2013
Tao An-trano Aho
Ôktôbra 2013


Tao An-trano Aho

Steven Sainsbury, Californie, États-Unis

Tao anatin’ny tetikasa fanaovana asa fanompoana iray, dia nandeha tany Rwanda aho niaraka tamin’ny mpitsabo vitsivitsy hafa mba hanampy ireo olona nila fitsaboana. Nanomboka ho manina mafy ny tokantranoko sy ny fianakaviako aho roa herinandro taorian’izay, rehefa nihananakaiky ny fotoana hodiako. Nalahelo ny fianakaviako aho, sy ny fandriako mampahazo aina, ary ny tokantranoko.

Afaka nandamina ny fandaharam-potoako aho ny alahadiko farany tany Afrika ka nahafahako nandeha tany am-piangonana. Na dia tsy mbola nahazo fankatoavana tamin’ny fomba ôfisialy aza ny Fiangonana tany Rwanda tamin’izany fotoana izany, dia afaka nahita fotoam-pivoriana sy fanoroan-dalana tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana aho.

Ary fanoroan-dalana tsy mahazatra izy ireo manao hoe: “Mandehana amin’ilay lalana vita amin’ny vongam-bato efamira eo ampitan’ny tranon’ny Ministera. Mitadiava vavahady iray misokatra. Ary avy eo dia midina amin’ilay tohatra.”

Rehefa nanaraka ireo fanoroan-dalana ireo aho dia nanomboka nahare ny feo miavaky ny fihirana tsy zoviana iray. Nidina ny tohatra aho, ary reko ny tonon’ny “Fototra Mafy Orina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy faha 12). Nifarana teo amin’ny trano kely iray ilay tohatra, izay nahitana olona am-polony nijoro teo amin’ny fidirana. Na dia vahiny tamin’ireo mpiara-miangona aza aho dia nahatsapa avy hatrany ho toy ny mpiara-miangona tamin’izy ireo. Rahalahy sy rahavavy Rwandais am-polony no nanatona nandray ny tanako, ary teo am-panaovan’izy ireo izany, dia niala teo amiko ilay fahatsapako ny enta-mavesatry ny fanirery—Tao an-trano aho!

Rehefa niditra ilay trano aho, dia nanatrika fivoriana adiny telo mitovy amin’ilay any amin’ny paroasiko any Californie. Nizara ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna, nifantoka tamin’ny Mpamonjy ireo lahateny, ary na ny lesona nandritra ny Sekoly Alahady aza dia nitovy tamin’izay nampianarina tao amin’ny paroasiko tamin’io herinandro io.

Ary ny zava-dehibe indrindra dia nahatsapa mafy tokoa ny Fanahin’ny Tompo aho nandritra ireo fivoriana. Hita mazava fa faly ny Tompo tamin’ireo olona tsara ireo, izay niezaka nanao izay rehetra vitany mba hanompoana Azy. Nahafantatra aho fa nandritra ny taona talohan’io, dia Rwandais vitsivitsy fotsiny no nanatrika fivoriana teto. Kanefa dia mihoatra ny 100 no nanisako ny olona nanatrika teo, ary ankizy madinika ny antsasak’izy ireo.

Amin’izao fotoana hisokafan’i Rwanda amin’ny asa fitoriana izao, dia azoko vinaniana fa hahita fahombiazana lehibe ny misiônera rehefa mijoro ho vavolombelona amin’ireo naman’ny fiangonana Rwandais mihamaro isa ny Fanahy fa ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no fanjakan’Andriamanitra ho an’ny tany manontolo—ho an’ny kaontinanta rehetra, ho an’ny olona rehetra, ary ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny Fiangonana, na any amin’ny faritra afovoan’ny morontsirak’i Californie no misy azy na any amin’ny lalana vita amin’ny vongam-bato efamira any Afrika afovoany.