2013
Fanafainganana ny Asa Famonjena
Ôktôbra 2013


Fanafainganana ny Asa Famonjena

Rehefa manasa sy mitia ary manompo ny hafa isika dia lasa mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy ary manampy eo amin’ny fanafainganana ny asa famonjena.

Sary
Two families interacting together.

Na dia misy aza ny fientanentanana mikasika ny fahafahan’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno miasa amin’ny alalan’ny internet sy mampitsidika ny olona ireo trano fivoriana dia ampahany kely ihany ao anatin’ilay sary lehiben’ny asa famonjena ireo fanovana ireo. Fa mbola manan-danja kokoa ny fananantsika toerana amin’ny maha mpikambana antsika ao anatin’izany sary lehiben’ny fanafainganana ny asa famonjena izany. Tsy angatahana mba hirotsaka ao anatin’ny fandaharan’asa iray vaovao akory isika. Amporisihina tsotra fotsiny isika mba ho mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy. Ny anjara asantsika dia hampirotsaka ny tenantsika ao anatin’ny fitiavana sy ny fanompoana ireo olona manodidina antsika—mampahery mpiara-miasa iray sahirana, manasa ny namantsika hanatrika batisa, manampy mpifanolobodirindrina efa antitra amin’ny fikarakarana ny zaridainany, manasa mpikambana malaindaina iray mba hiaraka hisakafo na manampy mpifanolobodirindrina iray amin’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviany. Ireo rehetra ireo dia fihetsika mandeha ho azy sy mahafinaritra mba hanasana ireo mpikambana malaindaina sy ireo izay tsy iray finoana amintsika hahafantatra ny fiainantsika ary hahafantatra ny hazavan’ny filazantsara noho izany. Ny fizarantsika aminy ireo fotoana nahafinaritra sy ireo fotoana sarobidy teo amin’ny fiainantsika dia mety tena ho fomba faran’izay mahomby ahafahantsika, na iza izany na iza, “miasa ao amin’ny tanimboalobok’i [Jesoa Kristy] ho famonjena ny fanahin’ny lehilahy [sy vehivavy]” (F&F 138:56).

Inona Moa Ilay Hoe Asa Famonjena?

Ny asa famonjena dia asan’ny Ray any an-danitra mba “hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ity asa famonjena ity dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampahavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara.1 Eritreretintsika matetika loatra fa tsy misy ifandraisany ireo lafin-javatra ao anatin’ny filazantsara ireo. Saingy tao anatin’ny Ny Asa famonjena: Fampitana Maneran-tany ho an’ny Mpitarika tamin’ny 23 Jona 2013, ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “tena tsy azo saratsarahina ny asa. Tsy misaraka ireo ezaka atao ireo fa tadifitra ao anatin’ny asa famonjena izy rehetra ireo.”2

Ilay andian-teny hoe “Fanafainganana ny Asa Famonjena”—izay anaran’ilay tranonkala (hasteningthework.lds.org) ahitana ilay fampitana—dia ilazana ilay fampanantenan’ny Tompo hoe: “Indro hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” (F&F 88:73).

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana manan-danja—batisa, fandraisana ho mpikambana, fanendrena ao amin’ny fisoronana ho an’ny lehilahy ary ireo ôrdônansin’ny tempoly—dia raisina ho toy ny dingana lehibe atao eo amin’ilay lalantsika miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra. Rehefa mandray anjara ao anatin’ilay asa famonjena isika dia manaraka ary manainga ny hafa hanaraka io lalan’ny fanekempihavanana io.

Miara-miasa eo ambanin’ireo Fanalahidin’ny Fisoronana ny Mpikambana sy ny Misiônera

Tonga izao ny fotoana hifantohana indray amin’ilay fitsipika fototra hoe: ny maha mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia midika hoe voantso mba hirotsaka tanteraka ao amin’ilay asa famonjeny. Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana misahana ny asa fitoriana ao amin’ireo vondron’ny Fiangonana sahaniny3 ary manampy ny mpikambana mba hanao ilay zavatra ataon’ny mpanara-dia marin’i Kristy—mizara ny hazavan’ny filazantsara. Ny filohan’ny misiona dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana izay manome fahafahana azy ireo hitantana ny asan’ireo misiônera izay tarihiny.4 Ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno dia nofanina mba hampianatra ireo izay voaomana handray ny filazantsara. Manampy ny mpikambana izy ireo eo amin’ny fanatanterahan’ny mpikambana ny asa fitoriana fa tsy ny mifanohitra amin’izay. Noho izany dia mpiara-miasa ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno sy ny mpikambana manao asa fitoriana eo amin’ny fitondrana ny filazantsara eo amin’ny fiainan’ireo izay nomanin’ny Tompo handray izany.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ilay fampitana hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo misiônera, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho any Aminy. Efa nomaniny ireo fitaovana ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny fomba maro, ary hanampy antsika Izy eo amin’ny asa ataontsika raha miasa amim-pinoana isika mba hanatanterahana ny Asany.”5

Sary
Elder missionaries teaching and contacting in Atlanta, Georgia.

