2010–2019
Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika
Aprily 2017


Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika

Ireo toetra isan-karazany izay vokatry ny finoana an’i Kristy dia ilaina avokoa mba hijoroana ho mafy orina amin’izao andro farany izao.

Inona no dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? Ny atao hoe mpianatra dia olona vita batisa sy vonona ny hitondra eo aminy ny anaran’ny Mpamonjy ary manaraka Azy. Ny mpianatra dia miezaka ny hitovy Aminy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny mandritra ny fiainana an-tany, tahaka ireny mpianatra manao izay hitovizany amin’ny tompony ireny.

Betsaka ny olona raha mandre ny teny hoe mpianatra no mihevitra fa midika hoe “mpanaradia” izany. Fa ny tena hoe mpianatra dia toetra. Midika izany fa mila manao mihoatra ny fandalinana sy fampiharana lisitry ny toetran’ny tena manokana. Ny mpianatra dia manao izay hahatonga ny toetoetran’i Kristy ho tafiditra ao anatin’ny toetrany, tahaka ny temitra ara-panahy.

Henoy ny fanasan’ny Apôstôly Petera mba ho lasa mpianatry ny Mpamonjy:

“Manaova izay zotom-po rehetra … hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,

“Ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra;

“Ary amin’ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.”1

Araka ny hitanareo dia mitaky mihoatra ny kofehy iray ny fanenomana ny temitra ara-panahy. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy dia maro ireo izay nilaza ho marina tamin’ny lafiny iray na hafa teo amin’ny fiainany Nanao ilay nantsoiko hoe fankatoavana amin’ny ampahany izy ireo. Ohatra, nitandrina ilay didy hitsahatra amin’ny asa rehefa amin’ny Sabata izy ireo kanefa nitsikera ny Mpamonjy noho ny fanasitranany tamin’izany andro masina izany.2 Nanome ny mahantra izy ireo saingy tsy nanolotra afa-tsy izay nihoatra tany aminy, izay zavatra tsy nilain’izy ireo.3 Nifady hanina izy ireo nefa tamin’ny endrika malahelo fotsiny ihany.4 Nivavaka izy ireo saingy nivavaka mba ho hitan’ny olona.5 Hoy i Jesoa hoe: “Manatona Ahy amin’ ny molony izy ireo nefa lavitra Ahy ny fony.”6 Mety hifantoka amin’ny fifehezana toetra iray na asa iray manokana ny olona toy ireny saingy tsy voatery ho tonga tahaka Azy ao am-pony.

Hoy ny nambaran’i Jesoa momba ireny:

“Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?

“Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.”7

Ny toetran’ny Mpamonjy, araka ny hitantsika, dia tsy lahatsoratra izay tokony harahina na lisitra mitanisa zavatra tokony hatao. Toetra mifamatotra izany, mifameno, izay mitombo ao anatintsika amin’ny fomba mifandray. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo toetran’i Kristy iray isika ka tsy hahazo sy haneho toetrany hafa koa. Rehefa mihamafy ny toetra iray, dia ho toy izany koa ny maro hafa.

Ao amin’ny 2 Petera sy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 4 isika dia mianatra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo no fototra. Ny finoantsika dia refesintsika amin’izay zavatra itarihany antsika mba hataontsika, dia ny fankatoavantsika. “Raha manam-pinoana Ahy ianareo,” hoy ny nampanantenain’ny Tompo, “dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko.”8 Ny finoana no mahatonga antsika hanao zavatra. Raha tsy misy ny asa, raha tsy misy ny fiainana feno hatsaran-toetra, dia tsy manana hery hampihetsika ny toetra maha-mpianatra ny finoantsika. Eny tokoa, maty ny finoana.9

Koa nanazava i Petera hoe: “amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina.” Izany fahatanjahan-tsaina izany dia mihoatra noho ny fahadiovam-pitondrantena. Fahadiovana sy fahamasinan’ny saina sy ny vatana izany. Ny fahatanjahan-tsaina dia hery ihany koa. Rehefa miaina amim-pahatokiana ny filazantsara isika dia hanana hery ho madio amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny asa rehetra. Lasa mora mahare ny bitsiky ny Fanahy Masina sy ny Fahazavan’i Kristy ny saintsika.10 Maneho an’i Kristy isika, tsy amin’izay lazaintsika sy ataontsika ihany, fa ao anatin’ny maha-izy azy antsika ihany koa.

Dia notohizan’i Petera hoe: “Amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia [manehoa] fahalalana.” Rehefa miaina fiainana feno hatsaran-toetra isika, dia lasa mahafantatra ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany amin’ny fomba miavaka. “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapon’[ny Ray], dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”11 Izany fahalalana izany dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana, izay avy amin’ny zavatra niainana manokana. Izany dia fahalalana manova antsika, ka mahatonga ny “fahazava[ntsika] miraikitra amin’ny fahazava[ny]” ary ny “ny hatsaran-toetra[ntsika] tia ny hatsaran-toetra[ny].”12 Rehefa miaina fiainana feno hatsaran-toetra isika dia mivoatra ka ilay hoe “mino aho” dia ho lasa hoe “fantatro.”

