2013
Manasa ny Tompo Hiditra
Ôktôbra 2013


Manasa ny Tompo Hiditra

Sary
Loholona O. Vincent Haleck

“Indro efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho” (Apôkalypsy 3:20).

Fony aho zazalahy kely dia nametaka sary iray misy ny Mpamonjy mandom-baravarana ny reniko tamin’ny fotoan’ny Krismasy. Tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana izahay tamin’izany ary nanontany foana aho hoe “Nahoana i Jesoa no mandondona eo am-baravarana? Fa iza no mipetraka ao anatiny ao?”

Taona vitsy taty aoriana dia tsikaritro fa tsy nisy fisintonana azy ilay ilan’ny varavarana any ivelany izay nodondomin’ny Mpamonjy. Nila namoha ny varavarana ilay olona avy ao anatiny. Ankehitriny dia fantatro hoe iza no mipetraka ao amin’ny ilany anatin’ny varavarana. Isika no ao! Mandondona ny Mpamonjy ary mila mamoha ny varavarana sy manasa Azy hiditra eo amin’ny fiainantsika avokoa isika rehetra.

Fony aho zatovo dia nanapa-kevitra ny hanasa ny Mpamonjy ho ao amin’ny fiainako aho tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny fahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana. Ohatra tsara ho ahy ireo namako. Toy izany koa ny renibeko. Mpiasan’ny tempoly tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie izy. Mandao ny tranonay amin’ny 4:00 ora maraina izy mba hanompo ny Tompo ao amin’ny tempoly.

Roa taona katroka taorian’ny nanaovana batisa ahy dia nanapa-kevitra aho fa te hanompo ny Tompo aho ka ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Nanampy olona maro aho hianatra mikasika ny Mpamonjy nandritra ny asa fitoriana nataoko mba hahafahan’izy ireo hanasa Azy hiditra ao amin’ny fiainan’izy ireo.

Taty aoriana aho dia lasa filohan’ny misiona tany Samoa. Nanontaniako ireo misiônera vaovao foana ny fotoana nanapahan’izy ireo hevitra hanao asa fitoriana. Maro no niteny hoe tao amin’ny Kilonga izy ireo tamin’ny fotoana nanapahany hevitra hanompo!

Hanampy anao hiomana hanao asa fitoriana ny ao amin’ny Kilonga. Mianara araka izay vitanao. Mametraha tanjona hanao asa fitoriana. Dia ho afaka hanampy ny olona ihany koa ianao hanasa ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo. Hanova ny fiainanao ny maha-misiônera anao—nanova ny ahy izany.

Sary fanaingoana nataon’i Jennifer tolman