2010–2019
Ataovy izay asainy ataonareo
Aprily 2017


Ataovy izay asainy ataonareo

Rehefa manapa-kevitra ny hanao “izay asain’ [Andriamanitra ataontsika]” isika dia manolo-tena amin-kitsim-po ny hampifanaraka ny fomba fiainantsika andavanandro amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

Nandritra ny lanonana fampakaram-bady iray tao Kana any Galilia no nanaovan’ny Mpamonjy ny fahagagana voarakitra voalohany nataony. Nanatrika tao i Maria reniny sy ireo mpianany. Raha ny fahitana azy dia toa nahatsapa tena ho nanana adidy tamin’ny fahombiazan’ilay lanonana i Maria. Nandritra ilay fankalazana dia nisy olana iray nitranga, lany ny divain’ny tompon-draharaha. Sahiran-tsaina i Maria ka nanatona an’i Jesoa. Niresaka fohy izy ireo ary avy eo dia nitodika tany amin’ireo mpanompo i Maria sady niteny hoe:

“Ataovy izay asainy ataonareo.

“Ary nisy siny vato enina nipetraka teo. … [Ireo siny ireo dia tsy nampiasaina mba hitehirizana rano fisotro fa nampiasaina kosa hanaovana ny fombafomban’ny fanadiovana araka ny lalàn’i Mosesy.]

“Dia hoy Jesoa tamin’[ireo mpanompo]: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony.

“Ary hoy Jesoa taminy: Tovozy amin’izao, ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.

“[Avy eo dia] nanandrana ilay rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana …” ary gaga izy fa naroso tamin’ny faran’ny lanonana ny divay tsara indrindra.1

Matetika dia tsaroantsika io tranga io satria ny fanovana ny rano ho divay dia fampisehoana ny herin’ Andriamanitra, fahagagana izany. Hafatra iray manan-danja izany kanefa misy hafatra iray manan-danja hafa ao amin’io tantara noraketin’i Jaona io. I Maria no “fanaka iray sarobidy sy nofinidy,”2 nantsoin’ Andriamanitra mba hiteraka, sy hikolokolo, ary hanabe ilay tena Zanakalahin’ Andriamanitra. Nahafantatra Azy bebe kokoa mihoatra ny olona hafa rehetra teto an-tany izy. Fantany ny fahamarinana’ny fahaterahany mahagaga. Fantany fa tsy mba nanota Izy ary Izy dia “tsy mba niteny toy ireo olona hafa sady tsy hay nampianarina; fa tsy nila olona nampianatra Azy.”3 Fantatr’i Maria ny fahafahana miavaka nananany mba hamahana olana; anisan’izay ny olana iray manokana toy ny famatsiana divay ho an’ny lanonana fampakaram-bady iray. Nanana fitokisana tsy voahozongozona taminy sy tamin’ny heriny masina izy. Ny toromarika tsotra sady mivantana nomeny ny mpanompo dia tsy misy arakaraka sy tsy misy hevitra ambadika: “Ataovy izay asainy ataonareo.”

Mbola zatovovavy i Maria tamin’izy nisehoan’ny Anjely Gabriela. Tamin’ny voalohany izy dia “taitra” tamin’ny niantsoana azy ho “ilay nohasoavina” [sy nohasoavina … noho ny vehivavy rehetra] … “ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.” Nanome toky azy i Gabriela fa tsy misy tokony hatahorany satria ny vaovao nentiny ho azy dia tsara. Fa izy dia “hitoe-jaza, … [ilay] Zanaky ny Avo Indrindra” ka “hiteraka zazalahy … [izay] hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay.”

Nihoraka mafy i Maria hoe, “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?”

Nohazavain’ilay anjely vetivety monja taminy fa “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.”

Tamim-panentrentena no naneken’i Maria ny hanao izay nangatahin’ Andriamanitra taminy sady tsy nangataka ny hahafantatra ny antsipiriany na dia tsy isalasalana aza fa nanana fanontaniana tsy hita isa momba ny ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany izy. Nanolo-tena izy kanefa tsy nahatakatra mazava tsara ny antony nangatahana izany taminy na koa hoe ahoana ny ho fizotran’ny zava-drehetra. Neken’i Maria tsy nisy fepetra sady mialoha ny tenin’ Andriamanitra,4 na dia kely monja aza ny fahatakarany ny amin’izay ho avy. Tamin’ny fahatokina tsotra an’ Andriamanitra no nilazan’i Maria hoe: “Inty ny ankizivavin’ny Tompo aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.”5

