2010–2019
Izay lehibe aminareo
Aprily 2017


Izay lehibe aminareo

Ny valisoa lehibe indrindra dia mankany amin’ireo izay manompo tsy manantena valisoa.

Ry rahalahy malala isany, ry namana malala isany, tena feno fankasitrahana aho tafaraka aminareo mandritra ity fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany izay manentana ny fanahy ity. Ry Filoha Monson! Misaotra tamin’ny hafatrao sy ny tsodranonao. Horaisinay lalandava amim-pahamatorana foana ny teny mifono fitarihana sy torohevitra ary fahendrena avy aminao. Tianay sy tohananay ianao ary mivavaka ho anao foana izahay. Tena mpaminanin’ny Tompo tokoa ianao. Ianao no Filohanay. Manohana anao sy tia anao izahay.

Efa ho roapolo taona lasa izay no nanokanana ny Tempolin’i Madrid Espagne sy niasany ho toy ny trano masin’ny Tompo. Tsaroanay sy i Harriet tsara izany satria nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Eorôpa aho tamin’izany fotoana izany. Nandany ora maro dia maro niaraka tamin’olon-kafa maro izahay nikarakara ny antsipirian’ny drafitra sy ny rindran-damin’ireo zavatra hiseho izay hitondra any amin’ilay fanokanana.

Rehefa nanakaiky ny datin’ny fanokanana dia nahatsikaritra aho fa mbola tsy nahazo fanasana hanatrika izany. Tsy dia nampoiziko loatra izany. Raha ny marina ao anatin’ny andraikitro amin’ny maha-Filohan’ny Vondrom-paritra ahy dia tena nandray anjara betsaka tamin’io tetikasa fanorenana tempoly io aho ary nahatsapa ho tompon’andraikitra kely tamin’izany ihany.

Nanontany an’i Harriet aho raha toa ka nahita fanasana izy. Tsy nahita izy.

Nandeha teny ny andro ary nitombo ny ahiahiko. Nanontany tena aho sao very ny fanasana ho anay? Mety nilentika tany anelanelan’ireo ondan’ny kanapenay angamba izany. Mety nifangaro niaraka tamin’ireo taratasy tsy nilaina izany dia nariana. Nanana saka tia mikarokaroka izay ny mpifanolobodirindrina taminay ka nanomboka nampiahiahy ahy mihitsy izy io.

Farany dia voatery nanaiky aho hoe: Tsy nasaina aho.

Saingy ahoana no nahatonga izany? Nanao zavatra nanafintohina ve aho? Sao dia nisy olona nieritreritra fotsiny fa lavitra loatra ho anay ny mankany? Hadino ve aho?

Farany dia tsapako fa nitondra ahy tany amin’ny tsy tiako hahatongavana izany eritreritra nitandahatra izany.

Nampahatsiahy ny tenanay izaho sy i Harriet fa tsy izahay akory no iza eo amin’ny fanokanana ilay tempoly. Tsy ny hoe iza no mendrika ny ho asaina na tsia no zava-dehibe. Tsy ny fahatsapanay na ny fiheverenay fa tokony hasaina izahay no zava-dehibe.

Ny fanokanana ilay trano masina izay tempolin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra no zava-dehibe. Andro feno fifaliana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Espagne izany.

Raha toa ka nasaina mba hanatrika izany aho dia ho nanatrika izany tamim-pifaliana tokoa. Raha toa ka tsy nasaina aho, dia tsy ho nihena akory ny halalin’ny hafaliako. Hiara-paly avy lavitra amin’ireo namanay izahay, izay rahalahy sy rahavavy malalanay. Hidera an’ Andriamanitra izahay noho izany fitahiana lehibe izany ka hitovy ny fientanentananay na any an-tranonay any Francfort izahay na any Madrid.

Zana-baratra

Nisy mpirahalahy nantsoina hoe Jakoba sy Jaona teo anivon’ny Roambinifololahy izay nantsoin’i Jesoa. Tadidinareo ve ny anaram-bosotra nomeny azy ireo?

Zana-baratra (Boanerjesy).1

Tsy mahazo anaram-bosotra toy izany ianao raha tsy hoe mifono tantara ao ambadik’izany. Indrisy anefa fa tsy manome fanazavana bebe kokoa mikasika ny nipoiran’izany anaram-bosotra izany ny soratra masina. Na izany aza dia misy zavatra kely fantatsika ihany mikasika ny toetran’i Jakoba sy i Jaona. Izy ireo ihany ilay mpirahalahy nandroso hevitra mba handatsahana afo avy any an-danitra teo amin’ny tanàna iray tany Samaria satria tsy nandray azy ireo ny olona tao an-tanàna.2

Mpanarato i Jakoba sy i Jaona, mety tso-piaina ihany izy ireo, saingy mihevitra aho fa nahafantatra be dia be mikasika ireo singa mandrafitra ny natiora izy ireo. Azo antoka fa olona nahay nandray andraikitra izy ireo.

