2010–2019
Mba hahatonga ny fahazavantsika ho faneva ho an’ireo firenena
Aprily 2017


Mba hahatonga ny fahazavantsika ho faneva ho an’ireo firenena

Ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia manome antsika fahafahana maro mba hahatonga ny fahazavantsika ho anisan’ny faneva lehibe ho an’ireo firenena.

Taona maro lasa izay fony aho mpampianatra seminera dia naheno ny iray tamin’ireo mpiara-miasa tamiko nangataka ny mpianany mba hieritreritra an’ity fanontaniana manaraka ity: Raha niaina tamin’ny andron’ny Mpamonjy ianao dia nahoana araka ny eritreritrao no ho nanaraka Azy toy ny iray tamin’ireo mpianany ianao? Namoaka fehin-kevitra izy ireo fa izay manaraka ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao sy miezaka ny ho mpianany dia ho tena nanaraka ny Mpamonjy raha niaina tamin’izany fotoana izany.

Nanomboka tamin’izay dia nisaintsaina izany fanontaniana izany sy ny fehin-kevitr’izy ireo aho. Manontany tena aho matetika hoe inona no ho zavatra tsapako raha mba nandre ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy nilaza izao manaraka izao aho nandritra ny Toriteny teo an-tendrombohitra:

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

“Ary koa tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany.

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” (Matio 5:14–16).

Azonareo alaina sary an-tsaina ve ny zavatra mety ho tsapanareo raha nahare ny feon’ny Mpamonjy ianareo? Raha ny marina dia tsy mila maka sary an-tsaina isika. Efa lasa zavatra iainana tsy tapaka ho antsika ny mandre ny feon’ny Tompo satria rehefa mandre ny feon’ireo mpanompony isika dia iray ihany izany.

Tamin’ny 1838, dia nanambara izao manaraka izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo, izay hafatra nitovy tamin’ilay nomena nandritra ny Toriteny teo an-tendrombohitra:

“Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

“Lazaiko marina tokoa aminareo rehetra: Mitsangàna ary mamirapirata mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena” (F&F 115:4–5).

Tena miavaka izao andro iainantsika izao ka dia naseho tamin’ny mpaminany Isaia mihitsy izany tao anatin’ny fahitana. Izy koa dia nahita sy naminany izao andron’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izao sy ny tanjony ka nilaza hoe: “Dia hanangana faneva ho an’ny jentilisa Izy, ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely avy any amin’ny vazan-tany efatra” (Isaia 11:12).

Ao anatin’ny sahan-kevitra ara-tsoratra masina ny atao hoe faneva dia saina iray izay ivondronan’ny olona ao anatin’ny tanjona iray ny manodidina azy. Fahiny ny faneva dia nampiasaina hamoriana ireo miaramila any an’ady ho eo amin’ny toerana iray. Raha resahina an’ohatra dia ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no faneva ho an’ny firenena rehetra. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ensign,” scriptures.lds.org.)

Tsy isalasalana fa iray amin’ireo faneva lehibe amin’izao andro farany izao ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tena tsara dia tsara ity, izay hanambarana tsy tapaka ilay asa sy drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra mba “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ny fitohizan’ny fanatanterahana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia iray amin’ireo fijoroana ho vavolombelona tena lehibe momba ny hoe, isika Olomasin’ny Andro Farany dia “mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).

Inona ary ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha Thomas S. Monson izay ilaintsika tohizina ny fanaovana azy mba hahatonga ny fahazavantsika ho faneva ho an’ireo firenena? Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra manan-danja tokony hatao ao anatin’izao fotoana mamirapiratra hanorenana an’i Ziona sy hanangonana an’i Isiraely izao?

Nambaran’ny Tompo antsika foana “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra …, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nefia 28:30) ny sitrapony. Noho izany dia tsy tokony ho taitra amin’izay mety ho toy ny zavatra kely isika noho ny endriny tsotra sy miverimberina, satria ny Tompo dia efa nanoro hevitra antsika rehefa niteny tamintsika hoe: “sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy; fa izay mandray no homeko bebe kokoa” (2 Nefia 28:30).

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fianarana “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” sy amin’ny alalan’ny fanarahantsika ny torohevitr’ireo mpitarika antsika dia hanana solika ampy ho an’ireo fanalantsika isika izay hahafahantsika hanome fahazavana ho an’ny hafa araka ny nandidian’ny Tompo antsika.

