2013
Ataovy Tsara ny Andraikitrao
Ôktôbra 2013


Ataovy Tsara ny Andraikitrao

Nalaina avy tamin’ny takariva amorom-patan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy manambady izay natao tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho, tamin’ny 4 Martsa 2012. Mba hahitana ilay lahatsoratra feno amin’ny teny Anglisy, dia tsidiho ny lds.org/broadcasts/archive/ces-devotionals/2012/01?lang=eng.

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Aoka ianao ho marin-toetra. Manorenà fianakaviana. Mitadiava fomba tsara hamelomana. Manompoa rehefa antsoina. Miomàna hihaona amin’Andriamanitra.

Matetika ny Filoha David O. McKay (1873–1970) no mitantara zavatra iray niseho fony izy misiônera tany Écosse. Nahatsapa ho manimanina ny toeram-ponenany sy ny fianakaviany izy raha mbola vao haingana kely no tany amin’ny sahan’ny asa fitoriana ary nandany ora vitsivitsy nitsidihana ny lapa Stirling Castle teo akaiky teo. Rehefa niverina avy nitsidika ilay lapa izy sy ny mpiara-mitory aminy dia nandalo teo amin’ny trano iray ka ny vato teo ambonin’ilay varavarana dia nahitana soratra voasokitra izay teny nampiasain’i Shakespeare, mivaky toy izao: “Na inona na inona ataonao dia ataovy tsara ny andraikitrao.”

Rehefa nitantara izany zavatra niainany izany ny Filoha McKay dia nanazava hoe: “Hoy aho tamin’ny tenako na hoy ny Fanahy tao anatiko hoe, ‘Mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Mbola mihoatra noho izany aza, solontenan’i Jesoa Kristy Tompo ianao. Nanaiky ilay andraikitra hoe ho solontenan’ny Fiangonana ianao.’ Avy eo aho dia nieritreritra ny zavatra nataonay nandritra ny marainan’iny. Nitsidika toerana mana-tantara izahay. Nandray fampianarana sy fampahalalana ara-tantara izahay ary marina izany, ary tena nahafaly ahy izany. … Kanefa, tsy asa fitoriana izany. … Nekeko ilay hafatra nomena ahy teo amin’io vato io, ary nanomboka tamin’io fotoana io izahay dia niezaka nanao ny andraikitray amin’ny maha-misiônera anay tany Écosse.”1

Tena nanan-danja tokoa tamin’ny Filoha McKay io hafatra io ary nisy fiantraikany tokoa taminy, hany ka nampiasainy ho toy ny aingam-panahy nitondrany ny androm-piainany sisa. Nanapa-kevitra izy fa na inona andraikitra nananany dia ho ataony araka izay tsara indrindra vitany izany.

Sorohy ny Fanafenan-toetra

Noho ny hery goavana ahafahana manao ny tsara izay anananareo taranaka vao misondrotra ato amin’ny Fiangonana, dia inona no ahiahiko mikasika ny hoavinareo? Inona no torohevitra azoko omena anareo? Voalohany, hiatrika fanerena lehibe ianareo mba hanafin-toetra—na hanao sarontava mihitsy aza—ary ho lasa olona iray izay tsy tena ahitana taratra hoe iza moa ianao na hoe tianao ho iza ianao.

Tany am-piandohan’ny tantaran’ny Fiangonana dia tany Hiram, Ohio, tany an-tokantranon’i John sy i Alice Johnson ny Mpaminany Joseph sy i Emma ary i Joseph sy Julia zanak’izy ireo kambana izay 11 volana. Samy voan’ny kitrotro ireo zaza roa ireo. Natory teo amin’ny fandriana iray misy kodiarana izay teo akaikin’ny varavarana teo anoloana i Joseph sy ilay zanany lahy kely.

Nandritra ny alina dia indro andian-dehilahy nandoko mainty ny endriny nirohotra niditra ny varavarana ary nitaritarika ny Mpaminany ho any ivelany, ka novelesin’izy ireo izy ary nofafazan’izy ireo tara izy sy i Sidney Rigdon.