Indray mandeha, rehefa niomana ny hanao ny diany farany ho any Jerosalema ny Mpamonjy dia nanatona Azy mba hanao fangatahana manokana i Jakoba sy i Jaona, izay angamba mendrika ny hanomezana azy ireo an’ilay anaram-bosotra.

“Tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao,” hoy izy ireo.

Azoko sary an-tsaina i Jesoa nitsiky tamin’izy ireo rehefa namaly hoe: “Inona no moa tianareo hataoko aminareo?”

“Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny an-kavananao ary ny anankiray ho eo amin’ny an-kavianao, any amin’ny voninahitrao.”

Tamin’izay fotoana izay dia nasain’ny Mpamonjy nieritreritra lalina kely kokoa izy ireo mikasika ny zavatra nangatahiny ary nilaza Izy hoe: “Fa ny hipetraka eo  an-tànako an-kavanana na eo an-tanako an-kavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.”3

Amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo voninahitra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ianao amin’ny alalan’ny fampiasana tetikady mba hahazoana izany. Ary tsy afaka “mifampiraharaha amin’ny hafa” ianao mba hahazoanao an’ilay voninahitra mandrakizay.

Tsy faly mihitsy ireo Apôstôly folo hafa rehefa naheno izany fangatahana nataon’ireo Zana-baratra izany. Fantatr’i Jesoa fa efa kely sisa ny fotoana nananany ary nampikorontan-tsaina Azy ny nahita fifandirana teo anivon’ireo izay hanohy ny asany.

Niresaka tamin’ny Roambinifololahy mikasika ny herin’ny natiora sy ny fiantraikan’izany eo amin’ireo izay mikatsaka izany sy mihazona izany Izy. “Ny olona izay mpanapaka eto amin’izao tontolo izao,” hoy Izy, “dia mampiasa ny fananany fahefana mba hampiasana hery eo amin’ny hafa.”

Toy ny hitako izany ny Mpamonjy, mijery amin’ny fitiavana tsy manam-petra ny endrik’ireo mpianatra mahatoky sy mino ireo. Toy ny henoko izany ilay feony mitalaho hoe: “Tsy izany no ho fomba fisehony eo aminareo. Fa izay lehibe eo aminareo no hanompo anareo: Ary na iza na iza no te ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra.”4

Ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ny dikan’ny hoe manana ny maha-izy azy sy ny hoe mitarika, dia ny fahitana marina ny olona hafa araka ny tena maha-izy azy, toy ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo, dia avy eo manolo-tanana sy manompo azy ireo. Izany dia midika hoe miara-mifaly amin’ireo izay faly, miara-mitomany amin’izay mitomany, mampitraka an’ireo izay tra-pahoriana, ary mitia ny namantsika toy ny itiavan’i Kristy antsika. Tia ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny Mpamonjy na inona na inona toe-javatra ara-piarahamonina sy ara-piharian-karena iainany, na ny firazanany, na ny fivavahany, na ny fiteniny, na ny firehany ara-pôlitika, na ny firenena niaviany, na izay mety ho vondrona hafa misy azy. Ary tokony ho toy izany koa isika!

Ny valisoa lehibe indrindra dia mankany amin’ireo izay manompo tsy manantena valisoa. Mankany amin’ireo izay manompo tsy mila dokadoka izany sy any amin’ireo izay mitady amim-pahanginana fomba hanampiana ny hafa ary any amin’ireo izay manompo ny hafa fotsiny satria tia an’ Andriamanitra sy ireo zanak’ Andriamanitra izy ireo.5

Aza ankafizina loatra

Fotoana fohy taorian’ny niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony, dia nanana fahafahana hiaraka tamin’ny Filoha James E. Faust aho mba hanatanteraka fanavaozana tsatòka iray. Raha teny am-pamiliana ilay fiara nankany amin’ilay toerana nisy ny asa nampiandraiketina anay tany amin’ny faritra kanton’i Utah Atsimo aho dia nanana hatsaram-panahy mba hampiasa izany fotoana izany hampianarana ahy ny Filoha Faust. Lesona iray izay tsy hohadinoiko velively. Hoy izy hoe: “Feno fitiavana an’ireo Manampahefana Ambony ny mpikamban’ny Fiangonana. Handray anao amin-katsaram-panahy izy ireo ary hilaza zavatra tsara momba anao.” Dia nijanona kely izy ary niteny hoe: “Ry Dieter! aoka ianao ho feno fankasitrahana lalandava an’izany, kanefa aza ankafizina loatra velively izany.”