Raha maro ireo zavatra azontsika atao mba ho fahazavana sy faneva ho an’ny hafa dia te hifantoka amin’ireto telo manaraka ireto aho: manaja ny andro Sabata, manafaingana ny asa famonjena eo amin’ny lafy roan’ny voaly, ary mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Ny fahazavana izay resahintsika eto dia avy amin’ny fitsaohana asehontsika amin’ny fanajana ny andro Sabata any am-piangonana ary koa any an-trano. Io ilay fahazavana izay mitombo rehefa miaro ny tenantsika tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao isika. Io ilay fahazavana avy amin’ny fanaterana ny fanati-pisaorantsika amin’ny androny masina sy avy amin’ny fanatanterahana ny fanompoana ny Avo Indrindra. Ireo zavatra rehetra ireo dia hanome fahafahana antsika mba hanana ny Fanahiny mandrakariva miaraka amintsika. Io fahazavana io no ilay mitombo sy lasa hita rehefa mody indray isika miaraka amin’ny fahatsapana ho voavela heloka izay noresahin’ny Filoha Henry B. Eyring nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana ôktôbra lasa teo hoe: “Amin’ireo fitahiana rehetra azontsika isaina, ny lehibe indrindra dia ny fahatsapana ho voavela heloka izay tonga rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa ho an’ny Mpamonjy isika, izay ny sorompanavotany lehibe no hahafahantsika ho voadio amin’ny fahotana” (“Ny fankasitrahana amin’ny andro Sabata, Liahona, nôv. 2016, 100).

Rehefa mihazona ny andro Sabata ho masina isika sy mandray ny fanasan’ny Tompo dia tsy hoe madio fotsiny isika fa mihamazava koa ny fahazavantsika.

Mitombo koa ny fahazavantsika rehefa manokana fotoana hitadiavana ny anaran’ireo razambentsika sy hitondrana ny anaran’izy ireo any amin’ny tempoly ary hampianarana ny fianakaviantsika sy ny hafa mba hanao izany koa isika.

Ity fanaovana asa any amin’ny tempoly masina sy tantaram-pianakaviana ity izay iarahantsika manatanteraka amin’ireo Olomasina eo amin’ny lafy roan’ny voaly dia mandroso bebe kokoa noho ny hatramin’izay noho ny fanorenana ireo tempolin’ny Tompo. Amin’izao fotoana izao, noho ny fananan’ny tempoly fandaharam-potoana manokana ho an’ny vondrom-pianakaviana izay tonga miaraka amin’ny karatra azy ireo manokana misy ny anaran’ny fianakaviany, dia niaina zavatra tena nahafinaritra izahay mivady rehefa niaraka nanao asa fanompoana tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny zanakay sy ny zafikelinay.

Rehefa mahita sy mitondra anarana any amin’ny tempoly isika ary mampianatra ny hafa ny fomba fanaovana izany koa dia miaraka mamiratra toy ny faneva isika.

Ny mianatra mampianatra araka ny nampianaran’ny Mpamonjy dia fomba iray hafa ahafahantsika mitsangana sy mamirapiratra. Miara-paly amin’ireo rehetra izay mianatra ny fomba fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy aho. Mamelà ahy ianareo hamaky ny voasoratra eo amin’ny fonon’ilay boky fampianarana vaovao: “Ny tanjon’ny mpampianatra filazantsara rehetra, ny ray na reny rehetra, ny mpampianatra voantso manokana rehetra, ny mpampianatra isan-tokantrano sy mpamangy isan-tokantrano rehetra ary ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra, dia natao hampianatra ny fotopampianarana madion’ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy mba hahafahana manampy ny zanak’ Andriamanitra hanorina finoana ao amin’ny Mpamonjy sy hitovy bebe kokoa Aminy.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016]).

Amin’izao fotoana izao dia an’arivony amin’ireo mpampianatsika mahatoky no mihazona fahazavana rehefa mianatra ny fomba hampianarana araka ny Mpamonjy izy ireo. Ao anatin’izany toe-javatra izany, ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra vaovao dia fomba iray hitsanganana sy hamirapiratana rehefa mianatra mikasika ny fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy ny mpianatra satria “ny fanalahidin’ny hoe mampianatra tahaka ny nampianaran’ny Mpamonjy dia ny fiainana tahaka ny niainan’ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 4).

Rehefa mampianatra sy mianatra araka ny fombany isika ary lasa mitovy bebe kokoa Aminy, dia mihamazava ny fahazavantsika sy tsy azo afenina ary lasa faneva ho an’ireo izay mitady ny fahazavan’ny Mpamonjy.

Ry rahalahy sy ranabavy malala isany, tsy tokony hanafina ny fahazavantsika isika. Nandidy antsika ny Mpamponjy antsika mba hamela ny fahazavantsika hamiratra toy ny tanàna eo amin’ny havoana iray na toy ny jiro eo amin’ny fitoeran-dabozia iray. Rehefa manao izany isika dia hanome voninahitra ny Raintsika any An-danitra. Ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia manome antsika fahafahana maro mba hahatonga ny fahazavantsika ho anisan’ny faneva lehibe ho an’ireo firenena.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no fahazavana izay tokony ho hita taratra ety amintsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.