2010–2019
Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra
Aprily 2017


Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra

Tian’ Andriamanitra hody indray ny zanany, ao anatin’ny fianakaviana ary feno voninahitra.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, faly aho noho ny fananana fahafahana miaraka aminareo amin’ny fiantombohan’ity fivoriana iray ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Miarahaba anareo amim-pitiavana lehibe aho.

Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia fotoana hiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany foana hatrizay. Efa ela isika no tsy afaka niara-niangona mivantana tao anatin’ny toerana iray noho ny hamaroantsika, saingy nanome fomba ny Tompo mba hahatongavan’ireo fitahian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany any aminareo na aiza na aiza misy anareo. Na dia mahavariana azy ny mahita ny Olomasina tafangona ato amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity, izahay izay mijoro ety amin’ny polipitra ety dia maka sary ao an-tsainay foana ireo olona an-tapitrisany izay tafangona miaraka aminay manerana an’izao tontolo izao mba hijery sy hihaino ny fihaonambe. Maro aminareo no tafangona miaraka amin’ny fianakavianareo. Ny sasany mety tafangona miaraka amin’ny namana na amin’ireo mpiara-mivavaka.

Na aiza na aiza misy anareo ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no ahenoanareo ny feoko, dia aoka ho fantatrareo fa na dia tsy miaraka aminay mivantana eto aza ianareo dia tsapanay fa miaraka aminay eto ny fanahinareo. Manantena izahay fa hahatsapa ho iray miaraka aminay ianareo, ka ho tsapanareo ny hery ara-panahy izay tonga isaky ny misy vondrona mpino izay tafangona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Nisy bitsika nanosika ahy hiresaka aminareo mikasika ny karazana fanangonana iray hafa androany. Io karazany iray io dia tsy hoe isaky ny enim-bolana ihany vao miseho toy ny ataon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Fa nitohy foana kosa izany nanomboka tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana ary nihahaingana tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa. Ny resahiko eto dia ilay asa fanangonana ny fianakavian’ Andriamanitra.

Mba hamaritana io fanangonana io dia mety tena tsara ny hanombohana izany tany amin’ny fotoana talohan’ny nahaterahantsika, talohan’ilay antsoin’i Baiboly hoe “tamin’ny voalohany” (Genesisy 1:1). Tamin’izany fotoana izany dia niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra isika, ary fanahy zanany isika. Marina izany ho an’ny olona rehetra izay efa niaina teto an-tany.

Hitanareo, ny anarana hoe “rahalahy” sy “anabavy” dia tsy hoe entina mba hifampiarahabana amim-pitiavana fotsiny na teny maneho fitiavana izay ifampiantsoantsika. Maneho fahamarinana mandrakizay izy ireo: Rain’ny olombelona rehetra ara-bakiteny Andriamanitra. Anisan’ny ao anatin’ilay fianakaviany mandrakizay isika tsirairay avy. Satria tia antsika amin’ilay fitiavana ananan’ny Ray tonga lafatra iray Izy, dia tiany hivoatra sy handroso ary ho tonga tahaka Azy isika. Nanorina drafitra iray Izy ka amin’ny alalan’izany dia ho tonga ety an-tany isika, ao anatina fianakaviana ary hiaina zavatra izay hanomana antsika hiverina any Aminy sy hiaina ny fomba fiainany.

Ny singa fototr’io drafitra io dia ilay fampanantenana fa hanolotra ny tenany ho sorona mihitsy i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Ny adidintsika ao amin’izany drafitra izany dia ny manaiky ny sorona nataon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara. Nanaiky izany drafitra izany izaho sy ianao. Raha ny marina dia faly tamin’izany isika na dia nidika aza izany fa hiala tsy ho eo anatrehan’ny Raintsika isika ary hanadino izay zavatra niainantsika niaraka taminy.

Tsy nalefa tety tao anatin’ny haizina tanteraka anefa isika. Nomena ampahany amin’ny fahazavan’ Andriamanitra isika tsirairay izay antsoina hoe “Fahazavan’i Kristy,” mba hanampiana antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Izay no antony hoe, na dia ny olona miaina ao anatin’ny tsy fananana afa-tsy fahalalana kely momba ny drafitry ny Ray na ao anatin’ny tsy fananana izany mihitsy aza dia mbola afaka mahatsapa, ao am-pony, fa misy zavatra atao izay ara-drariny sy mendrika ary misy zavatra hafa izay mifanohitra amin’izany.

