2013
Fampahafantarana ny Mpaminany Iray: David O. McKay
Ôktôbra 2013


Fampahafantarana ny Mpaminany Iray

David O. McKay

Sary

Sary nataon’i Robert T. Barrett

I David O. McKay dia lehibe tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny fianakaviany tao Huntsville, Utah. Tia biby izy ary niompy soavaly nandritra ny fiainany manontolo. Rehefa nanao asa fitoriana tany Grande Bretagne izy dia nahita fomba fiteny izay nanjary lasa teny filamatra ho azy manao hoe: “Na iza na iza ianao dia ataovy tsara ny anjara andraikitrao.” Niverina tany Grande Bretagne im-betsaka izy ary nanokana ny Tempolin’i Londres, Angleterre tamin’ny 1958.