2013
I Jen Natao Fanomezana Ho Ahy
Ôktôbra 2013


I Jen Natao Fanomezana Ho Ahy

Monina any Utah États-Unis ny mpanoratra.

Nanao safidy ratsy maromaro aho fony tao amin’ny taona faharoa tao amin’ny lycée. Niteraka voka-dratsy lalina sy tsy fahasambarana ireo safidy ireo ary nanapa-kevitra aho ny hampiasa ny fotoam-pialantsasatro mandritra ny fahavaratra mba ho fotoana hanombohana ny fanaovana fanovana. Rehefa nanomboka indray ny fianarana dia tany amin’ny toerana fidiovana aho no nisakafo na tany amin’ny lalantsara tsy misy olona mba hialana amin’ireo naman-dratsy izay miandry hitsena ahy indray.

Tsy mbola nahatsiaro ho irery toy izany aho hatramin’izay.

Kanjo nomen’Andriamanitra fanomezana aho: Nalefany ho ahy i Jen. Tsy mba nitsara ahy velively noho ireo fahadisoako izy fa namporisika ahy kosa handroso hatrany eo amin’ilay lalana marina. Ny fahafantarana fa ho ao an-tsekoly izy dia nanampy ahy hanohy hamaky ny soratra masina sy hikolokolo ny fijoroako ho vavolombelona. Rehefa tonga ny fotoana nahazoana mari-pahazaina dia noporofoiko tamin’ny tenako fa tena vonona ny hiova aho.

Indraindray aho manontany tena hoe mety ho taiza no nisy ahy raha toa ka tsy nanampy ahy i Jen? Moa ve aho afaka nanohy niaina araka ireo fitsipiko raha tsy teo izy? Soa ihany fa tsy ho fantatro velively izany satria teo izy niaraka tamin’ny fony manontolo, vonona ny hanampy ahy.