Rehefa mitaiza ny zanatsika isika no toa tena mahery vaika ny fahalalantsika ny tsara sy ny ratsy. Efa voajanahary ao amin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ilay faniriana mba hampianatra ny zanany ireo soatoavina ara-pitondrantena. Anisan’ny fahagagana avy amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra izany. Tiany ho tonga ety an-tany ny zanany ka hanaraka ilay lamina mandrakizain’ny fianakaviana izay misy any an-danitra. Ny fianakaviana no vondrona fototra voalamina any an-danitra ary kasainy ho izy ireo koa no vondrona fototra eto an-tany. Na dia lavitry ny fahalavorariana aza ireo fianakaviana eto an-tany dia manome tombontsoa tena tsara ho an’ny zanak’ Andriamanitra izy ireo mba hotsenaina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ilay hany fitiavana eto an-tany izay manakaiky ilay tsapantsika tany an-danitra, dia ny fitiavan’ny ray aman-dreny izany. Amin’ny alalan’ny fianakaviana koa no fomba tena tsara hiarovana sy hampitana ireo soatoavina ara-pitondrantena ary ireo fitsipika marina izay tena hitondra antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Tena vitsy an’isa ireo zanak’ Andriamanitra izay mahazo mandritra ity fiainana ny fahatakarana feno momba ny drafitr’ Andriamanitra, sady manana fahafahana hampiasa ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy hanao fanekempihavanana mba hahatonga ny sorompanavotan’ny Mpamonjy hiasa tanteraka eo amin’ny fiainantsika. Mety miaina amim-pahatokiana araka ny fahazavana izay ananany ireo izay manana ray aman-dreny tena miavaka saingy tsy mbola nandre mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany na nasaina mba hatao batisa amin’ny anarany izy ireo. Marina izany ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika maro tsy tambo isaina teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Mety mihevitra ny sasany fa tsy rariny izany. Mety ho raisin’izy ireo ho porofo mihitsy aza izany fa tsy misy drafitra na zavatra takina manokana mba hahazoana famonjena, ka mahatsapa izy ireo fa ilay Andriamanitra marina sy be fitiavana dia tsy hamorona drafitra iray izay natao ho an’ny ampahany kely amin’ny zanany toy izany. Ny sasany mety hino fa efa notapahan’ Andriamanitra mialoha izay zanany hovonjeny ka nomeny fahafahana handray ny filazantsara izy ireo, ary ireo izay tsy nandre velively ny filazantsara dia tsy “voafidy” tsotra fotsiny.

Saingy izaho sy ianao dia mahafantatra fa noho ireo fahamarinana naverina tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia mifono fitiavana bebe kokoa ary mihoatra lavitra noho izany ny drafitr’ Andriamanitra. Maniry ny hanangona sy hitahy ny olona rehetra ao anatin’ny fianakaviany ny Raintsika any an-danitra. Na dia fantany aza fa tsy izy rehetra akory no hisafidy ny hangonina, dia manome fahafahana ho an’ny zanany tsirairay ny drafiny mba hanaiky na handà ny fanasany. Ary ny fianakaviana no anisan’ny ivon’izany drafitra izany.

Taonjato maro lasa izay dia nilaza ny mpaminany Malakia fa ho avy ny andro izay hanirahan’ Andriamanitra an’i Elia mba “hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy” (Malakia 4:6).

Tena manan-danja io faminaniana io ka nolazain’ny Mpamonjy izany rehefa namangy an’i Amerika Izy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 3 Nefia 25:5–6). Ary rehefa novangian’ny anjely Môrônia ny Mpaminany Joseph Smith, dia nolazainy koa ilay faminaniana mikasika an’i Elia sy ny fo, ary ny ray sy ny zanaka (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:36–39).

