2013
Lasa Misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako
Ôktôbra 2013


Lasa Misiônera Mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako

Notsongaina avy amin’ny lahateny nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera ao Provo tamin’ny 24 Jona 2011.

Sary
Loholona David A. Bednar

Vitanareo izany! Mahafantatra ny Tompo izay soloinareo tena sy tompoinareo fa afaka manao izany ianareo. Fantatro fa afaka manao izany ianareo.

Ny Apôstoly iray dia misiônera aloha, misiônera indrindra indrindra, ary misiônera mandrakariva. Noho izany antony izany dia faly indrindra aho hiresaka aminareo amin’ny maha-mpiara-manompo ao amin’ity asa mahatalanjon’ny andro farany ity.

Sary
Elder missionaries teaching people outdoors.

Inona no atao hoe Misiônera Mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako?

Ny misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mpanompon’ny Tompo, nantsoina tamin’ny alalan’ny faminaniana ary nomena fahefana tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, izay mitory ny filazantsara mandrakizay sy naverina tamin’ny laoniny an’ny Mpamonjy ary amin’ny fombany (jereo ny F&F 50:13–14, 17–24; F&F 68:1).

Ilay tanjon’ny asa fitoriana izay natao ho an’ny rehetra voalaza ao amin’ny Torio ny Filazantsarako dia ny “[hanasa] ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany.”1

Ny andraikitra masina hitory amim-pahefana ny filazantsara sy ny fitantanana ireo ôrdônansin’ny famonjena dia efa nampiasaina hatramin’ny fotoana nanaisorana an’i Adama tao amin’ny Saha Edena ary hitohy mandra-pahatongan’ny fotoana “hitenenan’ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”2

Ireo fepetra takiana mba hahatongavana ho Misiônera Mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako

Te hiresaka fepetra takiana fototra dimy aho mba hahatongavana ho misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Fepetra #1: Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahatakatra fa manompo sy misolo tena an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Sary
Jesus Christ with His arm around the shoulder of the Apostle Peter. Christ points to a large number of fish lying on the beach as He speaks to Peter. Two other men and a ship sit on the beach in the background.

Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahafantatra sy mahatakatra hoe iza no soloin’izy ireo tena, nahoana izy ireo no manompo, ary inona no tokony hataon’izy ireo. Antsoina hanompo sy atokana araka ny tokony ho izy amin’ny maha-mpanompo sy solontenan’i Jesoa Kristy Tompo azy ireo ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Mijoro ho vavolombelona isika mikasika ny anarany sy ny fisiany, ny maha-Andriamanitra Azy, ary ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra (jereo ny F&F 133:37).

Tia ny Tompo isika. Manompo Azy isika. Manara-dia Azy isika. Misolo tena Azy isika.

Izay tanjony no tsy maintsy tanjontsika. Izay zavatra mahaliana Azy no tokony ho mahaliana antsika. Ny asany no tokony ho asantsika. Ny fombany no tokony ho fombantsika. Ny sitrapony no tokony ho lasa sitrapontsika tsikelikely.

Amin’ny maha-solontenan’ny Mpanavotra antsika, dia ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ao amin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no toriantsika amin’ny fomba tsotra sy mazava. Tsy mizara ny hevitsika na ny vinavinantsika manokana isika. Mitory sy mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana tsotra naverina tamin’ny laoniny amin’ny fomban’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny isika.

Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahatakatra fa tsy manam-pahataperana ny andraikitra hisolo tena ny Mpamonjy sy hijoro ho vavolombelona momba Azy. Mba tsarovy Izy amin’izay rehetra eritreretinareo, amin’izay rehetra ataonareo, ary amin’izay rehetra iezahanareo hahatongavana, ary soloy tena araka ny tokony ho izy Izy eo anatrehan’ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra izay hifaneraseranareo amin’izao fotoana izao sy mandrakariva.

Fepetra #2: Mendrika ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Sary
A young man in Fiji praying.

Zavatra fototra takiana mialohan’ny hahatongavana ho misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako ny fahamendrehana eo anatrehan’ny Mpamonjy.

Mamelà ahy hilaza fahamarinana tsotra maromaro amin’ny fomba izay heveriko fa hampazava izany.

