2013
Fahasalamana Ara-batana sy Ara-pihetsehampo
Ôktôbra 2013


Mampianatra ny Jeunes Soyez Forts(Ry Tanora, Mahereza)

Fahasalamana Ara-batana sy Ara-pihetsehampo

Ho an’ny tanora sasany, ny tsy fampiharana ireo fitsipika hananana fahasalamana ara-batana dia mety ho lasa sakana lehibe amin’ny fananana namana sy fananana fahatokian-tena. Mihoatra noho izany, lafiny tena manan-danja eo amin’ny fiomanana hanao asa fitoriana ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo saingy matetika izany no tsy dia ifantohana loatra. Ao amin’ny pejy 52–53 ao amin’ity laharana ity, ny Loholona Adrián Ochoa ao amin’ny Fitopololahy dia miresaka momba ny fomba ahafahana mitandro ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetsehampo amin’ny alalan’ny fikarakarana ny vatantsika. Mampahatsiahy antsika izy mba hanao fampiasam-batana sy hanaja ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny F&F 89) mba hahasalama kokoa sy hahasambatra kokoa antsika. Rehefa manampy ny zanakao ianao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo dia ho afaka hampitombo ny fahatokian-tenany izy ireo ary afaka hiomana hanao asa fanompoana amin’ny hoavy.

Hoy ny Loholona Ochoa hoe: “Mitondra soa ho an’ny sainao koa ny fikarakaranao ny vatanao ary manampy anao hahatsiaro fa zanak’Andriamanitra ianao ary afaka ny hanana fahatokian-tena sy fifaliana. Mifandray daholo ny lafiny ara-pihetsehampo sy ara-batana ary ara-panahy eo amintsika.”

Sosokevitra Enti-mampianatra ny Zatovo

  • Hiaraho mamaky ny lahatsoratry ny Loholona Ochoa ary mandrafeta lamina iray ahafahan’ny fianakaviana miara-manao fampiasam-batana miaraka amin’ny tanjona mazava sy azo tanterahana mikasika ny fahasalamana ara-batana.

  • Iaraho mamaky amin’ireo zatovo zanakao ny fizarana momba ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza) (pejy 25–27). Ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe salama ara-pihetsehampo.

  • Iaraho mihira ny “Quand ton fardeau est lourd” (Cantiques, no. 63) ary ifanakalozy hevitra hoe inona no ampianarin’ny fitsanganana amin’ny maty amintsika mikasika ny maha zava-dehibe ny vatantsika.

  • Halalino ireo soratra masina voatanisa ao anatin’io lahatsarotra io ary ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo.

Sosokevitra Enti-mampianatra ny Ankizy

  • Ampisehoy sarin’ny tempoly iray ny zanakao. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ilay nampianaran’ny Apôstôly Paoly hoe “tempolin’ny Fanahy Masina” ny vatantsika (1 Korintiana 6:19) ary ny fomba ahafahan’ny fahalalana izany manampy antsika hikarakara ny vatantsika sy ny saintsika.

  • Manaova lisitra iray ahitana fiaraha-mientana mampiala voly izay tian’ny zanakao hatao miaraka amin’ny fianakaviana. Dia avy eo mamoròna lamina iray mba hahatonga ireo fiaraha-mientana ireo ho lasa tafiditra ao anatin’ny fiainam-pianakaviana.

  • Ifanakalozy hevitra ireo fomba ahafahana mahatakatra sy mifehy ny fihetsehampo ka tafiditra ao anatin’izany ny hatezerana sy ny alahelo. Hirao ny “Pour montrer ta joie” (Chants pour les enfants, 125), “Jésus Christ est mon modèle” (Chants pour les enfants, 40), na hira iray hafa mikasika ny fihetsehampo sy ny fanaovana safidy tsara.