2013
Voaomana amin’ny Andro Iadiana
Ôktôbra 2013


Voaomana amin’ny Andro Iadiana

Sary
Loholona Eduardo Gavarret

Enga anie isika, amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny fitokiantsika amin’ny Mpamonjy, ilay Tompon’ny Maro, hiomana ka tsy ho lavo eo amin’ny sahan’ny ady.

I Richard III no mpanjaka Anglisy tamin’ny 1485. Fotoan’ny tsy filaminana tamin’izany, ka nihoatra ny indray mandeha i Richard no voatery niaro ny fiandrianany. Saingy miaramila ela nihetezana manan-traikefa izy ary mpiady sahisahy sy hendry izay nanana tafika misy lehilahy teo anelanelan’ny 8.000 sy 10.000 teo.

Tamin’io taona io ihany, olona iray mpiandrandra ny seza fiandrianana Anglisy, i Henry Tudor, Comte de Richmond, no nihantsy ady ary nifanandrina tamin’i Richard tany amin’ny toerana iray izay ny anarany no nentina niantsoana ilay ady: Bosworth Field (Saha Bosworth). I Henry dia tsy toa an’i Richard satria tsy dia nanana traikefa loatra teo amin’ny lafin’ny ady ary 5.000 fotsiny ny isan’ny miaramilany. Saingy nanana mpanolotsaina tsara izy teo anilany—andriana izay efa nandray anjara tamin’ny ady mitovy amin’izany ary fifanandrianana tamin’i Richard aza ny sasany tamin’izany. Tonga ny maraina hiatrehana ny ady ary ny fandehan-javatra rehetra dia toa nilaza fa handresy i Richard.

Misy tantara miavaka sy malaza mamintina ny zava-niseho tamin’ny 22 Aogôsitra 1485. Niomana hiatrika ny tafik’i Henry ny Mpanjaka Richard sy ireo lehilahiny tamin’io maraina io. Izay mivoaka mpandresy amin’ilay ady no hitondra an’i Angleterre. Fotoana fohy talohan’ilay Ady dia naniraka mpanompo iray i Richard mba hijery raha toa ka vonona ilay soavaly ankafiziny.

“Apetaho haingana ny kitron-tsoavaliny,” hoy ilay mpanompo nandidy ilay mpanao kitron-tsoavaly. “Te hitain-gaintsoavaly any alohan’ny andian-tafiny ny mpanjaka.”

Nilaza ilay mpanao kitron-tsoavaly fa voatery hiandry izy. “Nametaka ny kitron-tsoavalin’ny tafiky ny mpanjaka iray manontolo aho tao anatin’izay andro vitsy lasa izay,” hoy izy, “ary mbola mila maka vy fanampiny aho izao.”

Nilaza ilay mpanompo tsy nanam-paharetana fa tsy afaka miandry izy. “Efa manatona ny fahavalon’ny mpanjaka amin’izao fotoana izao ary tsy maintsy mihaona amin’izy ireo eo amin’ny vava ady izahay,” ho izy. “Amboary amin’izay anananao ao izany.”

Araka ny nasaina nataony dia nanao izay vitany ilay mpanao kitron-tsoavaly mba hanao kitron-tsoavaly efatra avy amin’ny tapa-by iray. Rehefa avy nivelively tamin’ny tantanana ireo kitron-tsoavaly izy dia nahafantsika ny telo tamin’izy ireo teo amin’ilay soavaly. Rehefa nikasa ny hametaka ilay kitron-tsoavaly fahaefatra anefa izy dia nahita fa tsy ampy ny fantsika teo am-pelatanany.

“Mila fantsika iray na roa fanampiny aho ary mbola mila fotoana ny fivelezana azy,” hoy izy tamin’ilay mpanompo.

Tsy afaka niandry ela intsony anefa ilay mpanompo. “Izany henoko izany ireo trompetra,” hoy izy. “Tsy mba afaka mampiasa izay zavatra anananao ao ve ianao?”

Namaly ilay mpanao kitron-tsoavaly fa hanao izay vitany izy saingy tsy manome antoka izy fa hahatazona ilay kitron-tsoavaly fahaefatra izany.

“Fantsiho fotsiny izany e!” hoy ilay mpanompo nandidy azy. “Ary haingankaingana ianao sao ho tezitra amintsika sy ianao eo ny Mpanjaka Richard.”

Nanomboka fotoana fohy taorian’izay ny ady. Mba hamoriana ireo lehilahiny dia nitaingin-tsoavaly niakatra sy nidina ilay vava ady i Richard ary niady sy namporisika azy ireo tamin’ny alalan’ny fiantsoantsoana hoe, “Mandrosoa hatrany! Mandrosoa hatrany!”