  • Solontenan’ny Mpanavotra sy Mpamonjy izao tontolo izao nomena fahefana isika.

  • Voantso isika hanambara ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny sy mandrakizay.

  • Tsy afaka ny ho voapentimpentin’ny fahalotoan’izao tontolo izao isika ka hoe hisolo tena Azy amim-pahefana sy hiasa amin-kery amin’ny anarany masina.

  • Tsy afaka manampy ny hafa handresy ny famatoran’ny ota isika raha toa ka ny tenantsika aza voasingotra ao anatin’ny fahotana koa (jereo ny F&F 88:86).

  • Tsy afaka manampy ny hafa hianatra hibebaka isika raha toa ka ny tenantsika aza tsy nianatra nibebaka araka ny tokony ho izy sy tanteraka.

  • Ny momba ireo zavatra iezahantsika hahatongavana ihany no azontsika ambara sy toriana amin-kery.

  • Hotanana ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny faniriana tsara sy ny fahamendrehana rehefa manao zavatra amin’ny maha-solontenany isika.

Tsy takiana amintsika amin’izao fotoana izao ny ho tonga lafatra. Saingy didiana isika mba hadio sy handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Mpanavotra an’i Isiraely. “Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo” (F&F 38:42).

Ny fibebahana dia fitsipiky ny fanantenana sy ny fanasitranana—fa tsy an’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana. Marina tokoa fa mampietry ny fibebahana—fa tsy mampatahotra. Ny fibebahana dia sady mitaky zavatra atao no mampionona, sady hentitra no manamaivana. Ny fibebahana dia fanomezana tsy hay sandaina, izay tanteraka noho ny Sorompanavotan’Ilay tiantsika sy tompointsika ary arahantsika.

Na dia nahavita fahotana goavana aza ianao dia efa nodiovina sy natao mendrika na azo diovina sy atao mendrika indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsimpo.

Ao ireo tanora izay mbola mila mibebaka tanteraka. Izao no fotoana. Miangavy anao aho, aza ahemotra ny andro hibebahanao.

Ao ireo tanora izay efa nibebaka sy mbola manohy mibebaka, ary manontany tena raha toa ka efa nanao izay rehetra nilaina izy ireo mba ho eken’ny Tompo (jereo ny F&F 97:8). Aoka ianao hahatsiaro fa mitaky anao ho madio ny Tompo fa tsy ho tonga lafatra. Ny Fanahy Masina miverina miasa indray eo amin’ny fiainanao no fambara azo antoka indrindra ny amin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo satria “tsy mitoetra ao amin’ ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ ny Tompo” (Helamàna 4:24). Ary fantaro fa tafiditra ao anatin’ilay didy hoe “hamela ny olon-drehetra” (F&F 64:10) ny hamelanao ny tenanao.

Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Tompo izay mitandrina ny fanekempihavanana sy mpankatò ny didy. Aoka ianao hahatsiaro Azy mandrakariva ary aoka ianao ho madio sy mendrika ny hisolo tena Azy.

Fepetra #3: Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mirakitra ao am-pony ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Sary
Young man reading the scriptures.

Manasa anareo aho mba “[hirakitra] lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ ny fiainana” (F&F 84:85). Ny firaketana ao am-po ny tenin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra noho ny fandalinana na ny fitadidiana fotsiny, tahaka ny hoe ny “[mivoky amin’ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 31:20; jereo koa ny 2 Nefia 32:3), dia mihoatra noho ny manandrana na manao ody am-bavafo fotsiny. Amiko ny hoe mirakitra ao am-po dia midika hoe mifantoka sy miasa, manadihady sy mivoky, mandinika sy mivavaka, manome lanja sy mankamamy, ary tia sy mankafy.

Tadidio ny fomba nahatonga ireo zanakalahin’i Môsià—izay misiônera efatra niavaka nantsoina hoe Amôna, Aharôna, Ômnera, ary Himnia—“nihanahery tamin’ ny fahalalana ny marina; fa izy ireo dia olon’ ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina” (Almà 17:2).

