2013
Ilay Andraikitsika mba Hanavotra
Ôktôbra 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ilay Andraikitsika mba Hanavotra

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Manana lanja mandrakizay ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny filana ny fanavotana ny rahalahintsika sy anabavintsika izay niala tamin’ilay lalan’ny fahavitrihana ao am-piangonana na inona na inona mety ho antony. Moa ve isika mahafantatra olona toy izany izay nisy fotoana efa nandray ny filazantsara? Raha izany dia inona ary no andraikitsika mba hanavotana azy ireo?

Mba eritrereto ireo anisan’ny very amin’ireo zokiolona sy ireo mananotena ary ireo marary. Matetika loatra izy ireo no hita any amin’ny tany efitry ny fitokana-monina izay maina sy karankaina ary antsoina hoe fanirery. Rehefa lasa ny fahatanorana, rehefa mihamarefo ny fahasalamana, rehefa mihena ny tanjaka ary mitsilopilopy toy ny manjazovazo mihitsy ilay jiron’ny fanantenana dia azon’ilay tanana izay manampy sy ilay fo izay mahay mangoraka vonjena sy tohanana izy ireo.

Mazava ho azy fa misy olona hafa ilaina avotana koa. Ny sasany mitolona amin’ny fahotana ary ny sasany kosa mirenireny ao anatin’ny tahotra na tsifiraharahiana na tsifahalalana. Na inona na inona antony dia nampitokana ny tenany izy ireo tsy havitrika ao am-piangonana. Ary azo antoka fa tsy maintsy hitoetra ho very izy ireo raha tsy hoe angaha mifoha ao anatintsika—mpikambana mavitrika ato amin’ny Fiangonana—ilay faniriana te hanavotra sy hamonjy.

Olona iray Hanoro ny Lalana

Fotoana maro lasa izay, naharay taratasy iray aho izay nosoratan’ny lehilahy iray izay nanalavitra ny Fiangonana. Toe-javatra mitranga hita matetika loatra amin’ny mpikambana ato amintsika izany. Rehefa avy nilazalaza ny fomba nahatonga azy ho nangatsiaka izy dia nanoratra hoe:

“Nanan-javatra maro tokoa aho ary kely fotsiny sisa no mba ananako ankehitriny. Tsy sambatra aho ary mahatsapa ho toy ny tsy mahomby izany amin’ny zavatra rehetra ataoko. Tsy mbola nandao ny foko velively ny filazantsara na dia nandao ny fiainako aza izany. Mangataka vavaka avy aminao aho.

“Aza hadinoina izahay izay aty ivelany aty—ireo Olomasin’ny Andro Farany very. Fantatro ny toerana misy ny Fiangonana saingy indraindray aho dia mieritreritra fa mila olona hafa mba hanoro ahy ny lalana sy hampahery ahy sy hanala ny tahotro ary hijoro ho vavolombelona amiko.”

Rehefa namaky izany taratasy izany aho dia niverina tany amin’ny fitsidihina iray nataoko tany amin’iray amin’ireo tranom-bakoka lehibe mpampiranty zavakanto eto amin’izao tontolo izao ny saiko—ilay tranom-bakoka malaza hoe Victoria and Albert Museum any Londres, Angleterre. Hita ao ny sangan’asa iray voafehy manodidina amin’ny fomba tena tsara, izay sary hosodoko nataon’i Joseph Mallord William Turner tamin’ny 1831. Ilay sary hosodoko dia mampiseho rahona mainty matevina ary ranomasina mitroatroatra izay maneho ny mety hisian’ny loza sy fahafatesana. Mamiratra ery lavitra ery ny jiron’ny sambo iray izay tafahitsoka. Ety aloha ety ao anatin’ilay sary dia ahitana lakana lehibe iray mpamonjy aina tafakatra ambony satria atopatopan’ny onjan-drano mandroatra izay manatona. Misintona mafy ireo fivoy ireo lehilahy rehefa tafalatsaka ao anatin’ilay rivo-mahery ilay lakana mpamonjy aina. Misy renim-pianakaviana iray miaraka amin’ny zanany roa izay kotsan’ny orana sy fafazan’ny rivotra mijoro ery amoron-dranomasina ery. Manopy ny masony eny amin’ny ranomasina ao anatin’ny fitebitebena izy ireo. Nafoheziko tao an-tsaiko ny anaran’ilay sary hosodoko Ho ahy izany dia lasa hoe Hanavotra.1

Misy loza manontanona ao anatin’ny rivo-dozan’ ny fiainana. Tafahitsoka sy miatrika fahapotehana ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo ankizilahy sy ankizivavy. Iza no hitarika ireo lakana mpamonjy aina, izay handao ny filaminana ao amin’ny tokantranony sy ny fianakaviany ary handeha hanavotra?