Ny tena nampalahelo tao anatin’izany fanafihan’olon-dratsy izany dia notsenain’ny rivotry ny alina i Joseph kely ka tratran’ny hatsiaka mamirifiry tamin’ny fotoana nitaritarihana ny rainy hivoaka. Vokatr’izany dia maty izy andro vitsivitsy taty aoriana.2

Ireo izay nandray anjara tamin’ny fampijalijaliana ny Mpaminany sy i Hyrum rahalahiny dia nandoko ihany koa ny tarehiny mba hanafenana ilay tena endriny.3

Amin’izao fotoana iainantsika izao, izay hita fa mora kokoa noho ny hatramin’izay ny fanafenana ny tena endrintsika marina, dia misy fitsipika manan-danja maro ao anatin’ny tsy fanaovana sarontava sy ny “fijoroana amin’ny finoana … izay nahafaty ireo martiora.”4

Ny iray amin’ireo fiarovana tsara indrindra ho anao mba tsy hanaovana safidy ratsy dia ny tsy fanaovana sarontava izay hanafenana ny tena endrika. Raha toa ianao ka sendra maniry hanao izany, dia aoka ho fantatrao fa marika lehiben’ny loza manambana izany ary iray amin’ireo fitaovana ampiasain’ny fahavalo mba hitarihana anao hanao zavatra tsy tokony hataonao.

Fahita mahazatra ankehitriny ny fanafenana ny anaranao rehefa manoratra zavatra feno fankahalana sy haratsiam-panahy ary tsififandeferan-tsaina ao amin’ny internet ka tsy mitonona anarana. Antsoin’ny olona sasany hoe fifanalam-baraka izany.

Nanoratra ny Apôstôly Paoly hoe:

“Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.

“Mifohaza tsara ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra” (1 Korintiana 15:33–34).

Mazava fa ny fifandraisana ratsy dia tsy hoe resaka tsy fahalalam-pomba fotsiny. Fa raha Olomasin’ny Andro Farany no manao izany dia afaka misy fiantraikany ratsy izany eo amin’ireo izay tsy manana fahalalana an’Andriamanitra na fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Izay mety ho fampiasana ny Internet hanaovana tsindry hazo lena, na hanimbana ny lazan’ny olona iray, na hanendrikendrehana olona iray dia mahameloka. Ny zavatra hitantsika eo amin’ny fiaraha-monina dia rehefa manao io sarontava io ny olona mba tsy hamantarana azy dia tena tafalatsaka ao anatin’ilay karazana fitondrantena izay tena manimba ilay fifampiresahana feno fanajana sy mampivoatra. Manimbazimba ihany koa ireo fitsipika fototra nampianaran’ny Mpamonjy izany.

Nampianatra ny Mpamonjy fa tsy tonga hanameloka izao tontolo izao Izy fa hamonjy izao tontolo izao. Dia nofaritany avy eo ny dikan’ny hoe fanamelohana:

“Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

“Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.

“Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany” (Jaona 3:19–21; jereo koa ny andininy 17–18).

Ny olo-marina dia tsy mila manao sarontava mba hanafenana ny tena endriny.

Aoka ianao hiaina mifanaraka amin’ny tena finoanao

Miaina mifanaraka amin’ny tena finoanao ianao rehefa mandany ny fotoanao amin’ny fanaovana ireo zavatra izay hanefy sy hampivoatra ny toetranao ary hanampy anao hitovy bebe kokoa amin’i Kristy. Manantena aho fa tsy misy aminareo mandray ny fiainana ho toy ny fialana voly sy filalaovana fotsiny fa mandray izany kosa ho fotoana “hiomanana mba hihaonana amin’Andriamanitra” (Almà 34:32).

Misy ohatra iray tena tsara mikasika ny fanaovana tsara ny andraikitsika sy ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fotoantsika avy amin’ny fiainan’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Fony izy miaramila tao amin’ny tafika an-dranomasina dia anisan’ny tao anatin’ny vondron-tafika Amerikana niaro firenena babo tany Japon izy rehefa nifarana ny Ady Lehibe faha II. Nozarain’ny Loholona Perry ity tantara ity rehefa nanambara ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy izy.

“Anisan’ny andiany voalohany tamin’ireo miaramila tamin’ny Tafika an-dranomasina Amerikana nanainga hankany Japon aho taorian’ny fanasoniavana ilay fifanekena hampitsahatra ny ady taorian’ny Ady Lehibe faha II. Rehefa niditra ny tanànan’i Nagasaki izay rava tanteraka aho, dia izany no an’isan’ireo zavatra nampalahelo indrindra niainako teo amin’ny fiainako. Rava tanteraka ny ampahany lehibe tamin’ilay tanàna. Tsy mbola voalevina ny sasany tamin’ireo maty. Amin’ny maha tafika miaro firenena babo anay dia nanangana ny foibenay izahay ary lasa nandeha niasa.

