2010–2019
Ny hatsaran’ny fahamasinana
Aprily 2017


Ny hatsaran’ny fahamasinana

Nomen’ny Ray any An-danitra antsika izay rehetra takina mba hahafahantsika ho lasa masina tahaka Azy izay masina.

Rehefa niomana ho amin’ity fivoriana ity aho dia nitodika tany amin’ireo rahavavy mahatoky maro izay nihaona tamiko ny foko, na aiza na aiza misy azy ireo. Amiko dia manoritsoritra azy ireo amin’ny fomba tsara indrindra ny teny ao amin’ny salamo fisaorana iray nataon’i Davida hoe: “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina.”1

Ny hatsaran’ny fahamasinana dia hitako ao amin’ireo rahavavy izay manana fo mifantoka amin’izay tsara rehetra, izay maniry ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Manolotra ny fanahiny, ny fony, ny heriny, ny sainy, ary ny tanjany manontolo ho an’ny Tompo amin’ny fomba fiainany isan’andro izy ireo.2 Ny fahamasinana dia azo avy amin’ny ezaka sy ny ady atao mba hitandremana ireo didy sy hanajana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Ny fahamasinana dia ny fanaovana ireo safidy izay hihazona ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika.3 Ny fahamasinana dia ny manaisotra ireo fironantsika amin’ny maha-olombelona antsika ary tonga “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”4 “Ny fotoana rehetra eo amin’ny [fiainantsika] dia tokony ho fahamasinana ho an’ny Tompo.”5

Nandidy ny zanak’i Isiraely ny Andriamanitry ny lanitra hoe: “Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo.”6

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny Raintsika any An-danitra dia Andriamanitra iray miandrandra zavatra lehibe. … Nilaza Izy fa hanao izay hahamasina antsika mba hahafahantsika-handray ny voninahitra selestialy-(F&F 88:22) ary-hiverina honina eo anatrehany-(Mosesy 6:57).”7 Ny Lectures on Faith dia manazava hoe: “Tsy misy olona afaka mahazo ny voninahiny raha tsy manana ny fahatanterahany sy ny fahamasinany.”8 Mahafantatra antsika ny Raintsika any An-danitra. Tia antsika Izy ary efa nomeny antsika izay rehetra takina mba hahafahantsika ho lasa masina tahaka Azy izay masina.

Zanakavavin’ny Ray any An-danitra isika ary manana lova masin’ny fahamasinana ny tsirairay amintsika. Nanambara ny Raintsika any An-danitra hoe: “Indro, Izaho no Andriamanitra; Lehilahin’ny Fahamasinana no anarako.”9 Tia ny Raintsika sy nitsaoka Azy isika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Naniry ny ho lasa tahaka Azy isika. Noho ny fitiavana lavorary ananany amin’ny maha-Ray Azy dia nanome an’i Jesoa Kristy Zanany Malalany Izy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Izy no Zanakalahin’ny Lehilahin’ny Fahamasinana.10 “Masina no anara[ny],”11 “ny Iray Masin’ny Isiraely.”12

Ny fanantenantsika hanana fahamasinana dia mifototra amin’i Kristy, ao amin’ny famindram-pony sy ny fahasoavany. Afaka ny ho lasa madio tsy misy pentina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika rehefa lavintsika amin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra 13 ary mibebaka marina isika. Atao batisa amin’ny rano isika ho famelana ny fahotana. Hamasinina ny fanahintsika rehefa mandray ny Fanahy Masina amin’ny fo manontolo isika. Isan-kerinandro dia mandray ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika. Manao fanekena ao anatin’ny toe-panahy vonona ny hibebaka omban’ny faniriana amin-kitsim-po hanao ny marina isika fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy, ny hahatsiaro Azy, ary ny hitandrina ny didiny mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa miezaka ny ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika dia lasa manana ny toetra araka an’ Andriamanitra tahaka ny Azy Ireo.14

Fahamasinana ny fitandremana ny fanekempihavanantsika

Fantatsika ireo fizahan-toetra sy fakam-panahy ary fahoriana maro mety manaisotra antsika amin’izay zavatra rehetra madio sy mendri-piderana eo anatrehan’ Andriamanitra. Kanefa ny zavatra iainantsika eto an-tany dia manolotra fahafahana ho antsika mba hifidy ny fahamasinana. Raha ny matetika indrindra dia ny fahafoizan-tena ataontsika mba hitandrina ny fanekempihavanantsika no manamasina antsika ka mahatonga antsika ho masina.

