2010–2019
Ho an’ireo naman’ny Fiangonana
Aprily 2017


Ho an’ireo naman’ny Fiangonana

Raha manao izay zavatra takina hahazoana fanambarana ianareo, manetry tena, mamaky soratra masina, mivavaka, ary mibebaka dia hisokatra ny lanitra, dia ho fantatrareo fa i Jesoa no Kristy.

Indray zoma tolakandro, ny 16 septambra 1988, no nanaovana batisa ahy ho mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny trano fivorian’ny paroasin’i Vicente López ao Buenos Aires, Argentine. I Alin Spannaus izay namana tena tsara iray no nanao batisa ahy tamin’io andro io, ary nahatsapa ho faly sy maivamaivana aho ary dodona ny hianatra bebe kokoa.

Sary
Ny batisan’ny Loholona Costa

Anio aho dia te hizara lesona vitsivitsy nianarako teo amin’ny lalako nankamin’ny batisa, lesona izay antenaiko fa mety hanampy anareo izay mihaino ary tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana. Mivavaka aho mba hikasihan’ny Fanahy ny fonareo tahaka ny nikasihany ny ahy.

Voalohany, mihaona amin’ny misiônera

Inona no mety ho antony hahatonga ny olona iray tsy manana olana mavesatra, na filana goavana, na fanontaniana tena manitikitika ho liana hihaona amin’ny misiônera ka hihaino ny lesona zarain’izy ireo? Ho ahy dia fitiavana izany, fitiavana zazavavy, zazavavy iray antsoina hoe Renée. Raiki-pitia taminy aho, ka naniry ny hanambady azy. Niavaka tamin’ny hafa izy ary nanaraka fenitra hafa raha nampitahaina tamin’ireo zatovovavy fantatro. Kanefa raiki-pitia taminy aho ka nangataka azy ho vadiko, dia tsia hoy izy!

Sary
Ny Loholona Costa sy Rahavavy Costa

Tsy azoko ny zava-niseho. Nataoko fa mba mahatsiriritra ihany aho! Tsara tarehy aho, 24 taona, ary nahavita fianarana tany amin’ny oniversite sady nanana asa tsara. Niresaka momba ny tanjony izy, dia ny tsy hanambady afa-tsy olona afaka hitondra azy any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay, ka dia nolaviny ny fangatahako. Tiako hitohy ny fifandraisanay ka dia nanaiky ny hihaino ny misiônera aho. Antony tsara hihaonana amin’ny misiônera ve izany? Ho ahy aloha dia tsara e!

Rehefa nihaona voalohany tamin’ny misiônera aho dia tsy nahatakatra zavatra firy tamin’izay nolazain’izy ireo, ary raha ny tena marina no lazaina dia mety tsy dia niraharaha azy ireo loatra aho. Tsy liana tamin’ny fianarana momba ny fivavahana hafa aho. Te hanaporofo fotsiny aho fa diso ireo misiônera ary te hanana fotoana misimisy kokoa handresena lahatra an’i Renée hanambady ahy ihany na izany aza.

Amin’izao fotoana izao ireo zanako dia misy efa nahavita ary misy mbola manao asa fitoriana, ary azoko tsara ny fahafoizantena ataon’ireo tovolahy sy tovovavy tanora ireo mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tahaka izay aho mba nihaino tsara an’i Elder Richardson, Elder Farrell, ary Elder Hyland, ireo misiônera mahafinaritra nampianatra.

Ka avy amin’ny lesona voalohany azoko dia milaza aminareo aho ry naman’ny Fiangonana hoe: raha vantany vao mihaona amin’ny misiônera ianareo dia aza ivazivaziana izy ireo. Mahafoy taona tena manan-danja eo amin’ny fiainany ho anareo fotsiny izy ireo.