“Tena nahakivy ny toe-javatra nisy ary nisy vitsivitsy taminay naniry hanolotra zavatra bebe kokoa. Nandeha nankany amin’ilay mpamatsifanahy anay tao amin’ny antoko-miaramilanay izahay ary nangataka fahazoan-dalana hanampy hanarina ireo fiangonana Kristianina. Noho ireo famerana avy amin’ny fanjakana nandritra ny ady dia saika efa nitsahatra tsy niasa intsony ireo fiangonana ireo. Tena simba be ireo trano fiangonany vitsivitsy. Nanolo-tena an-tsitrapo hanamboatra sy hamerina handalotra ireo trano fiangonana ireo ny vondron’olona vitsivitsy taminay nandritra ny fotoana tsy niasanay mba hahafahan’izy ireo ho azo hanatanterahana fotoam-pivavahana Kristianina indray.

“… Hitanay ireo mpitondra fivavahana izay tsy afaka nanompo nandritra ireo taona maro nisian’ny ady ary namporisika azy ireo izahay mba hiverina eny amin’ny polpitrany indray. Niaina zavatra nahatalanjona izahay niaraka tamin’ireo olona ireo, rehefa niverina niaina indray ilay fahalalahana hampihatra ny finoana Kristianiana nananany izy ireo.

“Nisy zavatra iray nitranga izay hotsaroako lalandava raha handao an’i Nagasaki iny izahay ka hiverina hody. Rehefa niditra ny fiarandalamby izay hitondra anay any amin’ny sambonay izahay mba hiverenana hody dia nadalain’ireo miaramila maro hafa tao amin’ny tafika an-dranomasina. Niaraka tamin’izy ireo teo ireo vehivavy sakaizany ary nanao veloma azy ireo. Nihomehy anay izy ireo ary nilaza fa izahay dia tsy mba nankafy ilay fotoana mahafinaritra niainana tany Japon. Nandany ny fotoanay tamin’ny asa sy ny fandalorana rindrina fotsiny izahay.

“Raha mbola teo am-panadalana anay iny indrindra ry zareo dia indro tonga nanatona anay avy ery amin’ny havoana kely teo akaikin’ilay toeram-pijanonan’ny fiarandalamby ireo Kristianina Japoney mahafinaritra teo amin’ny 200 teo ho eo izay avy amin’ireo fiangonana namboarinay, nihira ny ‘La lutte suprême.’ Nidina izy ireo ary nanome fanomezana maro ho anay. Avy eo izy rehetra dia nilahatra teo amin’ny lalamby. Ary rehefa nanomboka nidina nandray ny lalamby ny fiarandalamby dia naninjitra ny tananay izahay ary nikasika fotsiny ny rantsantanan’izy ireo rehefa nanainga. Tsy nahateny izahay. Feno loatra ny fonay. Saingy feno fankasitrahana izahay fa afaka nanampy kely tamin’ny fanarenana indray ny finoana Kristianina tao amin’ny firenena iray taorian’ny ady.”5

Aoka ianareo handinika sy ho tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fampiasanareo ny fotoanareo. Araka ny hitanareo avy amin’ny ohatra nasehon’ny Loholona Perry, ny tiako horesahina eto dia tsy ny hoe tokony hampahafantarinao ny olona rehetra ny finoanao na tokony hasehonao ety ivelany fotsiny hoe manam-pinoana ianao. Mety hahasorena anao sy ny Fiangonana izany. Ny tiako horesahana dia ny hahatongavanao ho olona araka ny tokony hahatongavanao.

Mametraha Tanjona Tsara

Ny torohevitra fahatelo dia mikasika ireo tanjona sasantsasany izay tokony hodinihinareo. Tokotokony tamin’io fotoana naha miaramila tao amin’ny tafika an-dranomasina ny Loholona Perry tany Japon io ihany koa no nanompoan’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tany Japon tao amin’ny tafika ana habakabaka tany amin’ny faran’ny Ady Lehibe Faha II.