Mamporisika antsika i Petera mba haneho fahononam-po amin’ny fahalalana, ary faharetana amin’ny fahononam-po. Amin’ny maha-mpianatra mahonom-po antsika dia miaina ny Filazantsara amin’ny fomba voalanjalanja sy tsy miova isika. Tsy “[mihazakazaha] haingana kokoa noho izay tratry ny heri[ntsika]” isika.13 Isan’andro isan’andro dia mandroso hatrany isika, tsy kivy amin’ireo fanambin’ny fiainana an-tany izay manatsara antsika.

Rehefa mahonom-po amin’izany fomba izany isika dia mampitombo faharetana sy fatokiana ny Tompo. Afaka miantehitra amin’ny famolavolany ny fiainantsika isika, na dia tsy hitan’ny masontsika voajanahary aza izany.14 Noho izany dia afaka ny ho tony isika ary hahafantatra fa Izy no Andriamanitra.15 Rehefa miatrika ireo tafio-drivotry ny fahoriana isika dia manontany hoe: “Inona no tianao hianarako avy amin’ity zavatra iainako ity?” Rehefa ao am-pontsika ny drafiny sy ny tanjony dia mandroso isika, tsy mankany amin’ny faharetana ny zava-drehetra fotsiny fa amin’ny fahazakana izany amim-paharetana sy tsara ihany koa.16

Io faharetana io hoy ny nampianarin’i Petera dia mitarika antsika hanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Tahaka ny Ray izay manana faharetana amintsika zanany dia ho lasa manana faharetana amintsika samy isika sy amin’ny tenantsika isika. Miravoravo amin’ny fahafahan’ny hafa misafidy sy ny tombontsoa entin’izany ho azy ireo mba hitombo “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra”17 sy “mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro”18isika.

Miova avy amin’ny fahononam-po mankany amin’ny faharetana ary avy amin’ny faharetana mankany amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ny toetrantsika. Manana fitiavana ny rahalahy isika, izay toetra mampiavaka ananan’ny tena mpianatra rehetra. Tahaka ilay Samaritana tsara fanahy, dia miampita lalana isika mba hanompo ireo izay mila fanampiana, na dia tsy anisan’ny namantsika aza izy ireo.19 Mitahy ireo izay manozona antsika isika. Manao soa ireo izay manenjika antsika isika.20 Misy toetra ve araka an’ Andriamanitra na tahaka ny an’i Kristy kokoa?

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny ezaka ataontsika mba ho tonga mpianatry ny Mpamonjy dia tena miampy tokoa mandrapahatonga antsika “manana” ny fitiavany.21 Izany fitiavana izany no toetra mampiavaka ny mpianatr’i Kristy.

“Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.

“Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.”22

Ny finoana, fanantenana ary fitiavana no mahatonga antsika ho mendrika hanao ny asan’ Andriamanitra.23 “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra … fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.”24

Rahalahy sy ranabavy, ankehitriny isika dia tsy afaka ny ho “mpianatra amin’ny ampahany” intsony! Tsy afaka ny ho mpianatra amin’ny lafiny iray na hafa amin’ny fotopampianarana fotsiny isika. Ireo toetra isan-karazany avy amin’ny finoana an’i Kristy, anisan’izany ireo izay noresahintsika androany, dia ilaina avokoa mba hijoroana ho mafy orina amin’izao andro farany izao.

Rehefa miezaka mafy ny ho mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy isika dia hifamatotra sy hitombo ary hifandray ka ho mafy ao anatintsika ireo toetra ireo. Tsy hisy maha-samy hafa azy ny hatsaram-panahy asehontsika amin’ireo fahavalontsika sy ny hatsaram-panahy atolotsika ny namantsika. Marin-toetra foana isika na tsy misy mahita na misy mijery. Ho be fanolorantena foana isika na eny imasom-bahoaka na any amin’ny toerana miafina misy antsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny ho mpianatry ny Mpamonjy ny olona rehetra. Tsy voafetran’ny taona na ny maha-vavy, na ny maha-lahy, na ny firazanana, na ny antso ny toetra maha-mpianatra. Amin’ny alalan’ny toetra manokana maha-mpianatra antsika isika, amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia manangona hery iombonana mba hanampiana ireo rahalahintsika sy anabavintsika manerana izao tontolo izao. Izao no fotoana hanolorantsika tena indray mba ho mpianany feno zotom-po.

Rahalahy sy ranabavy, nantsoina ho mpianatry ny Mpamonjy antsika avokoa isika rehetra. Aoka ity fihaonambe ity ho fahafahana ho anareo “[hanomboka] toy ny tamin’ ny fotoana fehizay, ary [hanatona Azy] amin’ ny [fo] manontolo.”25 Ity no Fiangonany. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa velona Izy. Izy anie hitahy antsika amin’ny fikatsahantsika mandrakizay ny ho lasa mpianatra feno fanolorantena sy fahavitrihana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.