Rehefa nanopy maso tery amin’ny ilan’ny vava ady anefa izy dia nahita fa nihemotra ny sasantsasany tamin’ireo lehilahiny. Noho ny fahatahorany sao hihemotra koa ireo miaramila hafa dia niriotra nankeny amin’ireo miaramila nihemotra izy mba hamporisika azy ireo hanohy hiady. Saingy raha mbola tsy tonga teny amin’izy ireo akory i Richard dia tafintohina ny soavaliny dia nianjera ary nipitika teny amin’ny tany ilay mpanjaka. Niendaka ny iray tamin’ireo kitron’ilay soavaly araka ny efa natahoran’ilay mpanao kitron-tsoavaly, nandritra ny firioriotra mafy nataon’ny mpanjaka.

Niarina i Richard saingy nitsangana ary lasa niriotra ny soavaliny. Rehefa nanatona ny tafik’i Henry dia nanofahofa ambony ny sabany i Richard ary nihiaka hoe, “Soavaly iray! Soavaly iray! Homeko ny fanjakako izay manome soavaly ahy!”

Saingy tara loatra izany. Tamin’izay fotoana izay dia efa nitsoaka ireo lehilahin’i Richard noho ny fahatahoran’izy ireo ny tafik’i Henry izay nanatona ary dia resy izy ireo. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia ampiasain’ny olona ity tononkalo ity:

Nafoy ny kitron-tsoavaly iray noho ny tsy fisian’ny fantsika iray,

Nafoy ny soavaly iray noho ny tsy fisian’ny kitron-tsoavaly,

Nafoy ny ady iray noho ny tsy fisian’ny soavaly iray,

Nafoy ny fanjakana iray noho ny tsy fisian’ny ady iray,

Ary izany rehetra izany dia noho ny tsy fisian’ny fantsika kitron-tsoavaly iray.1

Mampiraikitra Tsara ny Fitsipika Nomena Antsika

Rehefa mieritreritra an’io tantara io aho dia mahita zavatra tsotra dia tsotra hoe, nitondra tany amin’ny fivadihan’ny tantara ny tsy fametahana tsara ireo fantsiky ny kitron-tsoavaly. Azontsika oharina amin’ireo fisipiky ny filazantsara ilay fantsika iray banga. Ny tsy fisian’ny fitsipiky ny filazantsara sy ny soatoavina miaraka amin’izy ireo ary ny tsy fisian’ny fampiharana dia mety hamela antsika ho tsy hanana hery eo amin’ny saha iadiana amin’ny fakam-panahy sy amin’ny ratsy.

Inona avy ireo zavatra tokony hampiharina eo amin’ny fiainantsika sy ny fianakaviantsika nefa tsy atao? Moa ve isika tsy miraharaha ny vavaka ataon’ny tena manokana na ny vavaky ny mpianakavy? Ny fandalinana amim-pahavitrihana ny soratra masina? Ny fanaovana tsy tapaka ny takarivan’ny mpianakavy? Ny fandoavana fahafolonkarena feno? Ny fanompoana ny rahalahintsika sy anabavintsika? Ny fitandremana ny andro Sabata? Ny fitsaohana any amin’ny Tempoly? Ny fitiavana ny namantsika?

Afaka mandini-tena isika tsirairay ary mitady izay zavatra tsy ampy eo amintsika—izay fitsipika na zavatra tokony hampiharina ilaina araikitra mafy kokoa eo amin’ny fiainantsika sy ny fianakaviantsika. Avy eo rehefa avy namantatra izany fitsipika na zavatra tokony hampiharina izany isika dia afaka mandray andraikitra amim-pahavitrihana sy amim-pahavononana hamantsika mafy ny fantsika—mba hiaina feno kokoa izany fitsipika izany ary hanomana tsara kokoa ny tenantsika sy ny fianakaviantsika hijoro hiaro ny marina.

Nanoro hevitra ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Raiso ny satro-bin’ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahiko, izay halatsako aminareo ary ny teniko izay ambarako aminareo, ary … aoka ho mahatoky ianareo mandra-piaviko” (27:18).

Nampanantena izao an’ireo mpanompony mahatoky ny Mpamonjy: “Ny sandriny no ho sandriko, ary izaho no ho ampingany sy ho fiarovany; ary hosikinako ny valahany, ka hiady amim-pahasahiana ho ahy ireo … ary amin’ny afon’ny fahavinirako no hiarovako azy ireo” (F&F 35:14).

Enga anie hotsaroantsika lalandava fa na dia “voaomana amin’ny andro iadiana aza ny soavaly,” dia hoy ny Ohabolana hoe: “an’i Jehovah ihany ny fandresena” (21:31). Enga anie isika hanaraka ilay fanasan’i Môrônia hoe “manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32). Ary enga anie isika, amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny fitokiantsika amin’ny Mpamonjy, ilay Tompon’ny Maro, tsy ho lavo eo amin’ny sahan’ny ady.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “For Want of a Horseshoe Nail,” ao amin’ny boky navoakan’i William J. Bennett, The Book of Virtues: A Treasury of Great Moral Stories (1993), 198–200.

Sary nataon’i Greg Newbold