Niaraka tamin’ny Filoha Packer sy olona maro hafa aho nankany Japon tamin’ny 2004. Nanana fahafahana izy namerenana nanoritra ny sasany tamin’ireo dingana noraisiny sy nieritreretana ny sasany tamin’ireo zavatra niainany sy fanapahan-kevitra noraisiny tamin’izany fotoana izany. Rehefa nahazo lalana taminy aho dia hozaraiko aminareo ny sasany tamin’ireo zavatra tao an-tsainy sy tsapany.

Nitantara ny zavatra niainany izay nitranga tany amin’ny nosy iray miala avy eo amin’ny morontsirak’i Okinawa ny Filoha Packer. Noraisiny ho toy ny havoany ao anatin’ny tany foana izany. Ny fiomanany manokana sy ny fihaonana tamin’ireo mpikambana hafa dia nampiorim-paka lalina ny finoany an’ireo fampianaran’ny filazantsara. Ny zavatra tsy mbola ampy taminy dia ny fahazoana fanamafisana—fahalalana azo antoka fa marina ny zavatra izay efa tsapany.

Toy izao no niraketan’ilay mpanoratra ny tantaram-piainan’ny Filoha Packer ny zava-nitranga: “Ny mifanohitra tamin’ilay fikatsahana filaminan-tsaina avy amin’ny fahazoana fanamafisana no nitranga, satria dia nifanehitra mivantana tamin’ny halozan’ny ady atao amin’ny tsy manan-tsiny izy. Rehefa nikasa ny hitokana izy indray andro sy nitady fotoana mba hieritreretana dia nihanika teny amin’ny havoana iray teny ambonin’ny ranomasimbe. Hitany teo ny zavatra sisa tavela tao anatin’ny trano kelin’ny tambanivohitra iray ary ilay tanim-bomangany teo akaiky teo ihany izay tsy voakarakara. Ary hitany nitsitra teo anivon’ireo zavamaniry malazo ny vatan’ny renim-pianakaviana iray izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary ny zanany roa. Nameno alahelo lalina azy ny fahitana izany izay nifangaro tamin’ny fahatsapana fitiavana ny fianakaviany manokana sy ireo fianakaviana rehetra.”6

Avy teo izy dia niditra tao anatin’ny toeram-pialofana iray natao an-kamehana izay toerana nandinihany sy nisaintsainany ary nivavahany. Rehefa niverina nieritreritra izany zava-niseho izany ny Filoha Packer dia namaritra ny zavatra iray izay ho antsoiko hoe zavatra niainana nahazoana fanamafisana ara-panahy. Nahatsapa fanentanam-panahy izy mikasika ny zavatra tokony hataony eo amin’ny fiainana. Mazava ho azy fa tsy fantany velively tamin’izany hoe hahazo ilay antso ambony sy masina izay hazoniny ankehitriny izy. Ny fahitana tao anatiny dia ny faniriany ho lasa mpampianatra ka hanamafy ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Nanapa-kevitra izy fa hiaina ao anatin’ny fahamarinana.

Tonga tao anatiny tamin’ny fomba somary lalina ihany fa hoe mila mitady vady marin-toetra izy ary hiara-hanorina fianakaviana lehibe izy ireo. Tsapan’io miaramila vao herotrerony io fa ilay asa aman-draharaha nosafidiany dia tsy hoe hampidi-bola be, ary koa hoe mila miray saina aminy mikasika ny zavatra tokony hatao lohalaharana ilay vady malalany ary mila vonona ny hiaina tsy misy an’ireo zavatra ara-nofo sasantsasany. Rahavavy Donna Packer no vady tena tsara ho an’ny Filoha Packer. Tsy mba nanana ambim-bola betsaka izany izy ireo saingy tsy nahatsapa hoe ory na tamin’ny inona na tamin’ny inona. Nanan-janaka 10 izy ireo ary nihafy. Manana zafikely 60 izy ireo ankehitriny ary zafiafy mihoatra ny valopolo.

Nozaraiko izany tantara marina izany satria matetika loatra isika no mampifototra ny tanjontsika amin’ny zavatra omen’izao tontolo izao lanja. Tena tsotra ireo zavatra manan-danja ho an’ny mpikambana izay efa nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Aoka ianao ho marin-toetra. Manorenà fianakaviana. Mitadiava fomba tsara hamelomana. Manompoa rehefa antsoina. Miomàna hihaona amin’Andriamanitra.

