2010–2019
Ny feo fampitandremana
Aprily 2017


Ny feo fampitandremana

Na dia ireo mpaminany aza no tena mahatsapa indrindra ny halehiben’ny andraikitra hampitandrina dia andraikitra ifampizarana amin’ny hafa ihany koa izany.

Teraka teo ho eo amin’ny roapolo taona talohan’ny nandaozan’i Lehia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema ny mpaminany Ezekiela. Tamin’ny 597 talohan’i J.K., fony i Ezekiela 25 taona dia anisan’ireo olona maro babon’i Nebokadnezara tany Babylona izy, ary ny zavatra fantatsika dia nonina tany mandra-pahafatiny izy.1 Ny rohim-pirazanana nisy azy dia ny an’ireo mpisorona tahaka an’i Aharôna, ary fony izy 30 taona dia lasa mpaminany.2

Raha niantso an’i Ezekiela ho mpaminany i Jehovah dia nampiasa ny fanoharana momba ny mpitily Izy.

“Ary hitan[’ny mpitily] fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy;

“Nefa tsy mety taitra izay mandre ny feon’ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny rany.”3

Etsy ankilan’izay kosa, “raha hitan’ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, … ny ràny dia hadiniko amin’ny tànan’ilay mpitily.”4

Avy eo, raha niresaka mivantana tamin’i Ezekiela i Jehovah dia nilaza hoe: “Koa hianao, ry zanak’olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako hianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.”5 Ilay fampitandremana dia ny hiala amin’ny fahotana.

“Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa hianao! nefa tsy mety mananatra azy hianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ny tananao.

“Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa hianao hiala amin’ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao. …

“Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy; …

“Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.”6

Mahaliana tokoa fa mihatra amin’ny olo-marina ihany koa io fampitandremana io. “Raha lazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa hianao, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.”7

Raha niangavy ny zanany Andriamanitra dia hoy Izy tamin’i Ezekiela hoe: “Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’ Isiraely?8

Tsy sanatria akory hoe maika ny hanameloka antsika fotsiny ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy fa mikatsaka kosa ny fahasambarantsika sy miangavy antsika hibebaka Izy ireo, noho ny fahafantarana tsara fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana [ary tsy ho fahasambarana] na oviana na oviana.”9 Noho izany i Ezekiela sy ireo mpaminany rehetra taloha sy nanomboka tamin’izay, rehefa miresaka momba ny tenin’ Andriamanitra amim-kafanam-po dia mampitandrina ny rehetra hiala amin’i Satana, ilay fahavalon’ny fanahin’izy ireo, ary “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra.”10

Na dia ireo mpaminany aza no tena mahatsapa indrindra ny halehiben’ny andraikitra hampitandrina dia andraikitra ifampizarana amin’ny hafa ihany koa izany. Raha ny marina, “ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany.”11 Isika izay nandray ny fahalalana ny drafitra lehiben’ny fahasambarana, sy ireo didy ao anatin’izany, dia tokony hanana faniriana hizara izany fahalalana izany satria izany no hampiova tanteraka ny fiainana eto sy ny mandrakizay. Ary raha manontany isika hoe: “Iza ary no namako izay tokony hampitandremako?” dia azo antoka fa hita ao amin’ilay fanoharana manomboka amin’ny hoe: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy”12 sy ny sisa ny valiny.

Ny fandinihana ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy amin’ity sahan-kevitra ity dia mampahatsiahy antsika fa ny fanontaniana hoe “Iza ary no namako?” dia mifamatotra amin’ireo didy roa lehibe indrindra: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”13 Ny antony manosika antsika hanandratra feo fampitandremana dia fitiavana, fitiavana an’ Andriamanitra sy fitiavana ny hafa. Ny mampitandrina dia maneho firaharahiana. Nampianatra ny Tompo fa izany dia tokony hatao “amin’ny fahamorana sy amin’ny halemem-panahy”14 ary “amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy … , ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.”15 Mety mila atao haingana izany, tahaka ny fampitandremantsika zaza iray mba tsy hikitika afo. Tsy maintsy mazava tsara ilay izy, ary hentitra mihitsy indraindray. Misy fotoana ny fampitandremana dia mety hanana endrika fanitsiana “rehefa entanin’ny Fanahy Masina,”16 saingy mifototra hatrany amin’ny fitiavana izany. Hitanareo ohatra ilay fitiavana izay manosika ireo misiônerantsika hanompo sy hahafoy tena.