Faharoa, mankany am-piangonana

Tamin’ny fotoana voalohany nanatrehako fivoriam-piangonana dia nahare teny maro tsy azoko aho. Fa iza izany Toho-tantely izany? Inona izany Fisoronana Aharôna izany? Ny Fikambanana Ifanampiana?

Raha ity no fotoana voalohany nanatrehanareo fivoriam-piangonana ary mahatsapa ho mikorotan-tsaina amin’ny zavatra tsy azonareo ianareo, dia aza manahy! Izaho koa tsy nahalala na inona na inona. Saingy mbola tsaroako ny fahatsapana tato anatiko, ireo fahatsapana fiadanana sy fifaliana vaovao izay niainako. Tsy fantatro tamin’izany, fa ny Fanahy Masina dia nibitsika tao an-tsofiko sy tao am-poko hoe: “Marina io.”

Koa mamelà ahy hamintina io lesona io ao anatin’ny fehezan-teny iray: Raha toa mikorontan-tsaina ianareo dia aza manahy; tadidio ny zavatra tsapanareo; avy amin’Andriamanitra izy ireo.

Fahatelo, mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Rehefa avy nihaona imbetsaka tamin’ny misiônera dia tsy nisy fivoarana firy. Tsapako fa tsy mbola nahazo fanamafisana momba ny fahamarinan’ny filazantsara aho.

Indray andro dia nanontany ahy i Renée hoe: “Mamaky ny Bokin’i Môrmôna ve ianao?”

Namaly aho hoe: “Tsia.” Nihaino ireo misiônera aho, tsy efa ampy ve izay?

Nanome toky ahy tamin’ny masony manganohano i Renée fa fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary nanazava izy fa raha tiako ny hahafantatra raha marina izany, ny hany fomba hahalalana izany dia, inona hoy ianareo? Ny mamaky izany. Ary avy eo dia manontany!

Mamaky, misaintsaina ao am-po, ary “[manontany] an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, … amin-kitsimpo …, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy” (Môrônia 10:4) raha marina ny Bokin’i Môrmôna, raha ity no Fiangonana marina.

Koa raha lazaina amin’ny fehezan-teny iray izany ny lesona fahatelo dia toy izao: Rehefa mandray ireo zavatra ireo ianareo, ny Bokin’i Môrmôna, ary amporisihina hamaky sy hanontany an’Andriamanitra ianareo raha marina izany, dia ataovy tsotra izao azafady!

Farany, mibebaka

Ny traikefa farany tiako hozaraina dia momba ny fibebahana. Rehefa nahavita nianatra ny lesona rehetra avy amin’ny misiônera aho dia tsy mbola resy lahatra fa nila nanova zavatra teo amin’ny fiainako. I Elder Cutler, izay misiônera tanora nahatoky tena tsy dia mahay miteny Espaniôla tsara, no nilaza izao indray andro hoe: “Joaquin a! andao hiara-hamaky ny Almà 42, dia ampidiritsika ao ny anaranao rehefa mamaky izany isika.”

Noheveriko ho haladana izany, kanefa nanao izay nangatahan’i Elder Cutler aho ka namaky ny andininy 1 hoe: “Ary ankehitriny anaka [Joaquin], dia takatro fa somary misy ihany izay manahirana ny sainao, izay tsy mety azonao.” Oadray! Niresaka tamiko ilay boky.

Dia namaky tao amin’ny andininy 2 izahay hoe: “Ankehitriny, indro, [ry Joaquin zanako], hohazavaiko anao izany zavatra izany,” ary taorian’izay dia notantaraina ny Fahalavoan’i Adama.

Ary avy eo tao amin’ny andininy 4: “Ary dia toy izany no ahitantsika, fa nisy fotoana nomena [an’i Joaquin] hibebahana.”