1 aprily androany. Afaka roa andro, ny 3 aprily, dia manamarika ny faha-181 taona nitsingeranan’ny andro izay nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia. Tena tonga i Elia tamin’io andro io ary nanome an’i Joseph Smith ny herin’ny fisoronana hamehezana mandrakizay ny fianakaviana (jereo ny F&F 110:13–16).

Nanomboka tamin’io andro io ka hatramin’izao dia nitombo faran’izay haingana ny fahalianan’ny olona hikaroka ny tantaram-pianakaviany. Toa mihavoasarika haingana dia haingana foana amin’ny razambeny ny olona fa tsy entin’ny fahalianana tsotra fotsiny. Nipoitra manerana an’izao tontolo izao ireo toerana misahana ny tetiarana sy fikambanana ary teknôlôjia mba hanohanana izany fahalianana izany. Ny herin’ny internet eo amin’ny fampivelarana ny fifandraisana dia nanome fahafahana ny fianakaviana hiara-hiasa mba hanao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana amin’ny hafainganam-pandeha sy fikalikaliana tsy ho tanteraka velively raha taloha.

Nahoana no mitranga daholo izany rehetra izany? Ny teny tsara kokoa azontsika iantsoana izany dia ny hoe ny “fanahin’i Elia.” Azontsika antsoina koa hoe “fahatanterahan’ny faminaniana” izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tonga i Elia. Ny fon’ny zanaka, ny foko sy ny fonao, dia nipody tany amin’ny raintsika izay ireo razambentsika. Ny fahatsapanao fitiavana an’ireo razambenao dia anisan’ny fahatanterahan’ilay faminaniana. Mitoetra lalina ao anatin’ilay fahalalanao hoe iza ianao izany. Saingy mifono zavatra bebe kokoa noho ny fampahalalana momba ny haitaranaka izay nolovainao izany.

Ohatra, rehefa manaraka ny bitsika mba hianatra mikasika ny tantaram-pianakavianao ianao, dia mety hahita havana lavitra izay mitovy endrika aminao na tia boky toa anao na manana talenta eo amin’ny fihirana toa anao. Mety tena hahaliana sy hitondra zava-baovao mihitsy aza izany. Saingy rehefa mijanona hatreo ny asa ataonao dia ho tsapanao fa misy zavatra tsy ampy. Ny antony dia satria mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fahatsapan-javatra tsara ny fanangonana sy ny fampiraisana ny fianakavian’ Andriamanitra. Mitaky fanaovana fanekempihavanana masina izay mifandray amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana izany.

Maro amin’ireo razambenao no tsy nandray ireo ôrdônansy ireo. Saingy nanome fomba ahafahanao manatanteraka izany Andriamanitra. Ary fantatr’ Andriamanitra fa hanana fahatsapana ho lasa manam-pitiavana an’ireo razambenao ianao ary hanana ny teknôlôjia ilaina mba hitadiavana azy ireo. Fantany koa fa ianao dia hiaina ao anatin’ny fotoana iray hampitombo bebe kokoa noho ny hatramin’izay teo amin’ny tantara, ny fahafahana mandeha any amin’ny tempoly, izay toerana ahafahana manatanteraka ôrdônansy. Ary fantany fa afaka matoky anao Izy amin’ny fanatanterahana ity asa ity ho an’ny razambenao.

Mazava ho azy fa isika rehetra dia manana andraikitra maika sy manan-danja maro izay ilaina ifantohantsika sy mitaky ny fotoantsika. Isika rehetra dia mahita ny ampahan’ny zavatra izay andrasan’ny Tompo mba hataontsika ho mihoatra ny fahaiza-manaontsika. Soa ihany fa manome fomba ho antsika tsirairay ny Tompo mba hahazoana fahatokian-tena sy fahafaham-po ao anatin’ireo asa rehetra ataontsika, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana. Mahazo hery hanao izay angatahiny isika amin’ny alalan’ny finoantsika fa ny Mpamonjy dia tsy manome didy “raha tsy efa nanomana lalana ho [antsika] mba hahazoan[tsika] manatontosa ny zavatra izay andidiany [antsika]” (1 Nefia 3:7).