Nampianatra ny Mpamponjy hoe “ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany” (Lioka 12:15).

Mitondrà Anjara Biriky eo amin’ny Firenenao sy ny Fiaraha-monina misy anao

Ankoatra ny toetra mampiavaka ny tena manokana sy ireo fahaiza-manao ary ireo fanapahan-kevitra dia tokony hitondra ny anjara birikinao eo amin’ny firenena sy fiaraha-monina misy anao ianao raha te ho tonga taranaka vanona. Ny taranaka misy anao dia mila miaro ny fahamarinana sy ny fahalalahana ara-pinoana. Ilay lova izay noraisintsika avy amin’ny fivavahana Jiosy sy Kristianina dia tsy hoe sarobidy fotsiny fa tena manan-danja ihany koa ho an’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra. Mila miaro izany ho an’ireo taranaka ho avy isika. Mila miara-miasa amin’ny olona tsara isika ka tafiditra ao anatin’izany ireo izay avy amin’ny finoana hafa—indrindra ireo mahatsiaro ho tompon’andrakitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fitondrantenany. Ireo no olona izay hahatakatra ilay torohevitra hoe “Na inona na inona ataonao dia ataovy tsara ny andraikitrao.” Ny fivelarana nahomby teo amin’ireo soatoavina Jiosy sy Kristianina sy ny fahalalahana ara-pinoana dia hahatonga ilay taranaka misy anao ho taranaka lehibe izay tena vanona.

Eo anatrehan’ireo olana misy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny dia manantena tokoa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa handray anjara araka ny tokony ho izy ianao amin’ny raharaha ara-pôlitika ao amin’ny firenena misy anao. Tsy mirona amin’ny atsy na ny aroa ny Fiangonana eo anatrehan’ny fifandirana ara-pôlitika ary tsy manohana kandidà na antoko pôlitika. Manantena kosa anefa isika fa ny mpikambana ao amintsika dia hirotsaka tanteraka eo amin’ny fanohanana kandidà na antoko pôlitika izay safidiany, ka safidy mifototra amin’ireo fitsipika izay hiaro ny fitantanana tsara ny fanjakana. Mazava ny fotopampianarantsika: Ireo olona tsara, “marin-toetra … sy hendry … dia [tokony hokatsahina fatratra]” (F&F 98:10).

Matoky anareo tanteraka izahay. Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mino marina tokoa fa afaka manorina ny fanjakana mihoatra lavitra noho ireo taranaka izay nisy tany aloha ianareo. Tsy hoe tia anareo sy matoky anareo fotsiny izahay fa mivavaka ho anareo sy mitsodrano anareo koa. Fantatray fa ny fahombiazan’ny taranaka misy anareo dia zava-dehibe ho an’ny fitohizan’ny fanorenana ny Fiangonana sy ny fivoaran’ny fanjakana. Mivavaka izahay mba hanao tsara ny andraikitrareo ianareo rehefa misoroka ny fanaovana sarontava, sy manao zavatra mifanaraka amin’ilay tena maha ianareo anareo marina, sy hametraka tanjona tsara, ary hitondra anjara biriky eo amin’ny firenena sy fiaraha-monina misy anareo.

Fanamarihana

  1. David O. McKay, ao amin’ny Francis M. Gibbons, David O. McKay: Apostle to the World, Prophet of God (1986), 45.

  2. Jereo ny Marka L. Staker, “Remembering Hiram, Ohio,” Ensign, Ôkt. 2002, 32, 35.

  3. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith [2007], 24.

  4. “Vas-tu faiblir ô jeunesse,” Cantiques, no. 164.

  5. L. Tom Perry, ao amin’ny “Joy—for Us and Others—Comes by Following the Savior,” http://lds.org/prophets-and-apostles/what-are-prophets-testimonies?lang=eng.

  6. Lucile C. Tate, Boyd K. Packer: A Watchman on the Tower (1995), 58–59.

Sarin’ny Loholona Quentin L. Cookd nalain’i Craig Dimond; sary NALAIN’i Scott Davis

Nanao tsara ny andraikiny ny Loholona L. Tom Perry rehefa niasa tany Japon.

Sarin’ny Loholona L. Tom Perry © IRI

Nahazo fitahiana ny Filoha Boyd K. Packer noho ny fametrahana tanjona tsara.

Sarin’ny Filoha Boyd K. Packer, tsy azo adika