2013
Mitsodrano ny Ankizy Madinika i Jesoa
Ôktôbra 2013


Ho an’ ny Ankizy Madinika

Mitsodrano ny Ankizy Madinika i Jesoa

Nalaina tao amin’ny Marka 10:13–16.

Nivory nanodidina an’i Jesoa ny olona maro. Te hihaino Azy mitantara tantara izy ireo. Te hihaino Azy mampianatra mikasika ny lanitra izy ireo.

Rehefa narary ny olona dia nanasitrana azy ireo i Jesoa. Nanasitrana ny olona izay tsy afaka nahita izy. Nanasitrana ny olona izay tsy afaka nandre izy.

Indray andro dia nisy olona vitsivitsy nitondra ny ankizy madininy hijery an’i Jesoa. Tian’izy ireo Izy hitso-drano ireo zanany. Nilaza tamin’ny olona ireo mpianany mba tsy hanelingelina an’i Jesoa. Nieritreritra izy ireo fa tsy nanam-potoana Izy.

Tsy dia be zavatra natao i Jesoa. Nilaza tamin’ireo mpianany Izy mba hamela ireo zaza hanatona Azy. Nilaza izy fa an’ny olona mitovy amin’ny ankizy madinika ny fanjakan’ny lanitra.

Tia ny Ankizy Rehetra i Jesoa. Tsy maninona na iza ianao na iza, na toy ny ahoana ny endrikao, na aiza ianao no mipetraka. Tia anao i Jesoa!

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney