny tsy fahafahatesana ho eo aminy avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ary ho afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo (jereo ny Jaona 17:24; 1 Petera 1:20). Noho izany dia mitondra anarana roa miavaka i Jesoa: ilay Mesia (Hebreo) ary ilay Kristy (Grika)—izay samy midika hoe “voahosotra.” (Jereo ny Bible Dictionary, “Anointed One.”)

  4. Afaka miaro ny tenantsika amin’ny alalan’ny fahafantarana sy ny fiainana ny tenin’ Andriamanitra isika (jereo ny Efesiana 6:17–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:18).

  5. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Rainy no namoronan’i Jesoa Kristy ny tany (jereo ny Jaona 1:2–3) sy ireo tontolo hafa tsy hita isa (jereo ny Mosesy 1:33). Ela be talohan’ny naterahany teto an-tany dia i Jesoa Kristy no ilay Jehovah lehibe, Andriamanitry ny Testamenta Taloha. I Jehovah no ilay niresaka tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitr’i Sinay. I Jehovah no nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama fa ny firenena rehetra dia hotahiana amin’ny alalan’ny fitohizany taranak’i Abrahama. Ary i Jehovah no nanao fanekempihavanana tamin’ny fianakavian’ny mpianakavin’Israely. I Jesoa no ilay Imanoela nampanantenaina araka ny naminanian’Isaia (jereo ny Isaia 7:14).

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:6.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41.

  8. Jereo ny 2 Nefia 31:2–21.

  9. Baiboly masina, Bokin’ny Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy.

  10. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy.” Ankoatra ireo lahatsoratra eo ambanin’io teny fanolorana lehibe io dia misy lohateny kely hafa miisa 57 miresaka momba Azy. Ho an’ireo soratra masina tsy natonta tamin’ny teny anglisy dia ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  11. Mihoatra ny 2.200 ny isan’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ireo pejy miisa 18 an’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo.

  12. 3 Nefia 27:13–14.

  13. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 49.

  14. Jereo ny “Ilay Kristy Velona: Ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly,” Liahona, apr. 2000, 2–3.

  15. Jereo ny Helamàna 8:15.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  17. I Jesoa Kristy dia nampiantra antsika ny maha-zava-dehibe ireo ôrdônansy masina toy ny batisa (jereo ny Jaona 3:5), ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9), ary ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana ny fianakaviana any amin’ny tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:39–42).

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29–32.

  19. Jereo ny Lioka 8:43–44.

  20. Marka 5:28.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63.

  22. Rehefa nikasika ny lamban’i Jesoa Kristy ilay vehivavy mahatoky dia novaliany avy hatrany hoe: “Nisy olona nanendry Ahy: fa fantatro fa nisy hery [avy amin’ny teny Grika hoe dunamis, izay midika hoe “hery”] nivoaka avy amiko” (Lioka 8:46; nampiana fanamafisana).

  23. “Fanahin’ny Ray,” Fihirana, faha-56.

  24. Jereo ny 3 Nefia 17:20.