Azo tanterahana tsara ny andraikitsika. Iraky ny Tompo isika ary natao hahazo fanampiana avy aminy.

Nandritra ny asa fanompoana nataon’ilay Mpampianatra dia nangataka ireo mpanarato tany Galilia Izy mba handao ny haraton’izy ireo ka hanaraka Azy, sady nanambara hoe: “Hataoko mpanarato olona ianareo.”2 Enga anie isika ka hiditra ho anisan’ireo mpanarato lehilahy sy vehivavy, mba hahafahantsika manome izay fanampiana azontsika omena.

Adidintsika ny mandeha manavotra ireo izay nanalavitra ny fiarovana azo avy amin’ny fahavitrihana, mba hahafahana mitondra azy ireo eo amin’ny latabatry ny Tompo ka hivoky amin’ny teniny, sy hanana ny Fanahiny ho namana ary “tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.”3

Ny Fitsipiky ny Fitiavana

Nahita aho fa antony lehibe roa no manazava amin’ny ankapobeny ny fiverenana ho mavitrika indray sy ny fiovan’ny toetra sy ny fahazarana ary ny fihetsika. Voalohany, miverina ny olona satria nisy olona nampiseho azy ireo zavatra azon’izy ireo atao izay mahasoa mandrakizay sy nanampy azy ireo hanapa-kevitra ny hanatanteraka izany. Ny olona malaindaina dia tsy afaka ny hionona amin’ny zavatra antonontonony rehefa hitan’izy ireo fa azon’izy ireo tratrarina ilay tsara dia tsara.

Faharoa, miverina ny hafa satria nanatanteraka ny fangatahan’ny Mpamonjy ireo olon-tiana na “mpiray fanjakana amin’ny olomasina,” ka nitia ny namany tahaka ny tenany,4 ary nanampy ny hafa hanatanteraka ireo nofinofiny sy ireo zava-kinendriny.

Ny zavatra nandrisika tao anatin’izany dingana izany dia ny fitsipiky ny fitiavana—ary mbola ho izany hatrany.

Raha ny tena marina ireo olona izay tafahitsoka tao amin’ny rivo-mahery hita teo amin’ny sary hosodokon’i Turner dia toy ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amintsika izay malaina ary miandry fanavotana avy amin’ireo izay mitondra ireo lakana mpamonjy aina. Mitady fanampiana mafy ny fony. Mivavaka ho an’ny zanany lahy sy vavy ireo ray sy reny. Mitalaho ny lanitra ny renim-pianakaviana mba hahazoan’ny vadiny fanampiana. Indraindray ny zanaka no mivavaka ho an’ireo ray aman-dreniny.

Mivavaka aho mba hananantsika faniriana hanavotra ireo mpikambana malaina ary hamerina azy ireo ao amin’ ny fifalian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo miara-mifampizara amintsika ireo zavatra rehetra azon’ilay finamanana feno atolotra.

Enga anie isika ka hanavotra ireo very izay manodidina antsika: ireo zokiolona, ireo mananotena, ireo marary, ireo manana fahasembanana, ireo mpikambana malaina ary ireo izay tsy mitandrina ny didy. Enga anie isika ka hanolotra azy ireo ilay tanana manampy sy ilay fo mahay mangoraka. Hitondra fifaliana ao am-pon’izy ireo isika rehefa manao izany ary hiaina fahafaham-po lehibe izay tonga eo amintsika rehefa manampy olona iray hafa eny an-dalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Ny anarana feno nomena ilay sary hosodoko dia hoe Life-Boat and Manby Apparatus Going Off to a Stranded Vessel Making Signal (Blue Lights) of Distress. (Lakana Mpamonjy Aina sy Manby Apparatus Handeha Hamonjy Sambo iray Tafahitsoka izay Mandefa Jiro (Jiro Manga) Fiantsoam-bonjy).

  2. Matio 4:19.

  3. Efesiana 2:19.

  4. Jereo ny Matio 22: 39.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Anontanio ny olona izay vangianao raha toa izy ireo mahafantatra olona iray izay sahirana eo amin’ny fandehanana miangona. Afaka misafidy olona iray ianareo ary mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahana maneho fitiavana toy ny hoe manasa azy hanatrika takarivan’ny mpianakavy na manasa azy ho tonga hisakafo.

Life-Boat and Manby Apparatus Going Off to a Stranded Vessel Making Signal (Blue Lights) of Distress. Lakana Mpamonjy Aina sy Manby Apparatus Handeha Hamonjy Sambo IRAY TAFAHITSOKA izay Mandefa Jiro (Jiro Manga) Fiantsoam-bonjy) nataon’i Joseph Mallord William Turner © Victoria and Albert Museum, London, www.vandaimages.com