2013
Hevitra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana
Ôktôbra 2013


Fanamarihana manokana momba ny Fihaonamben’ ny Fiangonana Volana Ôktôbra

Hevitra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Monina any Washington, États-Unis ny mpanoratra.

“Iza ary raha fantatrao no ho avy hiara-hisakafo amintsika?

Dimy ambin’ny folo andro alohan’ny hanombohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana tsirairay dia ahanton’ny fianakavianay ilay mari-pamantaranay izay manambara ny fiantombohan’ilay hoe “Iza ary raha fantatrao no ho avy hiara-hisakafo amintsika?” Dia asianay ireo sary farany indrindra an’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara avy tao anatin’ny laharana teo aloha amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ahitana ny fihaonambe izany.

Izaho dia miomana amin’ny alalan’ny fikarohana momba ilay mpaminany izay horaisinay amin’io alina io. Indraindray aho mahita zavatra ao an-trano mba hoentina hanehoana ireo zavatra vitsivitsy hitako ary apetrako eo ambonin’ny lovia iray izany. Rehefa mitantara zavatra mikasika ireo zavatra tsirairay aho mandritra ny sakafo hariva dia miezaka ny rehetra mamantatra hoe iza izany. Misy fotoana indray aho mizara tantara iray na roa izay nozarain’io mpaminany io nandritra ilay fihaonamben’ny fiangonana teo aloha.

Variana aho amin’ireo zavatra izay tadidin’ireo zanako mikasika ireo mpaminany sy apôstôly malalantsika, ary fantatro fa io kilalao tsotra io dia nampitombo ihany koa ny fitiavako sy ny fahalalako an’ireo lehilahy manana ny maha izy azy ireo.

Ny Gazetibokin’ny Fihaonambe izay Ahy Manokana

Raha nanatrika ny fihaonamben’ny tsatòkanay ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo niaraka tamin’i Kathy vadiny, dia nizara tantara iray taminay Rahavavy Andersen. Nilaza izy fa fony izy ireo nipetraka tany France dia nanao dikamitovy an’ireo lahatenin’ny fihaonambe izy ho an’ny zanany tsirairay—na dia ho an’ireo izay mbola kely aza. Tafintohina izy rehefa nahita ny vidin’ny fanaovana dikamitovy izay tena lafo. Avy eo dia tonga tao an-tsainy izao zavatra izao: “Mampaninona anao moa raha izay no hahazoan’ny fianakavianao ny tenin’ireo mpaminany?”

Tena nanohina ny foko io tantara io ary nataoko izay nananan’ny olona tsirairay tao amin’ny fianakaviako ny gazetibokiny manokana misy ireo lahatenin’ny fihaonambe. Teny faly ireo zanakay vavy. Nampiasainay izany nandritra ny takarivan’ny mpianakavy sy ny fandalinana ny soratra masina. Tiako ny nahita ny iray amin’ireo zanako vavy mamaky manokana ireo lahateny ary manisy marika eo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny penina miloko. Nisy zanako vavy iray hafa izay vita batisa vao haingana, ary nangataka ahy hiaraka hamaky aminy ireo lahateny.

Fanasana Hanao zavatra Mikasika ny Fihaonambe

Tao anatin’ny lesona nozaraiko tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanasa ny rahavavy tsirairay aho mba hamerina hamaky ireo lahateny nandritra ny fihaonambe teo aloha ka dia namerina namaky izany ny rahavavy sasany ary ny sasany nijery izany tamin’ny alalan’ny internet. Rahavavy maro no nanambara fa tena vonona kokoa izy ireo hiatrika ny fihaonambe ho avy.

Sary NALAIN’i Carlos Israel Gutiérrez Robles