2013
Aoka Ianao Hatanjaka, Ho Salama, Harani-tsaina
Ôktôbra 2013


Jeunes, Soyez Forts

Aoka Ianao Hatanjaka, Ho Salama, Harani-tsaina

Sary
Loholona Adrián Ochoa

Te ho salama sy hanana fahatokian-tena bebe kokoa ara-batana sy ara-pihetsehampo ve ianao? Hanampy anao ny fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka.

Vao haingana aho no namaky hevitra mahaliana iray mikasika ny fanaovana fanatanjahan-tena. Izao no novakiako hoe raha mifoha maraina be ianao ka manao ny akanjo fanaovanao fanatanjahan-tena, ary mieritreretra hoe “Hanao an’ity akanjo ity fotsiny aho, handehandeha any ivelany, ary raha mahatsapa ho mahazao aina aho dia hanomboka hihazakazaka,” dia tena hahavita fanazaran-tena tsara ianao alohan’ny hahatsapanao izany. Ny fanaovana drafitra tsotra sahala amin’izany dia afaka manampy anao hanana fahazarana mampiasa sy mikolokolo tsara ny vatanao. Ny fanombohana sy ny fanaovana izany tsy tapaka no ampahany sarotra indrindra ho an’ny olona maro. Raha tsaroanao fa tsy mitondra soa ny vatanao fotsiny ihany ny fanatanjahan-tena, fa mitondra soa koa ny sainao sy ny faharanita-tsainao, dia hanampy anao hanana faniriana hanana vatana tomady kokoa izany. Rehefa manao fanatanjahan-tena ianao dia ho lasa olona mavitrika izay mahatsapa ho matanjaka, mahatoky tena, malina ary mitombina tsara.

Sary
A stick of wood balancing on a rock. The stick has worms on one end and feathers on the other.

Aza manao toa ilay vorona kamo izay nivarotra ny volony hatakalo kankana.

sary nataon’i Greg Newbold

Tadidiko ny tantaran’ny vorona iray izay nanomboka nivarotra ny volony hatakalo kankana. Mora ny nahazo sakafo tamin’izany fomba izany, ary nihevitra ilay vorona fa nanana volo be dia be izy. Rehefa nanohy nivarotra ny volony ilay vorona, dia nankafiziny ny hoe tsy voatery nifoha aloha intsony izy hihaza kankana. Afaka nijanona tao amin’ny akaniny nandritra ny tontolo andro izy ary tsy nila nanetsika ny vatany. Tamin’ny farany anefa dia lasa zatra izany loatra ilay vorona ary nahita fa tsy afaka nanidina intsony satria very ireo volony tena nilainy.

Afaka mitranga amin’izay olona rehetra mianjera ao amin’ny fandriky ny fahazaran-dratsy izany, na ny fahazarana amin’ny hakamoana, na ny fandraisana zavatra mampiankin-doha. Ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts dia hitantsika fa ireo zavatra ireo dia “manimba ny fahasalaman’ny vatantsika, ny saintsika, ny fihetsehampontsika, ary ny fanahintsika. Manimba ny fifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana izy ireo ary mampihena ny fahatsapantsika ny lanjan’ny tenantsika manokana. Mametra ny fahafahanao manao safidy ho an’ny tenanao izy ireo.”1 Ny fampiasana ny vatana sy ny fisakafoanana tsara dia manampy antsika hisoroka ireo fahazaran-dratsy ireo. Raha nanohy nanidina sy nihaza ilay vorona dia tsy ho very mihitsy ireo volony. Mitovy amin’izany koa, raha “mampiasa ny vatantsika” isika sady manao fanatanjahan-tena tsy tapaka dia lasa manana fahafahana hisoroka ireo fironana izay mampidi-doza sy manimba antsika.