Fantatro fa marina izany tamin’ny alalan’ny zavatra niainako. Fony aho mpianatra tany amin’ny oniversite, taona maro lasa izay, dia nihaona tamin’ny lehilahy iray izay niasa tao amin’ny orinasa izay anisan’ny lehibe indrindra mpanamboatra solosaina. Tany am-piandohan’ny fikirakirana solosaina izany ary nifanojo tampoka tamin’ny fotoana nanirahan’ny orinasany azy hivarotra solosaina amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Raha ny fahitako azy dia tsy mpikambana any amina antokom-pivavahana io lehilahy mpivaro-mandeha io. Kanefa dia nilaza tamim-pahatalanjonana sy tamim-pahagagana izy hoe: “Ao amin’io fiangonana io dia manao ilay antsoin’izy ireo hoe -tetiarana- izy ireo, ka mikaroka ny anaran’ireo olona izay maty sy miezaka mitady ny razambeny. Mihodinkodina mihazakazaka eny anelanelan’ny lalimoara vatasarihana izay fampirimana taratasy ny olona, indrindra fa ny vehivavy, ary mitady fampahalalana amin’ny alalan’ireo karatra kely.” Raha tsaroako tsara dia nilaza izy fa nanao kiraro entina manao fanatanjahantena ireo vehivavy mba hahafahan’izy ireo mihazakazaka haingana kokoa. Hoy izy avy eo hoe: “Rehefa hitako ny halehiben’ny zavatra ezahin’izy ireo atao dia tsapako fa nahita ny antony nanamboarana ny solosaina aho.”

Amin’ny ampahany dia marina ny azy. Ho ampahany manan-danja amin’ny hoavin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana ny solosaina, fa tsy ireo solosaina izay namidiny anefa. Nisafidy ny tsy hividy ny solosainy ny mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana izay nentanin’ny Fanahy. Tsy maintsy niandry teknôlôjia izay mbola tsy azo sary an-tsaina akory tamin’izany fotoana izany ny Fiangonana. Saingy nianatra aho nandritra ny taona maro nanomboka tamin’izay fa na dia ny teknôlôjia tsara indrindra aza dia tsy afaka manolo velively ny fanambarana avy an-danitra tahaka ny voarain’io mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana io. Asa ara-panahy ity ary ny Tompo no mitantana izany amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina.

Nanao asa momba ny tantaram-pianakaviako aho vao herinandro vitsivitsy lasa izay, niaraka tamin’ny mpanorohevitra iray teo akaikiko ary olona mpanampy iray hafa miresaka amin’ny telefaonina. Nisy olana tsy haiko novahana teo amin’ny efijerin’ny solosaina teo anoloako. Nahita anaran’olona anankiroa mety miandry ôrdônansy any amin’ny tempoly aho izay nalefa tamiko tamin’ny alalan’ny zava-mahatalanjona vitan’ny teknôlôjia. Ny olana dia tsy nitovy ireo anarana saingy nisy antony iray ninoana fa mety ho olona iray ihany izy ireo. Ny hamantatra izay marina no andraikitro.

Nanontaniko ireo mpanoro-hevitra mba hilaza amiko izay marina. Nilaza izy ireo hoe: “Tsia, tsy maintsy misafidy ianao.” Ary azon’izy ireo antoka tanteraka fa hahita ny marina aho. Navelan’ilay solosaina miaraka amin’ny heriny sy ny fampahalalana ao aminy ho ahy ny fitahiana mba handinika ireo anarana ireo teo amin’ny efijery, hanombantombanana ny fampahalalana nisy, hanao fikarohana hafa sy hivavaka mangina ary hitady izay marina. Rehefa nivavaka aho dia nahafantatra tamim-pahatokian-tena ny zavatra tokony hatao, toy ny nataoko tao anatin’ireo toe-javatra hafa rehefa nila niantehitra tamin’ny fanampiana avy any an-danitra mba hamahana olana iray.