Tena nirakitra lalandava tao am-pony ny tenin’ny fiainana mandrakizay ireo misiônera mahatoky ireo. Tsy nanao ho tsinontsinona na nanao tamim-pahazarana ny andraikitr’izy ireo hanao fandalinana soratra masina samirery na miaraka izy ireo. Tafalentika lalina tao amin’ny fanahin’izy ireo ny fahalalana sy ny fahatakarana ara-panahy, ary nohamafisina tao am-pon’izy ireo tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

Amin’ny maha-solontenan’ny Mpamonjy antsika dia manana andraikitra mandrakariva izaho sy ianao hiasa amim-pahazotoana, ary hamboly ao am-pontsika sy ny saintsika ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja an’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, indrindra fa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa manao izany isika, dia ny Fanahy Masina izay “hampahatsiaro [antsika] ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26) sy hanome hery antsika no fitahiana nampanantenaina rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona isika. Kanefa tsy afaka miasa miaraka amintsika na amin’ny alalantsika ny Fanahy raha tsy manome Azy zavatra iray hiaraha-miasa isika. Tsy afaka manampy antsika Izy hahatsiaro zavatra izay tsy nianarantsika (jereo ny Almà 31:5).

Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mirakitra lalandava ao am-po ny tenin’ny fiainana mandrakizay, miantehitra amin’ny herin’ny teny izy ireo, ary manana ny herin’ny teny ao anatin’izy ireo. Aoka ianareo hahatsiaro Azy mandrakariva, ho mendrika mandrakariva ny hisolo tena Azy, ary hirakitra ao am-po sy hiantehitra amin’ny herin’ny teny.

Fepetra #4: Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahatakatra fa ny Fanahy Masina no mpampianatra lehibe sady marina indrindra.

Sary
Sister missionaries reading scriptures.

Mpikambana fahatelo ao amin’ny Andriamanitra ny Fanahy Masina, ary Izy no vavolombelon’ny fahamarinana rehetra sy ilay mpampianatra lehibe sy marina. Fanomanana ny naman’ny Fiangonana iray hanao zavatra sy hianatra ho an’ny tenany ireo lesona ampianarintsika sy ireo fijoroana ho vavolombelona ataontsika.

Amin’ny maha-misiônera antsika, dia iray amin’ireo anjara asantsika manan-danja indrindra ny manasa ireo naman’ny Fiangonana hampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy mba hanao zavatra mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Ny fanaovana sy fitandremana fanoloran-tena ara-panahy, toy ny mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, ny mandalina sy mivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy ny manatrika ireo fivoriana ao am-piangonana, ary ny mitandrina ny didy dia mitaky ny naman’ny Fiangonana iray hampihatra finoana, sy hanao asa, ary hiova.

Na manao ahoana na manao ahoana ny fahamatorantsika amin’ny fanompoana dia tsy afaka manosika na manery ny fahamarinana ho ao am-pon’ireo naman’ny Fiangonana izaho sy ianao. Ny ezaka tsara indrindra ataontsika dia afaka mitondra fotsiny ihany ny hafatry ny fahamarinana hankany am-po (jereo ny 2 Nefia 33:1). Mila manao asa amim-pahamarinana ny naman’ny Fiangonana amin’ny farany ary amin’izany izy dia hanasa ny fahamarinana hankao am-pony. Amin’io fomba io ihany no ahafahan’ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana sy ireo vao niova fo hahazo ilay hery ara-panahy ahafahana mahita ireo valiny ho an’ny tenan’izy ireo.

Koa satria ny andraikitsika dia ny hanampy ireo naman’ny Fiangonana hianatra amin’ny alalan’ny finoana sy ny herin’ny Fanahy Masina, dia tsy mikasika ahy na oviana na oviana ary tsy mikasika anao na oviana na oviana ity asa ity. Mila manao izay zavatra rehetra tratran’ny herintsika isika hanatanterahana ny andraikitsika amin’ny maha-misiônera antsika sady “tsy manembantsembana” mba hahafahan’ny Fanahy Masina manatontosa ny andraikiny sy ny asany masina. Raha ny marina, izay zavatra rehetra ataoko sy ataonao amin’ny maha-solontenan’ny Mpamonjy antsika, izay fantatsika sy iniantsika atao mba hisarihana ny sain’ny olona amin’ny tenantsika—eo amin’ny hafatra entintsika, amin’ny fomba ampiasaintsika, na amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika ivelany manokana—dia endriky ny komiberaky ny mpisorona izay mametra ny fahombiazan’ny Fanahy Masina izay mampianatra.