Rehefa manapa-kevitra ny hanao “izay asain’ [Andriamanitra ataontsika]” isika dia manolo-tena amin-kitsim-po ny hampifanaraka ny fomba fiainantsika andavanandro amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny asa fanehoam-pinoana tahaka izany, toy ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, sy ny fifadian-kanina matetika, ary ny vavaka atao amin’ny nahim-po dia hanome tanjaka ara-panahy bebe kokoa antsika mba hiatrehana ireo fitakian’ny fiainana an-tany. Rehefa mandeha ny fotoana dia hitondra vokany mahagaga ireo fahazarana tsotra momba ny finoana ireo. Ireo asa ireo dia manova ny finoantsika niainga tamin’ny kely ho lasa lehibe kokoa hitondra tsara eo amin’ny fiainantsika. Avy eo, rehefa sendra ny fahasarotana isika dia hanamafy orina ny fanahintsika ny fiorenantsika ao amin’i Kristy. Andriamanitra dia mampatanjaka ny fahalementsika, sy mampitombo ny fifaliantsika, ary manao ny “zava-drehetra [mba] hiara-miasa ho tombontsoan[tsika].”6

Taona vitsivitsy lasa izay, dia niresaka tamina eveka tanora iray aho izay nandany ora maro isan-kerinandro tamin’ny filan-kevitra miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny. Nanao fanamarihana manaitra iray izy. Ny olana atrehan’ny mpikambana ao amin’ity paroasiny ity, hoy izy, dia mitovy amin’ireo olana atrehan’ny mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza: olana tahaka ny hoe ahoana no fomba hanorenana fanambadiana sambatra; ny tolona amin’ny fandanjalanjana ny asa sy ny fianakaviana ary ny adidy ao amin’ny Fiangonana, fahasahiranana amin’ny Tenin’ny Fahendrena, na amin’ny asa, na amin’ny pôrnôgrafia; na amin’ny fahazoana filaminan-tsaina momba ny fitsipi-pitantanana ny Fiangonana na fanontaniana ara-tantara izay tsy mazava amin’izy ireo.

Matetika ny toroheviny ho an’ny mpikamban’ny paroasy dia ny fifantohana amin’ireo asa tsotra fampiharana ny finoana tahaka ny fandalinana ny Bokin’ i Môrmôna, araka ny natoron’ny Filoha Thomas S. Monson antsika mba hatao, ny fandoavana fahafolon-karena, ary ny fanompoana amim-pahazotoana ato amin’ny Fiangonana. Matetika anefa dia valin-teny feno tsy fahatokiana no avalin’izy ireo azy: “Tsy miombon-kevitra aminao aho, eveka. Fantatsika rehetra fa zavatra tsara tokony hatao ireny. Miresaka momba ireo zavatra ireo foana isika ato am-piangonana. Kanefa tsy azoko antoka hoe mahatakatra ny manjo ahy ianao. Inona no ifandraisan’ny iray amin’ ireo zavatra ireo amin’ireo olana atreha ko ?”

Fanontaniana tsy miangatra io. Rehefa nandeha ny fotoana dia nandinika izaho sy ilay eveka tanora fa ireo izay manao ireo “zava-madinika sy tsotra”7, amin’ny nahim-pony sy manatanteraka toraka izany koa ireo asa madinika, no homena finoana sy tanjaka izay mihoatra lavitra ny asa maneho fankatoavana vitany ary raha ny marina dia mety ho tena tsy misy ifandraisany amin’ireny mihitsy. Mety ho toa sarotra ny hampifandray ireo asa maneho fankatoavana fototra fanao isan’andro amin’ireo vahaolana ho an’ireo olana saro-bahana mankadiry atrehantsika. Kanefa dia mifandray izy ireo. Avy amin’ny traikefako manokana, ny hany fomba tokana tsara indrindra mba hanatanjahana ny tenantsika hiatrika ireo olam-piainana na inona izany na inona dia ny fanaovana tsara ireo fahazarana madinika ara-pinoana fanao isan’andro. Ny asa fanehoam-pinoana madinika, na dia ireo izay heverina ho tsy misy dikany na tsy misy ifandraisany velively amin’ny olana manokana izay mampaory antsika aza dia mitahy antsika amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

Eritrereto anie e, i Namàna dia “komandin’ny miaramilan’ny … Syria” sady “lehilahy mahery,” kanefa boka. Mpanompo vavy iray no nilaza taminy momba ny mpaminany iray ao Isiraely izay afaka ny hanasitrana an’i Namàna. Noho izany dia nandeha i Namàna niaraka tamin’ny mpanompony, sy miaramila, ary fanomezana ho an’i Isiraely ka tonga tao an-tranon’i Elisa nony farany. Ny mpanompon’i Elisa fa tsy i Elisa izy tenany no nilaza tamin’i Namàna fa ny didy nomen’ny Tompo dia ny “mandeha mandro impito ao [amin’ny Renirano] Jordana.” Zavatra tsora. Angamba nanaitra ilay mpianady mahery ity fanafody tsotra ity ary noraisiny ho toy ny tsy mitombina sy manamoramora zavatra na koa manambany azy ka dia noraisiny ho sosokevitra manafintohina fotsiny. Tsy nisy dikany tamin’i Namàna na dia kely aza ny torolalan’i Elisa, “Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.”

