2013
Boaty Feno Sary
Ôktôbra 2013


Boaty Feno sary

Cindy Heggie, Alberta, Canada

Taona maro lasa izay dia nanary fako tao amin’ny toeram-panariam-pako teo an-toerana izaho sy ny vadiko raha nahatsikaritra ny iray tamin’ireo vehivavy niasa tao amin’io toerana io aho nitsimpona boaty iray halatsaka ao amin’ilay milina fandoroana. Tampoka teo dia nisokatra ilay boaty, ary nisy sary maromaro nilatsaka avy tao.

Teo am-pijerena izany, dia nanana fahatsapana mahery vaika aho ny handeha haka izany boaty feno sary izany. Nitsambikina nivoaka ny fiara aho mba hanampy handroaka ireo sary. Samy nahatsapa izaho sy ilay ramatoa fa nariana tsy nahy ireo sary ireo, ary nandresy lahatra azy aho ny hamela ahy haka ireo sary mba hiezaka hitady olona izay mety haniry ny hanana azy ireo.

Rehefa nikaroka tao amin’ireo sary an-jatony tao amin’ilay boaty aho, dia nahita valopy iray misy adiresin’olona iray any Warburg, Alberta, Canada. Tao anatin’ireo taona maro taorian’izay dia nanoratra taratasy vitsivitsy tamin’ireo olona nanana anaram-pianakaviana mitovy amin’izany aho, kanefa tsy nahazo valiny mihitsy.

Rehefa nanana fahafahana nampiasa internet ny fianakaviako dia nahita aho fa nisy fikambanana misahana ny tantaran’ny fiaraha-monina tao Warburg. Nanontany aho raha toa ka nisy tamin’ireo olona niasa tao no nahafantatra ireo anarana hitako tao ambadik’ireo sary.

Nahazo antso avy amin’ny lehilahy iray nantsoin’ny fikambanana misahana ny tantaran’ny fiaraha-monina izahay iray volana taty aoriana. Nilaza izy fa nipetraka tao akaikinay ny anabaviny ary nangataka izy raha toa ka azonay ampijerena ilay anabaviny ireo sary. Mazava ho azy fa nanaiky izahay.

Ny ampitson’io dia tonga nijery ireo sary i Floyd sy Beth Hawthorn, izay samy Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa nanokatra ilay boaty aho dia hoy Rahalahy Hawthorn hoe “Io tokoa izy,” nanondro ilay sary teo ambony indrindra. Sarin’ny raiben’ny Rahavavy Hawthorn ilay izy.

Teo am-pandraisan’izy ireo ny sary tsirairay, dia nilaza tantara mikasika ireo olona tao amin’ireo sary tsirairay Rahalahy sy Rahavavy Hawthorn. Nampiahiahy an-dry Hawthorn ny fananan’izy ireo rohim-pihavanana tamin’ilay olona izay nanary ireo sary, ary tsy azon’izy ireo an-tsaina mihitsy ny antony nahatonga ireo sary ho eny amin’ny fanariam-pako.

Nahatsapa mafy tokoa aho fa nanampy ahy hamerina ireo sary tamin’ny fianakaviana Hawthorn ny Ray any an-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny asa momba ny tantaram-pianakaviana dia iray amin’ireo asa manan-danja indrindra tokony hatao. Hanampy antsika hanao ilay asa ny Tompo raha vonona ny hanao izany isika.