Io lesona manan-danja mikasika ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana io dia miantefa amin’ireo mpihazona fisoronana rehetra any amin’ny kôlejin’ny Fiangonana rehetra. Miantefa amintsika rehetra ato amin’ity Fiangonana ity izany.

Rehefa nanoro hevitra an’ireo olona voantso hihazona toerana ananana fahefana ao amin’ny Fiangonana ny Filoha J. Reuben Clark Zanany dia noteneniny izy ireo mba tsy hanadino ny fitsipika fahenina.

Tsy azo ialana fa hanontany ny olona hoe: “Inona ilay fitsipika fahenina?”

“Aza dia miasa saina be loatra mikasika izay fieritreretan’ny hafa anao,” hoy izy.

Mazava ho azy fa hisy fanontaniana iray hafa aorian’izany: “Inona avy ireo fitsipika dimy hafa?”

Tamin’ny endrika falifaly no nilazan’ny Filoha Clark hoe: “Tsy misy an’izany ka!”6

Mba hahatongavana ho mpitarika mahomby ao amin’ny Fiangonana dia tsy maintsy mianatra ity lesona tena manan-danja ity isika: ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana dia miompana amin’ny fahavononantsika mba hotarihin’ Andriamanitra fa tsy miompana be loatra amin’ny fitarihana ny hafa.

Fomba ahafahana manao asa fanompoana ny fananana antso

Amin’ny maha-Olomasin’ Andriamanitra Avo Indrindra antsika dia mila “mahatsiaro amin’ny zavatra rehetra ny mahantra sy ny sahirana [isika], ny marary sy ny ory, fa izay tsy manao ireo zavatra ireo dia tsy mpianatro.”7 Tsy manam-petra ireo fomba ahafahana mandehandeha manao soa sy manompo ny hafa. Afaka mahita azy ireo any amin’ny fiarahamonina misy antsika isika sy any amin’ny paroasy sy sampana misy antsika ary indrindra any an-tokantranontsika.

Ankoatra izany dia omena fahafahana manokana mazava mba hanompo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Antsointsika hoe “antso” izany fahafahana izany, izay teny tokony hampahatsiahy antsika hoe iza no miantso antsika mba hanompo. Raha toa ka raisintsika ho fahafahana manompo an’ Andriamanitra sy manompo ny hafa amim-pinoana sy amim-panetrentena ny antsontsika dia ho dingana iray atao eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra ny asa fanompoana rehetra. Tsy hoe manamafy orina fotsiny ny Fiangonany Andriamanitra amin’izany fomba izany fa manamafy orina ny mpanompony koa. Ny Fiangonana dia natao hanampy antsika mba ho lasa mpianatr’i Kristy marina sy mahatoky, zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izay tsara sy mendrika. Tsy hoe rehefa mandeha manatrika fivoriana sy mihaino lahateny fotsiny akory isika no miseho ho izany fa rehefa mieritreritra ny hafa sy manompo azy ireo ihany koa. Izany no fomba ahafahantsika ho lasa “lehibe” ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Manaiky antso amim-panajana sy amin-panetrentena ary amim-pankasitrahana isika. Rehefa isaorana amin’ireny antso ireny isika dia manaiky ilay fanovana amim-panajana sy amim-panetrentena ary amim-pankasitrahana toy ilay teo ihany.

Tsy misy antso ao amin’ny fanjakana izay manan-danja bebe kokoa noho ny anankiray hafa eo imason’ Andriamanitra. Ny asa fanompoana ataontsika, na lehibe izany na kely, dia manadio antsika sy manokatra ny varavaran’ny lanitra ary mandrotsaka ireo fitahian’ Andriamanitra tsy eo amin’ireo izay tompointsika fotsiny fa eo amintsika ihany koa. Rehefa manolo-tanana ny hafa isika dia afaka mahafantatra amim-pahatokian-tena lalina fa manaiky amim-pankasitrahana ny asa fanompoana ataontsika Andriamanitra. Mitsiky amintsika Izy rehefa manolotra ireo asa fangorahana avy amin’ny fo ireo isika, indrindra ireo asa tsy hita maso sy tsy tsikaritry ny hafa.8

 Isaky ny manao zavatra ho an’ny hafa isika, dia manao dingana iray manakaiky kokoa ny fahatongavana ho mpianatra tsara sy marin’ilay Iray izay nanome izay nananany rehetra ho antsika, dia ny Mpamonjy antsika izany.

Nanomboka tany amin’ny fiahiana nankany amin’ny fanaovana asa tany amin’ny fampisehoana an-dalambe

Nandritra ny faha-150 nitsingerenan’ny fahatongavan’ireo mpisava lalana tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake, dia filohan’ny tsatòka tao Henefer, Utah Rahalahy Myron Richins. Nahitana ny filalaovana an-tsehatra ny fandalovan’ireo mpisava lalana tao amin’io tanàna io ilay fankalazana.

