2013
Hizara ny Filazantsara amin’ny Zanak’Andriamanitra Rehetra Aho
Ôktôbra 2013


Mitondra ny Kilonga Mody

Hizara ny Filazantsara amin’ ny Zanak’Andriamanitra Rehetra Aho

Efa nihinana zavatra tena natsiro izay tianareo hozaraina ve ianareo? Indray andro ny mpaminany Lehia dia nanofy fa nihinana voankazo matsiro iray. Tsara loatra ny tsirony ka “nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahi[ny]” (1 Nefia 8:12). Tian’i Lehia hanandrana izany voankazo matsiro izany koa ny fianakaviany.

Toy ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ilay voankazo tao amin’ny nofin’i Lehia. Tian’i Lehia hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ny fianakaviany. Te hizara ny filazantsara tamin’izy ireo izy satria fantany fa hahasambatra azy ireo izany.

Matetika ny ankizy no tena mahay mizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Nahita ny misiônera teny amin’ireo lalana tany Équateur i Maria izay valo taona. Nanontany azy ireo izy raha toa izy ireo ka afaka hampianatra azy ny filazantsara. Tonga tany an-tranon’i Maria ireo misiônera mba hampianatra ny fianakaviany. I Maria no natao batisa voalohany tao amin’ny fianakaviany. Faly tokoa izy rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ihany ny fianakaviany tamin’ny farany.

Tena faly tokoa i Eric, izay sivy taona, mikasika ny fampisehoana ataon’ny Kilonga mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, ka nanasa ireo mpifanolobodirindrina taminy izy ho tonga. Tonga izy ireo.

Samy nizara zavatra sarobidy tamin’izy ireo tamin’ny olon-tiany ireo ankizy roa ireo. Rehefa mizara ny filazantsara ianao dia hitombo ny fijoroanao ho vavolombelona. Toa an’i Lehia, dia hahatsapa “fifaliana mitafotafo tokoa” ianao.

Etsy ankavia: sary nataon’i Mark Jarman; Etsy ankavanana, manaraka ny FIHODIN’NY FAMANTARANANDRO AVY ENY ambony ankavia: sary nataon’i Jim Madsen, Jared Beckstrand, Eric Barclay, ary i Celeste Smith