Nanohy namaky miadana ny andininy tsirairay izahay, mandrapahatonganay teo amin’ny andininy telo farany. Avy eo dia nisy hery mahery vaika nahakasika ahy. Niresaka mivantana tamiko ilay boky, ary nanomboka nitomany aho rehefa namaky hoe: “Ary ankehitriny [ry Joaquin zanako], dia maniry aho ny tsy hamelanao intsony ireo zavatra ireo hanahirana ny sainao, ary aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao, amin’ ity fahasahiranana ity izay hitondra anao hidina any amin’ ny fibebahana” (andininy 29).

Fantatro ankehitriny fa nanantena ny hahazo fanambarana aho kanefa tsy nanao izay ezaka notakian’izany. Tsy mbola tena niresaka tamin’Andriamanitra izany mihitsy aho raha tsy tamin’izay ary izany hoe hiresaka amin’ny olona tsy teo izany dia toa hadalana tamiko. Tsy maintsy nanetry tena aho ary nanao izay nasaina nataoko, na dia toa hadalana aza izany tao anatin’ny saiko izay nanana fiheverana toy ny an’izao tontolo izao.

Tamin’izay andro izay aho dia nanokatra ny foko ho an’ny Fanahy, naniry ny hibebaka, ary naniry ny hatao batisa! Talohan’izay fotoana izay dia noheveriko fa zavatra ratsy misy ifandraisany amin’ny fahotana sy ny fanaovana ny tsy mety fotsiny ihany ny fibebahana, saingy tampoka teo dia takatro tamin’ny fomba fijery hafa izany, ho toy ny zavatra tsara izay mandresy ny sakana ho amin’ny fandrosoana sy ny fahasambarana.

Eto ny Loholona Cutler androany, ary te hisaotra azy aho nanokatra ny masoko. Nisy fiantraikany tamin’ny fanapahan-kevitra rehetra noraisiko teo amin’ny fiainako nanomboka tamin’izay ilay fotoana izay nanetreko tena sy nivavahako mba hangataka famelan-keloka, ary lasa tafiditra tao anatin’ny fiainako ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay nataony ho ahy.

Koa raha lazaina amin’ny fehezan-teny iray izany ny lesona farany dia toy izao: Mibebaha; tsy misy na inona na inona afaka mampanakaiky anao an’i Jesoa Kristy Tompo mihoatra ny faniriana hiova.

Ry naman’ny Fiangonana malalako, raha mihaino ianareo androany dia efa tena kely sisa ianareo dia hahatratra ny fifaliana lehibe indrindra. Efa kely sisa!

Mamelà ahy hanasa anareo, amin’ny herin’ny foko manontolo, sy amin’ny fanahiko manontolo hoe: mandehana manao batisa! Izany no ho zavatra tsara indrindra ataonareo eo amin’ny fiainana. Tsy ny fiainanareo fotsiny ihany no hovain’izany fa ny fiainan’ireo zanakareo sy zafikelinareo ihany koa.

Sary
Ny andro nanambadian’ny Loholona Costa sy Rahavavy Costa

Nomen’Andriamanitra fianakaviana aho. Nanambady an’i Renée aho, ary manan-janaka efatra tsara tarehy izahay. Ary noho ny batisako dia afaka manasa azy ireo, tahaka ny mpaminany Lehia fahiny aho, mba hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina, dia ny fitiavan’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 8:15; 11:25). Afaka manampy azy ireo hanatona an’i Kristy aho.

Koa noho izany dia diniho ny zavatra niainako, ary (1)  aza ivazivaziana ny misiônera, (2)  mankanesa any am-piangonana dia tadidio ireo fahatsapana ara-panahy, (3) v akio ny Bokin’i Môrmôna dia anontanio ny Tompo raha marina izany, ary (4)  mibebaha dia manaova batisa.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa raha manao izay zavatra takina hahazoana fanambarana ianareo, manetry tena, mamaky soratra masina, mivavaka, ary mibebaka dia hisokatra ny lanitra, ary ianareo dia hahafantatra, tahaka ny hahafantarako, fa i Jesoa no Kristy, ary Izy no Mpamonjy ahy sy Mpamonjy anareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.