2013
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Ôktôbra 2013


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

“Lasa Misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako,” pejy 46: Ifanakalozy hevitra miaraka ao amin’ny fianakaviana ireo toetra dimy mampiavaka ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny filazantsarako. Dia andramo ampiharina ireo fitsipika ireo avy eo. Azonareo atao ny mamerina mamaky miaraka vetivety ny fizarana iray ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ary manome anjara asa fohy ho an’ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana mba hampianatra ampahany ao amin’ny lesona omen’ny misiônera ary ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana kosa dia mody manao hoe naman’ny fiangonana. Afaka mifanakalo hevitra momba ireo fanamby atrehina ao anatin’ny asa fitoriana ianao ary mieritreritra fomba hampivelarana ireo toetra nofaritan’ny Loholona David A.Bednar ireo.

“Aoka Ianao Hatanjaka, Ho Salama, Harani-tsaina,” pejy 52: Rehefa avy namerina namaky ny lahatsoratry ny Loholona Adrián Ochoa, dia manaova fiaraha-mientana izay manome fahafahana ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba hiaraka hanao fampiasam-batana. Afaka manao fanatanjahan-tena iray ianareo na mandeha an-tongotra. Ataovy izay handrindrana tsara ny fiaraha-mientana ataonareo mba hifanaraka amin’ny taona sy ny tanjaky ny olona ao amin’ny fianakaviana (azonareo atao ohatra ny mangataka ny zanakareo efa lehibebe mba hanampy ireo mbola kely hahavita ilay fiaraha-mientana). Rehefa vita ilay fiaraha-mientana dia ifanakalozy hevitra ao anatin’ny fianakaviana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana fiainana ahitana fampiasam-batana. Azonareo atao koa ny manomana fomba hanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny maha fianakaviana mba hanaraka ilay torohevitr’ireo mpaminanintsika velona hoe hikarakara ny vatantsika.

Amin’ny fiteninao

Ny Liahona sy ny fitaovan’ny Fiangonana hafa dia misy amin’ny fiteny maro ao amin’ny www.languages.lds.org

Sary fanaingoana, nalain’i Craig Dimond