2013
Moa ve Hiverina i Matt?
Ôktôbra 2013


Moa ve Hiverina i Matt?

Tsy nambara ny anarana

Nanana andian-jatovolahy matanjaka izahay tao amin’ny paroasinay, saingy i Matthew zanakay lahy dia ninamana tamin’olona iray tsy mpikambana izay tia fiara sy izay mety zavatra ara-mekanika rehetra toa an’i Matthew. Indrisy anefa fa avy amin’ny fianakaviana iray izay tsy manome lanja ny fivavahana io tovolahy io. Nahazo lalana tamin’ny ray aman-dreniny hisotro sy hifoka sigara tao an-tranony izy ary tsy nino fa zava-dehibe izany madio ara-pitondrantena izany.

Nahazo ny laharana ambony indrindra tao amin’ny Skoto i Matthew saingy tsy nandray anjara tamin’ny fanomezana mari-pankasitrahana satria nitsahatra tsy niaina ireo fitsipika nifehy ny Skoto izy. Nangoniko daholo ireo mari-pankasitrahana rehetra azony tao amin’ny Skoto ary nanamboatra fitoeran-javatra iray hampirantiana azy rehetra aho. Dia nampirimiko izany niaraka tamin’ny fanantenako fa indray andro any dia hanan-danja aminy izany. Rehefa feno 16 taona i Matthew dia nifoka sigara sy nisotro ary nandray zava-mahadomelina. Najanony ny fianarana ary niaraka nonina tamin’ny tovovavy sakaizany izy. Zara raha nahita azy izahay tao anatin’ny taona maromaro.

Tena kivy izahay. Tsy fantatray raha toa izy ka hiverina amin’ny fianakaviany sy ny finoany, saingy nanapa-kevitra izahay fa hanaraka ny ohatra nasehon’i Almà tamin’ny fiatrehany an’ilay zanany izay nivily lalana. Nanohy nitia ny zanany lahy i Almà ary nivavaka tamim-pinoana mba “hahazoana mitondra [azy] mankamin’ny fahalalana marina” (Môsià 27:14).

Nivavaka tsy tapaka izahay mba hitondran’ny Tompo ny anjara birikiny eo amin’ny fiainan’i Matthew ary nararaotinay daholo ny fotoana rehetra mba hanehoana amin’ny alalan’ny teny sy fihetsika fa tena tianay izy. Rehefa tonga ao an-trano izy dia tsy miteny zavatra izay mety heveriny ho toy ny fitsikerana na fitsarana izahay. Maneho fotsiny ny hafalianay mahita azy izahay.

Indray andro dia tonga tao an-trano i Matthew ary nilaza fa te hiresaka. Nilaza izy fa nihaona tamin’ny tovovavy iray tao anatin’ny fety iray izay nanana fanontaniana momba ny Fiangonana. Raha mbola vao saika hiteny taminy fotsiny i Matthew fa tsy mahafantatra intsony ny valin’izany dia nanomboka nivoaka ho azy avy tao am-bavany ny teny. Hitany fa nahavaly haingana ny fanontaniana izay napetran-dravehivavy izy. Nilaza i Matthew fa tsy tsaroany hoe nianatra ny zavatra nolazainy izy saingy fantany fa marina ny teniny. Nanontany tena izy hoe nahoana izy no miaina toy izao nefa mbola nino ny filazantsara.

Afaka telo andro nandinihan-tena dia nanapa-kevitra izy ny handao ilay fiainana niainany. Nody tany an-trano izy mba hangataka fanampiana amin’ny fanombohana hiaina indray mifanaraka amin’ny filazantsara.

Nantsoin’i Matthew ny tovolahy havany anankiray izay mipetraka any amin’ny faritany hafa ary naharesy olana mitovy amin’ny azy, ary nanontany i Matthew raha toa afaka mipetraka miaraka aminy izy. Nanaiky izy ary nanomboka niaraka nanatrika ireo fivoriam-piangonana taminy i Matthew ary nihaona tamin’ny eveka mba hahazo fanampiana mikasika ny dingan’ny fibebahana. Nahatsapa fitiavana sy fanohanana izy ary lasa navitrika tao am-piangonana.

Tamin’ny farany dia nihaona tamin’ny tovovavy iray mahafinaritra sy marin-toetra izy. Nifankatia izy ireo ary nivady tany amin’ny tempoly.

Rehefa teraka ny zanak’izy ireo voalohany dia namangy azy ireo aho ary nitondra ilay fitoeran-javatra izay namboariko nampirantiana ireo mari-pankasitrahany tao amin’ny Skoto. Tena faly izy ary nanantona izany tamim-pireharehana teo amin’ny toerana iray miavaka tao an-tokantranony.

Tsy nisy anjely, toy ny nitranga tamin’i Almà Zanany, niseho tamin’ny zanakay lahy. Saingy ny fiverenan’i Matthew tamin’ny fahamarinana dia tena fahagagana mitovy amin’izany.