Tsy fantatsika hoe hoentanin’ Andriamanitra hamorona zava-mahatalanjona inona ny olona mba hitondrana fanampiana eo amin’ny asa fampivondronana ny fianakaviany. Kanefa na inona na inona harimpamoronana mahatalanjona mety ho avy dia hitaky ny Fanahy mba hiasa ao amin’ny olona tahaka ahy sy ianao izany. Tsy tokony hahataitra antsika izany. Raha ny marina dia zanakalahy sy zanakavavy malalan’ Andriamanitra izy ireo. Handefa izay mety ho fanentanam-panahy ilaina mba hanomezana fahafahana azy ireo hiverina any Aminy Izy.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nandray andraikitra tamin’ny fomba tena tsara teo anatrehan’ny fanahin’i Elia ny zatovon’ny Fiangonana. Maro amin’izao fotoana izao no mihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ampiasaina amin’ny fotoana voafetra ary mampiasa izany matetika. Miasa be kokoa noho ny hatramin’izay ireo toerana fanaovana batisa any amin’ny tempoly. Ny tempoly sasany aza tsy maintsy nanamboatra ny fandaharam-potoany mba handraisana ireo zatovo mihamitombo isa izay mandeha any amin’ny tempoly.

Taloha dia mahalana saingy zavatra miavaka raisina an-tanan-droa ny fitondran’ny zatovo ny anaran’ireo razambeny any amin’ny tempoly. Amin’izao fotoana izao dia zavatra miseho mahazatra izany ary tena matetika ireo zatovo mihitsy no mahita ireo razambe ireo.

Ankoatra izany dia zatovo maro no nahita fa nahatonga ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny drafitry ny famonjena ho lasa lalim-paka ny fanoloran’izy ireo fotoana hanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly. Nampitombo ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo izany ary nampihena ny fitarihan’ny fahavalo. Nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny fianakaviany sy ho akaiky kokoa ny Tompo Jesoa Kristy izany. Nianatra izy ireo fa ity asa ity dia tsy hoe manavotra fotsiny ny maty fa manavotra antsika rehetra (jereo ny F&F 128:18).

Nahatakatra an’ilay tanjona tamin’ny fomba mahavariana ny zatovo ary mila manao izany koa ny ray aman-drenin’izy ireo ankehitriny. Maro ireo olona nanaiky ny batisa any amin’ny tontolon’ny fanahy noho ny asa nataon’ny zatovo, ary miandry ireo ôrdônansy hafa izy ireo izay ny olon-dehibe ihany no afaka manatanteraka azy any amin’ireo tempoly eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ny asa fanangonana ny fianakavian’ny Ray any an-danitra dia tsy natao ho an’ny tanora fotsiny ary tsy natao ho an’ny raibe sy renibe fotsiny. Natao ho an’ny olona rehetra izany. Mpanangona daholo isika rehetra.

Asan’izao taranaka misy antsika izao izany izay nantsoin’ny Apôstôly Paoly hoe “fitantanana ny fotoam-pahafenoana,” izay fotoana nolazainy fa “hanangonan’ [Andriamanitra] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, dia ho ao aminy” (Efesiana 1:10). Tanteraka izany amin’ny alalan’ny asa mifono sorona nataon’ilay Zanaka Malalan’ Andriamanitra, i Jesoa Kristy. Noho Izy, ireo olona ao anatin’ny fianakaviantsika, “izay lavitra fahiny dia efa [nampanakekezin’ny] ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika, Izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana” (Efesiana 2:13–14). Efa nahatsapa izany ianao toy ny nahatsapako izany rehefa niaina fitomboan’ny fitiavana tamin’ny fijerenao sarin’ny razambe iray. Nahatsapa izany ianao tany amin’ny tempoly rehefa toa mihoatra noho ny anarana fotsiny ilay anarana eo amin’ilay karatra ary tsy hainao ny tsy hahatsapa fa mahafantatra ny fisianao io olona io ary mahatsapa ny fitiavanao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tian’ Andriamanitra hody indray ny zanany, ao anatin’ny fianakaviana ary feno voninahitra. Velona ny Mpamonjy. Mitantana sy mitahy ity asa ity Izy ary miambina sy mitarika antsika. Misaotra anareo Izy noho ny asa feno fahatokiana ataonareo eo amin’ny fanangonana ny fianakavian’ny Rainy ary mampanantena anareo aho fa hahazo ilay fanampiana tena tsara izay katsahinareo sy ilainareo ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.