Sary
Evangeline, zatovovavy iray any Ghana

Nahita fahamasinana teo amin’ny endrik’i Evangeline izay zazavavy 13 taona tany Ghana aho. Anisan’ny fomba hitandremany ny fanekempihavanany ny filofosany amin’ny antsony izay filohan’ny kilasin’ny Toho-tantely. Nohazavainy tamim-panetrentena fa mankany amin’ny tranon’ireo namany izy, dia ireo zatovovavy malaindaina izany, mba hangataka amin’ny ray aman-drenin’izy ireo mba hamela azy ireo handeha hivavaka. Milaza aminy ireo ray aman-dreny fa sarotra izany satria tsy maintsy manao ireo raharaha ao an-trano ny zanany rehefa alahady. Noho izany dia mandeha manampy amin’ny fanaovan-draharaha i Evangeline, ary noho ny ezaka ataony dia matetika ireo namany no avela mankany am-piangonana.

Raha tandremantsika ny fanekempihavanana miaraka amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana masina dia hanova antsika sy hanamasina antsika ary hanomana antsika hiditra eo anatrehan’ny Tompo izany.15 Koa mifampitondra ny enta-mavesatsika isika. Mifampahery isika. Mihazona ny famelana ny fahotantsika isika rehefa mitondra fanampiana ara-panahy sy ara-batana ho an’ny mahantra, ny noana, ny mitanjaka, ary ny marary.16 Miaro ny tenantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao isika rehefa manaja ny andro Sabata sy mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo amin’ny andro masin’ny Tompo.17

Mitahy ny fianakaviantsika isika ary manao ny tokantranontsika ho toerana masina. Mifehy ny filantsika isika mba hahatonga antsika ho feno fitiavana madio sy maharitra.18 Manolo-tanana ny hafa amin-katsaram-panahy sy amim-pangorahana isika ary mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra. Lasa vahoakan’i Ziona isika, izay iray fo sy iray saina, vahoaka madio miara-miaina ao anatin’ny firaisankina sy ny fahamarinana.19 “Fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny hatsarana sy ao amin’ny fahamasinana i Ziona.”20

Ry rahavavy isany tongava ao amin’ny tempoly. Raha te ho lasa vahoaka masina vonona ny handray ny Mpamonjy amin’ny fiaviany isika dia tsy maintsy mitsangana ary manao ny fitafiantsika tena tsara.21 Mandà amin-kery sy amim-boninahitra ny fanaon’izao tontolo izao isika ary mitandrina ny fanekempihavanantsika mba “[hanafiana antsika amin’ny] fahadiovana …, eny, dia ny lamban’ny fahamarinana izany.”22

Fahamasinana ny fandraisana ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny fahamasinana. Manaiky io fanomezam-pahasoavana io isika rehefa misafidy ny hanao ireo zavatra izay mampitombo ny hery manamasin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Nandre ireo tenin’ny Mpamonjy i Maria

Rehefa nandray an’i Jesoa Kristy ho ao an-tranony i Marta dia nahatsapa faniriana lehibe tokoa ny hanompo ny Tompo araka izay tsara indrindra azony natao izy. I Maria rahavaviny dia nisafidy ny hipetraka “teo anilan’ny tongotr’[i Jesoa]” sy hihaino ny teniny. Rehefa nahatsapa ho sahirana mafy noho ny fanompoana be i Marta kanefa tsy nisy nanampy dia nitaraina hoe: “Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?”

