2013
Ireo Zatovo sy ireo Fanekempihavanan’ny Tempoly
Ôktôbra 2013


Ireo Zatovo sy ireo Fanekempihavanan’ny Tempoly

Noho ny fampidinana ny taona takiana ahafahana mirotsaka ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno dia zatovo an’alin-kisa fanampiny no manao ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly amin’izao fotoana izao.

Amin’ny maha mpiasan’ny tempoly anay dia nanana fahafahana izahay nihaona tamin’ireo tanora tokan-tena mandeha aty amin’ny tempoly mba handray ny fanafiana masina azy ireo. Hitanay fa nanampy azy ireo ny seminera fiomanana mikasika ny fandehanana any amin’ny tempoly saingy ny fitarihana tsara nasehon’ny ray aman-dreny sy mpitarika marin-toetra dia nitana anjara toerana lehibe kokoa teo amin’ny fanampiana azy ireo hiomana hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Amin’ny maha ray aman-dreny sy mpitarika antsika dia mila manampy ny zatovo isika tsy hoe hiomana amin’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno fotsiny, izay maharitra volana vitsy monja, fa hiomana koa amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly izay maharitra mandrakizay. Afaka manomboka any amin’ny fahazazana ireo dingana voalohany.

Manomana ny Ankizy

Azon’ireo ray aman-dreny aseho ireo zanany ny maha zava-dehibe ny tempoly amin’ny alalan’ny fîtsaohana any amin’ny tempoly sy ny fizarana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly. Na dia any amin’ny faritra izay tsy ahafahana mankany amin’ny tempoly matetika aza dia azon’ireo ray aman-dreny atao ny mampiditra ao an-tsain’ireo zanany ny faniriana handeha ho any amin’ny tempoly.

Nampianatra ny ray aman-dreny ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) hoe: “Aoka isika mba hizara amin’ny zanatsika ireo fahatsapana ara-panahy azontsika ao anatin’ny tempoly. Ary aoka isika hampianatra azy ireo amim-pahamatorana sy amim-pilaminana kokoa momba ireo zavatra izay azontsika lazaina mikasika ny tanjon’ny tranon’ny Tompo.”1 Ireo zanatsika dia mila mahafantatra fa ny tempoly dia toerana iray izay nahazoantsika valim-bavaka ary ahatsapantsika ny fitiavan’Andriamanitra.

Ireo ray aman-dreny dia afaka ihany koa mampianatra ny zanany hiandrandra ny fahazoana ilay fahazoan-dalana voafetra ho azy ireo manokana sy hiaina mba ho mendrika izany. Manana fahafahana ny hahazo izany izy ireo rehefa feno 12 taona. Rehefa tonga ny fotoana hidiran’ireo tanora ireo ao dia hitanay ao amin’ny tempoly ny fifaliana sy ny fireharehana ananan’izy ireo rehefa mampiseho ilay fahazoan-dalana.

Manomana ny Zatovo

Ny ray aman-dreny dia afaka manampy ireo zanany handray anjara amin’ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana ka rehefa feno 12 taona izy ireo dia afaka mitondra anaran’ny fianakaviana ho entina any amin’ny tempoly. Ny Loholona David A. Bednar dia nampanantena izao manaraka izao an’ireo zatovo izay manao izany: “Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ny razambenareo. Hiorim-paka sy hitoetra maharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo ao Aminy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro tsy ho azon’ny fitarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo ianareo.”2

Nahita ohatra maro maneho ny fahatanterahan’io fampanantenana io izahay. Vao haingana no nisy zatovovavy iray izay nilaza taminay fa rehefa avy nikaroka ny anaran’ny renibeny izy dia nandeha tany amin’ny tempoly mba hanao ny asa ho azy. Nolazainy fa rehefa natao batisa teo amin’ny toerany izy dia nanana fahatsapana mazava fa hiarahaba azy ny renibeny any amin’ny fiainana ho avy. Ny zavatra niainana toy izany dia manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ary mampiditra faniriana handray anjara amin’ireo ôrdônansy hafa ao amin’ny tempoly.

Maro ireo zatovo izay voan’ny fakam-panahy hanao fitafiana tsy maotina. Rehefa manao akanjo tsara sy maotina ny ray aman-dreny sy ny mpitarika dia ho tsapan’ny zatovo fa afaka manao izany koa izy ireo. Ny zatovo dia mila mahatakatra fa ny fomba fitafin’izy ireo sy ny fomba hitondrany ny vatany dia afaka maneho ny maha mpanara-dia azy ireo.

Ireo ray aman-dreny dia afaka manampy ireo zatovo hiomana hiditra ny tempoly amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra ireo fanekempihavanana izay hataon’izy ireo any. Ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia ahitana fampanantenana “hanaja ny lalan’ny hatsaran-toetra sy ny fahadiovam-pitondrantena tsy misy tomika, haneho fiantrana, ho be fitiavana, handefitra sy hadio, hanokana ny talenta sy izay fitaovana ananana ho an’ny fanapariahana ny fahamarinana sy ny fitarihana amin’ny soa sy ny tsara ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona, hanohy hiasa ho an’ny fahamarinana, ary hikatsaka amin’ny fomba rehetra ny hitondra anjara biriky amin’ilay fiomanana lehibe mba hahavonona ny tany handray ilay Mpanjaka—dia i Jesoa Kristy Tompo.”3 Ny ray aman-dreny dia afaka mijoro ho vavolombelona fa ireo zatovo dia hahazo fitahiana manokana sy mahery vaika mandritra ny fiainany rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo, ary hanan-danja kokoa amin’ireo zatovo ireo fanekempihavanana ireo rehefa ampian’ny ray aman-dreniny izy ireo hahatakatra fa na ireo fitahiana na ireo fanekempihavanana dia samy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no mahatanteraka azy.

Maro ireo fomba ahafahantsika manampy ny zanatsika sy ny zatovontsika handray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly. Arakaraka ny maha voaomana kokoa azy ireo no hahafahan’izy ireo kokoa hanana fiadanana sy hahatsapa ny Fanahy, ary ho afaka noho izany hiaina zavatra lehibe ara-panahy rehefa mandray ny fanafiana masina azy ireo. Ny fiainana zavatra manazava ny saina amam-panahy tany amin’ny tempoly dia hahatonga azy ireo ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy manolo-tena bebe kokoa sy ho misiônera tsara kokoa—vonona ny hanampy ireo izay ampianariny mba hiomana handray ireo ôrdônansy masin’ny tempoly ho an’ny tenany manokana.

Fanamarihana

  1. Howard W. Hunter, “Follow the Son of God,” Ensign, Nôv. 1994, 88.

  2. David A. Bednar, “The Hearts of the Children Shall Turn,” Liahona, Nôv. 2011, 26–27.

  3. James E. Talmage, ao amin’ny Preparing to Enter the Holy Temple (2002), 34–35.

Sary nataon’i Steve Kropp