Kanefa nanatona moramora an’i Namàna ireo mpanompony ka niteny taminy fa ho nanao “zavatra lehibe” izy raha toa ka izany no nasain’i Elisa nataony. Nohazavain’izy ireo hoe koa satria asa bitika fotsiny no nasaina nataony dia tsy tokony hataony ve izany na dia tsy fantany aza ny antony? Naverin’i Namàna nodinihina ny fihetsiny ary mety ho tamim-pisalasalana, kanefa tamim-pankatoavana dia “nidina izy ka nasitrika tao Jordana impito …” koa dia sitrana tamin’ny fomba mahagaga izy.8

Ny sasany amin’ireo valisoan’ny fankatoavana dia tonga vetivety; ny sasany dia tsy tonga raha tsy avy nosedraina isika. Hitantsika ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny momba ny zotom-pon’i Adama amin’ny fitandremana ilay didy mba hanaterana fanatitra. Rehefa nanontanian’ilay anjely an’i Adama ny antony nanaterany fanatitra dia namaly izy hoe “Tsy misy fantatro afa-tsy ny hoe ny Tompo no nandidy ahy.” Nanazava ilay anjely fa ny fanatitra nataony dia “tandindon’ny fanaovan’ny Lahitokan’ny Ray sorona.” Kanefa tsy tonga izany fanazavana izany raha tsy taorian’ny nanehoan’i Adama ny fanolorantenany hankatò ny Tompo nandritra ny “andro maro” kanefa tsy nahafantatra akory ny antony tokony nanaovany ireny fanatitra ireny.9

Hitahy antsika mandrakariva Andriamanitra noho ny fankatoavana tsy voahozongozona asehontsika ho an’ny filazantsarany sy ny tsy fivadihantsika amin’ny Fiangonany, kanefa dia mahalana ny hampisehoany amintsika ny fandaharam-potoany amin’ny fanaovana izany. Tsy mampiseho antsika ny zava-drehetra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izy. Izany no ilàna ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitokiana amin’ny Tompo.

Mangataka ny mba hahatakarantsika Azy Andriamanitra, ny hitokiana Aminy sy ny hanarahana Azy. Miangavy antsika izy mba “[tsy hitohika], satria tsy mahita ianareo.” Nampitandrina antsika Izy fa tsy tokony hanantena ny hahazo valiny mora foana na fanampiana vetivety avy any an-danitra isika. Mandeha tsara ny zavatra ataontsika rehefa mijoro ho mafy orina isika mandritra ny “fizahan-toetra ny finoan[tsika],” na dia sarotra toa inona aza ny sedra mety holalovana na mihisatra toa inona aza vao ho tonga ny valin-teny andrasantsika.10 Tsy fankatoavana “an-jambany” no resahiko eto11 fa ny fankatoavana ombam-pahalalana ny fitiavana sy ny fandaminam-potoana tonga lafatry ny Tompo.

Ny fisedrana ny finoantsika dia ahitana mandrakariva ny fijanonana ho mahatoky amin’ireo fampiharana tsotra isan’andro ny finoantsika. Dia amin’izay ihany izy vao mampanantena antsika fa hahazo ilay valinteny avy any an-danitra izay andrandraintsika. Rehefa maneho ny fahavononantsika hanao ny zavatra angatahiny isika, kanefa tsy mangataka ny fotoana sy ny antony ary ny fomba anaovana izany, dia izay isika vao “[hioty] ny lokan’ny finoan[tsika] sy ny fahazotoan[tsika] sy ny faharipon[tsika]”12 Ny tena fankatoavana dia manaiky tsy misy fepetra sady mialoha ny didin’ Andriamanitra.13

Isan’andro isika rehetra na amim-pahatongavan-tsaina na amin’ny fomba hafa, dia misafidy “izay hotompoin[tsika].14 Maneho ny fahavononantsika hanompo ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fanaovantsika amim-pahatokiana isan’andro asa feno fanolorantena. Ny Tompo dia nampanantena fa handamina ny lalantsika,15 kanefa mba hahafahany manao izany dia mila mandroso isika, sady matoky fa mahafantatra ny làlana Izy satria Izy no “làlana.”16 Tsy maintsy fenointsika hatramin’ny molony ny sinintsika. Rehefa matoky sy manaraka Azy isika dia hiova ny fiainantsika, toy ny rano tonga divay. Tonga olona hafa mihoatra sy tsara kokoa noho izay mety ho nahatongavantsika isika. Matokia an’ Andriamanitra, ary “Ataovy izay asainy ataonareo.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.