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny maha zava-dehibe ny fitiavana. Hoy izy hoe: “Miara-miasa ao anatin’ny finoana sy firaisan-kina isika—ao anatin’ny finoana fa ny Tompo dia hitarika ny diantsika, ary ao anatin’ny firaisantsika hina sy ny firaisan-kina amin’ireo misiônera, sady entanim-pahazotoana hatrany noho ny fitiavana an’i [Jesoa Kristy] sy ny fifankatiavantsika ary ny fitiavana an’ireo izay tompointsika.6

Mitarika ny Filankevitry ny Paroasy, Mandrindra ireo Mpitarika ny Asa Fitoriana ao amin’ny Paroasy

Ny filankevitry ny paroasy, eo ambanin’ny fitarihan’ny eveka, dia manamora sy manohana ary mandrindra ireo ezaka ataon’ny mpikambana ao amin’ny paroasy amin’ny alalan’ny fandrindrana sy fitantanana ny asa famonjena ao amin’ny paroasy.7

Amin’ny maha mpikambana iray azy ao amin’ny filankevitry ny paroasy, ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy dia “mandrindra ny ezaka ataon’ny paroasy mba hahitana sy hampianarana ary hanaovana batisa ireo naman’ny Fiangonana. Mandrindra izany asa izany miaraka amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy.”8

Sary
Bishopric and ward leaders meeting together in a ward council meeting.

Hoy ny Loholona Nelson tamin’ireo mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy hoe: “Ampio [ireo misiônera] mba hameno ny boky misy ny fandaharam-potoan’izy ireo amin’ny fanaovan-javatra sy fifamotoanana manan-danja, mba tsy hananany fotoana handondonana varavarana hitady olona hampianarina…. [Ianareo] no tady mampifandray ny misiônera sy ny filankevitry ny paroasy ary ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.”9

Ny Fandrefesana Marina ny Fahombiazana

Fitahiana ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ny miaina ao anatin’izao fotoana hanafainganan’ny Tompo ny asany izao. Manana fahafahana hanao zavatra lehibe kokoa noho izay azontsika eritreretina isika satria manana ny antony nametrahany antsika eto any an-tany amin’izao fotoana izao Andriamanitra. Hahomby foana isika raha manolo-tanana amin-katsaram-panahy sy amim-pitiavana an’ireo izay mila ny finamanantsika sy ny fanampiantsika. Ny fahombiazana eo amin’ny asa fitoriana dia avy amin’ny fanarahana ny fanentanam-panahy izay mikoriana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary avy amin’ny fanasana tsotra fotsiny ny hafa hamantatra ilay fiainantsika mifototra amin’ny filazantsara. Ny fanasana no mariky ny fahombiazana fa tsy hoe vita batisa ny olona na lasa mazoto ao amin’ny Fiangonana. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo mikasika ilay tafika lehiben’ny misiônera izay niditra ao amin’ny sahan’ny asa fitoriana amin’izao fotoana izao hoe: “Tonga eo amintsika ny fotoana izay tsy maintsy ilazantsika ankehitriny hoe, ‘Indreto izy ireo fa tonga.’ Tsy maintsy manao lamina isika rehetra mikasika ity loharano nalefan’ny lanitra ity ary tsy maintsy mampiasa izany amin’izay fomba tena mahomby azo atao.”10

Sary
An elder missionary talking to a male passenger on a bus.

Tonga ny fotoana mba hahatakarantsika rehetra tsara kokoa ny anjara asantsika ao anatin’ny fanafainganana ny asa famonjena. Rehefa raisintsika ho toy ny ampahan-javatra efa fanao mahazatra eo amin’ny fiainantsika ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ny olona niova fo, ny fampahavitrihana ny mpikambana malaindaina, ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ny fampianarana ny filazantsara dia hiaina fifaliana lehibe isika ary hahazo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay ilaintsika mba hanamafisana orina ny Fiangonana ao anatin’ny taonjato faha 21.

Sary NALAIN’I i David Stoker

Sary fanaingoana nataon’i John Luke sy Cody Bell