Tiako ireo teny ao anatin’ny fibedesana malefaka indrindra izay azoko eritreretina. Hoy ny Mpamonjy raha nananatra tamin’ny fitiavana lavorary sy fangorahana tsy manam-petra hoe:

“Marta, Marta, maro ahiana sy maro herehina hianao;

“Nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.”23

Ry rahavavy, mba hahatonga antsika ho masina dia tsy maintsy mianatra mipetraka eo anilan’ny tongotry ny Iray Masin’ny Isiraely isika ary manome fotoana ho an’ny fahamasinana. Moa ve isika mamela ny finday sy ny lisitra lava be ahitana ireo zavatra mila atao ary ny fieritreretana ireo zavatr’izao tontolo izao? Ny vavaka, ny fandalinana ary ny fanarahana ny tenin’Andriamantira dia manasa ilay fitiavany manadio sy manasitrana ho ao amin’ny fanahintsika. ’Ndeha isika hakà fotoana mba ho masina mba hahatonga antsika ho heniky ny Fanahiny masina sy manamasina. Rehefa manana ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika isika dia ho vonona ny handray ny Mpamonjy ao amin’ny hatsaran’ny fahamasinana.24

Fahamasinana ny fahatongavana ho olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Araka ny teny azo avy amin’ny fanentanam-panahy nolazain’ny Mpanjaka Benjamina dia ireo izay mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, ary feno fitiavana, tahaka ny Mpamonjy, no ireo izay lasa olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.25 Naminany izy fa i Jesoa Kristy, “ny Tompo Tsitoha izay manjaka, izay nisy ary misy hatrizay ka ho mandrakizay, dia hidina amin-kery avy any an-danitra ho eo anivon’ny zanak’olombelona sy honina ao amin’ny tabernakely tanimanga.” Tonga Izy mba hitahy ny marary, ny mandringa, ny marenina, ny jamba ary hanangana ny maty ho amin’ny fiainana. Na izany aza anefa dia mbola nijaly “mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina [Izy] … kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana.”26 Ary na dia avy Aminy irery ihany aza no ahatongavan’ny famonjena dia narabina sy nokapohina ary nohomboina Izy. Kanefa nitsangana avy tao am-pasana ny Zanak’ Andriamanitra mba hahafahantsika rehetra mandresy ny fahafatesana. Izy ilay olona iray izay hijoro mba hitsara izao tontolo izao amim-pahamarinana. Izy ilay olona iray izay hanavotra antsika rehetra. Izy no ilay Iray Masin’ny Isiraely. I Jesoa Kristy no hatsaran’ny fahamasinana.

Rehefa nandre ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina ireo vahoakany dia nianjera tamin’ny tany izy ireo. Lehibe tokoa ny fanetrentena sy ny fanajana nananan’izy ireo ho an’ny fahasoavana sy ny voninahitry ny Andriamanitsika. Nahafantatra ny maha-olona araka ny nofo azy izy ireo. Moa ve isika mahita ny fianteherantsika tanteraka amin’ny fahasoavana sy ny famindram-pon’i Kristy Tompontsika? Moa ve isika mahafantatra fa ny fanomezana tsara rehetra, na ara-nofo izany na ara-panahy, dia azontsika amin’ny alalan’i Kristy? Moa ve tadidintsika fa araka ny drafitra mandrakizain’ny Ray dia tsy afaka mahazo ny fiadanana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny voninahitry ny fiainana mandrakizay isika raha tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny Zanany masina ihany?

Enga anie isika ka hiombom-peo amin’ireo vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina rehefa nihiaka mafy tamin’ny feo tokana izy ireo hoe: “Ô, mamindrà fo, ary ampiharo ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy hahazoanay mandray ny famelana ny fahotanay sy hahazoana manadio ny fonay; fa izahay dia mino an’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra.”27

Mijoro ho vavolombelona aho fa raha manatona ny Iray Masin’ny Isiraely isika dia hidina eo amintsika ny Fanahiny mba hahatonga antsika ho feno fifaliana sy handray ny famelana ny fahotantsika ary hahazo fiadanan-tsaina.

Nanome fahafahana ho antsika tsirairay mba ho tonga masina ny Ray any An-danitra. Enga anie isika mba hanao izay vitantsika mba hitandremana ny fanekempihavanantsika sy handraisana ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika. Miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia lasa olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika, mba hahafahantsika mahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ary manome an’ Andriamanitra Raintsika ny voninahitry ny anarany. Enga anie ny fiainantsika ho fanatitra masina mandrakariva mba hahafahantsika mijoro eo anatrehan’ny Tompo ao anatin’ny hatsaran’ny fahamasinana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.