Tena nandray anjara mavitrika tamin’ny drafitr’ilay fankalazana ny Filoha Richins, ary nanatrika fivoriana maro niaraka tamin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo olona hafa izy mba hiresahana ireo hetsika hatao. Tena nilofo tanteraka izy.

Talohan’ny kelin’io fankalazana io dia nohavaozina ny tsatòkan’ny Filoha Richins ary nisaorana tamin’ny naha-filoha azy izy. Indray alahady taorian’izay raha nanatrika ny fivorian’ny fisoronana teo anivon’ny paroasiny izy dia nangataka olona hilatsaka an-tsitrapo mba hanampy amin’ilay fankalazana ireo mpitarika. Nanangana ny tanany niaraka tamin’ireo olona hafa ny Filoha Richins ary nomena toromarika izy mba hanao akanjo fitondra manao asa ary hitondra ny kamiaony ary angady.

Farany dia tonga ny maraina hanaovana ilay asa ary nandeha nanatanteraka an-tsitrapo ny adidiny ny Filoha Richins.

Herinandro vitsivitsy monja talohan’izay dia nitondra anjara biriky nahery vaika teo amin’ny fandrafetana sy fanaraha-mason’io hetsika lehibe io izy. Tamin’izay andro izay anefa dia ny nanaraka ireo soavaly tao anatin’ilay fampisehoana an-dalambe no asany ary nanadio izay maloto nataon’izy ireo.

Nataon’ny Filoha Richins tamim-pifaliana sy tamim-pitsikiana izany.

Takany fa tsy misy karazana asa fanompoana iray izay ambony noho ny anankiray hafa.

Fantany sy nampihariny ilay tenin’ny Mpamonjy hoe: “Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.”9

Manao asa amin’ny maha-mpianatra araka ny tokony ho izy

Indraindray isika maniry hahazo toerana ambony tahaka ireo Zana-baratra. Mikatsaka ny hahazo sitraka isika. Mikatsaka ny hitarika sy hitondra anjara biriky isika mba hotsaroan’ny olona foana ny nataontsika.

Tsy misy maharatsy ny manompo ny Tompo fa rehefa mikatsaka ny hanana fahafahana mitarika ao amin’ny Fiangonana mba ho tombontsoantsika isika, mba hahazoana dokadoka sy sitraka avy amin’ny olona, dia azontsika tokoa izany valisoantsika izany. Rehefa “ankafizintsika” ny dokadokan’ny hafa dia izany dokadoka izany no ho valisoantsika.

Inona no antso tena manan-danja indrindra ao amin’ny Fiangonana? Ilay antsonao amin’izao fotoana izao izany. Na tsy manan-danja na ambony toy ny inona izany dia ilay antsonao amin’izao fotoana izao no ilay iray izay hanome fahafahana anao tsy hoe hanohana ny hafa fotsiny fa hahatonga anao ho lasa ilay olon’ Andriamanitra araka ny tena nahariana anao.

Ry namana malalako sy rahalahy ao amin’ny fisoronana, ampiroboroboy ny antsonareo!

Nampianatra ny Filipiana i Paoly hoe: “Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana, fa amin’ny [fanentrentena] dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.”10

Manompo amim-panajana

Ny fikatsahana haja aman-boninahitra ato amin’ny Fiangonana ho solon’ny fanompoana tena izy sy amim-panentrentena atao amin’ny hafa dia toy ilay takalo nataon’i Esao.11 Mety hahazo valisoa ara-nofo isika saingy ho very zavatra tena sarobidy be mihitsy, dia ny fankasitrahan’ Andriamanitra izany.

Ndeha isika hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy, izay malemy fanahy sady tsy miavona am-po, izay tsy nikatsaka ny voninahitra avy amin’ny olona fa ny hanao ny sitrapon’ny Rainy.12

Ndeha isika hanompo ny hafa amin-kery sy amim-pankasitrahana ary amim-panajana. Na dia tsotra na tsy manan-danja aza ny asa fanompoana ataontsika, ireo izay manolo-tanana ny hafa amin-katsaram-panahy sy amim-pangorahana dia hahafantatra ny lanjan’ny asa fanompoana nataony amin’ny alalan’ilay fahasoavana mandrakizay sy miavaka avy amin’ Andriamanitra Tsitoha.13

Ry rahalahy malala, ry namana malala, enga anie isika hisaintsaina sy hanakatra ary hiaina ity lesona manan-danja mikasika ny fitarihana ato amin’ny Fiangonana sy ny fomba fitantanan’ny fisoronana ity: “Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.” Izany no vavaka sy tsodrano ataoko amin’ny anarana masin’ilay Tompo sy Mpanavotra antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.