Tena marina fa ny fitiavana dia hanery ny ray aman-dreny hampitandrina ny “namany” akaiky indrindra, dia ny zanany izany. Midika hoe mampianatra sy mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara izany. Midika hoe mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny zanaka izany: finoana, fibebahana, batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.17 Nampahatsiahy ireo ray aman-dreny ny Tompo hoe: “Efa nodidiako ianareo hitaiza ny zanakareo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.”18

Ny zavatra fototra iray ao amin’ny andraikitra mba hampitandrina amin’ny maha-ray aman-dreny dia tsy ny filazalazana ny voka-dratsin’ny fahotana fotsiny ihany fa ny fanehoana ny fifaliana azo avy amin’ny fankatoavana ny didy ihany koa. Tsarovy ny tenin’i Enôsa momba ny zavatra nanosika azy hikatsaka an’ Andriamanitra, hahazo famelan-keloka, ary hiova fo:

“Indro, nandeha nihaza bibidia tany an’ala aho; ary ny teny izay efa reko matetika notenenin-draiko momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina, dia tafalatsaka lalina tao am-poko.

“Dia mosarena ny fanahiko; ary nandohalika teo anoloan’ny Mpanao ahy aho ary nitalaho taminy sady nahery nivavaka no nitaraina.”19

Noho ny fitiavany sy ny firaharahiany ny hafa sy ny firaharahiany ny fahasambaran’izy ireo izay tsy manam-paharoa dia tsy niahotra ny hampitandrina i Jesoa. Tany am-piandohan’ny asa fanompoany dia “nanomboka nitori-teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”20 Koa satria fantany fa tsy izay lalana rehetra dia hitondra any an-danitra avokoa dia nandidy Izy hoe:

“Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any:

“Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”21

Nandany fotoana tamin’ny mpanota Izy, ary nilaza hoe: “Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.”22

Raha ny amin’ireo mpanora-dalana sy Fariseo ary Sadoseo kosa dia tsy nisalasala mihitsy i Jesoa nanameloka ny fihatsarambelatsihan’izy ireo. Nivantana ireo fampitandremana sy didy nomeny: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.”23 Azo antoka fa tsisy hilaza hoe ny Mpamonjy dia tsy tia an’ireo mpanora-dalana sy Fariseo ireo, rehefa dinihana dia nijaly sy maty mba hamonjena azy ireo ihany koa Izy. Fa noho ny fitiavany azy ireo dia tsy afaka namela azy ireo hanohy hiaina ao anatin’ny fahotany izy ireo fa nanitsy azy ireo mazava tsara Izy. Ny mpandinika iray dia nilaza hoe: “Nampianatra ireo mpanara-dia Azy mba hanao izay nataony i Jesoa: ny handray tsara ny olon-drehetra, nefa koa ny hampianatra momba ny fahotana, satria ny fitiavana dia mitaky fampitandremana ny olona momba izay mety hanimba azy ireo.”24

Indraindray ireo izay manandratra feo fampitandremana dia raisina ho mpitsaratsara. Toa mampihomehy anefa fa ireo izay mitompo teny fa ny fahamarinana dia afaka miovaova ary ireo fenitra ara-pitondran-tena dia miankina amin’ny zavatra tiana manokana, dia toa izy ireo ihany matetika no tena manakiana mafy ny olona tsy manaiky izay heverin’ny fiarahamonina fa “fisainana araka ny tokony ho izy” ankehitriny. Ny mpanoratra iray dia niantso an’izany hoe “kolontsaina mivoy ny fahatahorana fahafaham-baraka”:

“Ao anatin’ny kolontsaina mivoy ny fahatahorana ho meloka dia mahafantatra ianao hoe nanao ny tsara na nanao ny ratsy avy amin’ny feon’ny fieritreretanao. Ao anatin’ny kolontsaina mivoy ny fahatahorana fahafaham-baraka dia mahafantatra ianao hoe nanao ny tsara na nanao ny ratsy avy amin’ny zavatra lazain’ny fiaraha-monina momba anao, ka na izany manome haja anao, na manilikilika anao. … [Ao anatin’ny kolontsaina mivoy ny fahatahorana fahafaham-baraka] dia tsy mifototra amin’ireo fitsipiky ny hoe tsara sy ratsy ny fiainana ara-pitondrantena fa mifototra kosa amin’ny hoe ekena sy ahilikilika. …

“… Tsy mahatoky tena mihitsy ny olona rehetra miaina ao anatin’ny tontolo ara-pitondrantena mifototra amin’ny fanekena sy ny fanilikilihana. Tsy misy fenitra maharitra ela fa fivadibadihan’ny fitsaratsaran’ny hafa fotsiny. Izany dia kolontsaina mivoy ny fahatafintohinana tafahoatra sy ny fahatezerana tafahoatra ary ny fanahiana matetika momba ny hoe tsara sa ratsy rehefa mahatsapa ho voatery hanaraka ny be sy ny maro ny olona tsirairay. … 

“Mety ho tena sarotra ny ao anatin’ilay kolontsaina mivoy ny fahatahorana ho meloka, kanefa afaka mankahala ny fahotana sady mbola mitia ny mpanota anefa ianao. Ny kolontsaina mivoy ny fahatahorana fahafaham-baraka amin’izao fotoana izao dia toa mody manome lanja ny fanekena sy ny fandeferana kanefa mahavariana fa mety tsy hananan’izany antra mihitsy ireo izay tsy manaiky sy ireo izay tsy mitovy amin’ny rehetra.”25

Mifanohitra amin’izany ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika,”26 izay fototry ny fahamarinana sy fahatsarana azo antoka sy tsy miova. Tsara lavitra ny manana ny lalàn’ Andriamanitra tsy miova izay hahafahantsika misafidy ny hoavintsika, toy izay ho eo ambanin’ny fangejan’ny lalàna tsy ampoizina sy ny hatezeran’ny mpihetraketra ao anatin’ny tambazotra ifaneraserana. Tsara lavitra ny mahafantatra ny fahamarinana, toy izay “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra.”27 Tsra lavitra ny mibebaka sy miaina araka ny fitsipiky ny filazantsara toy izay mody milaza hoe tsy misy tsara sy ratsy izany dia mitanondrika ao anaty fahotana sy nenina.

Nanambara ny Tompo hoe: “Hiantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana amin’ny alalan’ ny vavan’ny mpianatro izay efa nofidiko amin’izao andro farany izao.”28 Amin’ny maha-mpitily sy mpianatry ny Tompo antsika, dia tsy afaka ny hijanona ho tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa amin’izany “làlana tsara indrindra” izany isika29 Tahaka an’i Ezekiela dia tsy azontsika atao ny “tsy [m]itsoka ny anjomara” rehefa hitantsika ny fahatongavan’ilay sabatra.30 Tsy midika akory izany fa tokony handondona ny varavaran’ny mpifanolo-bodirindrina amintsika isika na hijoro eny an-dalambe eny ka hiantsoantso hoe “Mibebaha!” Rehefa eritreretina izany dia marina tokoa fa ananantsika ao amin’ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ny zavatra tena ilain’ny olona indrindra. Noho izany ilay feo fampitandremana amin’ny ankapobeny dia tsy atao amim-pahalalam-pomba fotsiny ihany fa atao ihany koa, araka ny voalazan’ny mpanao Salamo azy hoe “[amin’ny fihobiana].”31