Toy ireo olona sasany manana olana amin’ny fahasalamana ara-batana, dia manana olana amin’ny fahasalamana ara-pihetsehampo ny hafa. Mety ho sarotra ny fiainana, ary indraindray isika dia mety hahatsapa tebiteby, hareraham-panahy sy saina, na tsy fankamamiana ny tenantsika. Kanefa tadidio fa ny fampiasam-batana sy ny asa mafy dia manampy amin’ny fananana fomba fijery tsara ho an’ny fahasalamana na ara-batana izany na ara-pihetsehampo. Ny fikolokoloanao ny vatanao koa dia mitondra soa ho an’ny sainao sy manampy anao hahatsiaro fa zanak’Andriamanitra ianao, ary afaka ny hatoky tena sy ho faly. Mifandray avokoa ny lafiny ara-pihetsehampo sy ny ara-batana ary ara-panahintsika. Ny Jeunes, Soyez Forts dia mampianatra hoe: “Ny fahasalamanao ara-pihetsehampo dia manan-danja koa ary mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny fanahy sy ny vatanao. Ampahany amin’izao fiainana an-tany izao ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo tsindraindray. Kanefa raha mahatsapa alahelo, na famoizam-po, na tebitebin-tsaina, na fahareraham-panahy sy saina maharitra ianao, dia miresaha amin’ireo ray aman-dreninao sy ny evekanao ary mitadiava fanampiana.”2

Nahoana isika no mahita olona manodidina antsika izay toa mavitrika sy faly kokoa? Antony iray lehibe ny fahazarana. Raha mijery ny vatantsika amin’ny fijery ara-panahy isika, ary mahatakatra fa “tempoly sy fanomezana avy amin’Andriamanitra” izany dia ho tiantsika ny vatantsika ary hotandremantsika ho masina.3

Ho ahy, ny hoe masina dia midika hoe madio, voakolokolo, ary matanjaka. Iray amin’ireo fomba hanampian’ny Ray any an-danitra antsika hitandrina ny vatantsika ho masina ny fanomezany antsika ny Tenin’ny Fahendrena. Ny Jeunes, Soyez Forts dia manazava fa: “Rehefa mankatò [ny tenin’ny fahendrena] ianao dia mijanona ho olona afaka amin’ireo fiankinan-doha manimba ary afaka mifehy tsara ny fiainanao. Mahazo ireo fitahiana avy amin’ny vatana salama sy ny saina malina ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao. Ho vonona hanompo ny Tompo ianao. Aza avela hamitaka anao mihitsy i Satana na ny olona hafa mba hieritreritra fa ny fandikana ny Tenin’ny Fahendrena dia hahatonga anao ho sambatra kokoa, na halaza kokoa, na hanintona kokoa.”4 Rehefa manaraka ny Tenin’ny Fahendrena ianao dia tsarovy fa sady mikolokolo ny vatanao ianao no mikolokolo ny sainao, ary izany dia hahafahanao “hahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ny fahalalana” (F&F 89:19).

Mba tsy hahatonga anao ho vorona kamo izay mivarotra ny volony dia anaovy ny kiraro fanaovanao fanatanjahan-tena ary mihetsiketseha. Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka. Misorata anarana hanao ny fanatanjahan-tena tianao indrindra na minamana amin’ny olona afaka mihazakazaka miaraka aminao na manao hetsika mampiala voly hafa. Rehefa manao zavatra ara-batana ianao dia tsy manazatra ny vatanao ihany fa ny sainao koa. Mampatanjaka ny fahasalamana ara-pihetsehampo koa ny fanatanjahan-tena. Tadidio fa ny zavatra manan-danja indrindra dia tsy ny hafainganam-pandehanao na ny maha mpanao fanatanjahan-tena anao—fa ny fanohizanao izany. Rehefa manao fanatanjahan-tena tsy tapaka ianao dia tsy ho faly kokoa fotsiny ihany fa ho lasa ihany koa matanjaka kokoa sy salama kokoa ary marani-tsaina kokoa.

Fanamarihana

  1. Jeunes, Soyez Forts (bokikely, 2011), 27.

  2. Jeunes, Soyez Forts 27.

  3. Jeunes, Soyez Forts 25.

  4. Jeunes, Soyez Forts 25.