I Hal Boyd, mpamoaka lahatsoratra ao amin’nyDeseret News dia nilaza ohatra iray momba ny voka-dratsy eo amin’ny hafa izay entin’ny tsy fanandratana feo rehefa ilaina izany. Nilaza izy fa na dia mbola “adihevitra ara-tsaina” eo anivon’ireo olona sangany ao amin’ny fiarahamonina Amerikanina aza ny fanambadiana dia tsy iadian-kevitra intsony ny fanambadiana eo amin’izy ireo rehefa ny fampiharana izany no jerena. “-Ireo olona sangany dia manambady sy mitoetra ao amin’ny fanambadiana ary maka antoka fa mahazo ireo tombontsoa avy amin’ny fanambadiana milamina ny zanany.- … Ny olana anefa dia toa tsy mitory ny zavatra ataony [izy ireo].” Tsy te “hanery” ireo izay tena mila ny fitarihan’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena izy ireo, saingy “efa tonga angamba ny fotoana tokony hialan’ireo izay nahita fianarana sy manana fianakaviana matanjaka amin’ny fijanonana ho tsy an’ny atsy sy tsy an’ny aroa ary ny hanombohan’izy ireo ny fitoriana izay zavatra ataony mahakasika ny fanambadiana sy ny maha-ray aman-dreny … [ary] ny hanampian’izy ireo ireo Amerikanina toy azy mba hanao izay ataony.”32

Matoky izahay fa ianareo taranaka vao misondrotra, zatovo sy tanora tokan-tena izay azonay antoka fa hianteheran’ny Tompo amin’ny fahombiazan’ny asany amin’ny hoavy, dia hanohana ireo fampianaran’ny filazantsara sy ireo fenitry ny Fiangonana na eny imasom-bahoaka izany na amin’ny sehatra na toe-javatra manokana. Aza avela ho sahiran-tsaina sy ho very ao anatin’ny tsy fahalalana ireo izay tena mila ny fahamarinana. Aza mety ho resin’ny fakam-panahy hanaiky ireo hevi-diso momba ny fandeferana sy ny tahotra (fahatahorana ny fahasarotana na ny fanakianana na ny fijaliana mihitsy aza.) Tsarovy ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe:

“Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

“Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”33

Amin’ny farany dia ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra noho ny safidy nataontsika sy ny fiainana niainantsika avokoa isika rehetra. Nanambarana ny Mpamonjy hoe: “Naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy.”34

Noho ny fahafantarako ny halehiben’ny Tompo dia miangavy aho amin’ny alalan’ireo tenin’i Almà manao hoe:

“Ary ankehitriny, ry rahalahiko [sy anabaviko], dia iriako hatrany amin’ny aty foko indrindra, eny, amin’ny tebiteby lehibe, amin’ny fanaintainana aza … ny hanarianareo ny fahotanareo ary ny tsy hanemoranareo ny andron’ny fibebahanareo;

“Fa ny mba hanetrenareo tena kosa eo anoloan’ny Tompo sy ny hiantsoanareo ny anarany masina ary ny hiambenanareo sy ny hivavahanareo lalandava mba tsy hahazoana maka fanahy anareo mihoatra noho izay azonareo zakaina, ary dia hotarihin’ny Fanahy Masina … ;

“Manana finoana ny Tompo; manana fanantenana fa ho azonareo ny fiainana mandrakizay; manana ny fitiavana an’ Andriamanitra mandrakariva ao am-ponareo mba ho azo hasandratra ianareo amin’ny andro farany ary hiditra ao amin’ny fitsaharany.”35

Enga anie isika tsirairay ho afaka miara-miteny amin’i Davida amin’ny Tompo hoe: “Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonana lehibe aho. Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko.”36 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.