“Moa mitory izany amin’ ny Fanahin’ ny fahamarinana va izy sa amin’ ny fomba hafa? Raha amin’ ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany” (F&F 50:17–18).

Aoka ianareo hahatsiaro Azy mandrakariva, aoka ho mendrika ny hisolo tena Azy, hirakitra ao am-po ny teniny, ary hamela ilay mpampianatra lehibe sy marina, dia ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana rehetra.

Fepetra #5: Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahatakatra fa ny hoe mampianatra dia mihoatra lavitra noho ny miresaka sy mitantara.

Sary
Two elder missionaries visiting with a man in his home.

Rehefa nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy dia nanambara hoe: “Aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina” (Marka 13:11).

Ny Mpamonjy tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity dia nampianatra ireo misiônera hoe “[sokafy] ny vavanareo, dia hofenoina izany” (F&F 33:8, 10) sy hoe “[hasandrato] amin’ ity vahoaka ity ny feonareo; teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ ny olona ianareo; fa homena anareo amin’ izany ora izany indrindra, eny, amin’ izany fotoana izany indrindra izay holazainareo.” (F&F 100:5–6).

Manantitrantitra zavatra azo alain-tahaka izay mitaky zavatra maro sy hentitra momba ny fitoriana sy ny fanampiana ireo naman’ny Fiangoanana hianatra fahamarinana ireo soratra masina ireo. Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia mahafantatra fa tsy mampianatra lesona isika fa mampianatra olona. Tsy mamerina na mampahafantatra fotsiny ireo hafatra natao tsianjery mikasika ireo lohahevitry ny filazantsara isika. Manasa ireo mpikatsaka ny fahamarinana isika hiaina ilay fiovam-po mahery vaika. Takatsika fa tsy fampianarana ny firesahana sy ny fitantarana fotsiny ihany.

Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fomban’ny Tompo dia ahitana ny fandinihana sy ny fihainoana ary ny famantarana ho toy ny zavatra takiana alohan’ny firesahana. Manan-danja ny filaharan’ireo dingana efatra mifamatotra ireo. Aoka ianao hahatsikaritra fa ny fandinihana sy ny fihainoana amim-pahavitrihana dia mandeha alohan’ny famantarana, ary ny fandinihana, ny fihainoana ary ny famantarana dia mandeha alohan’ny fitenenana. Ny fampiasana io fomba fampianarana io dia ahafahan’ireo misiônera mamantatra sy mampianatra araka izay ilain’ireo naman’ny Fiangonana.

Rehefa mijery, sy mihaino, ary mamantatra isika, dia azo omena “amin’ izany ora izany ny ampahany voafatra ho an’ ny olona tsirairay” (F&F 84:85)—ireo fahamarinana ilaina hamafisina sy ireo valinteny tokony homena izay hifanaraka amin’ireo zavatra tena ilain’ny naman’ny fiangonana iray manokana. Amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fihainoana ary ny famantarana ihany no ahafahantsika mahazo ny fitarihan’ny Fanahy mba hilaza sy hanao ireo zavatra izay tena hanampy indrindra ireo izay tompointsika.

Ny fandinihana dia fiomanana tena ilaina mba hahazoana ilay fanomezam-pahasoavana ara-panahy hamantatra. Ny famantarana dia fahitana amin’ny alalan’ny maso ara-panahy sy fahatsapana any amin’ny ati-fanahy—fahitana sy fahatsapana ny fahadisoan’ny hevitra iray, ny fahatsarana ao anatin’ny olona iray hafa, na ilay fitsipika manaraka izay ilaina hanampiana naman’ny Fiangonana iray. Ny famantarana dia fandrenesana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy fahatsapana ao amin’ny ati-fanahy—fandrenesana sy fahatsapana ireo ahiahy tsy ambaran’ny naman’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanamarihana na fanontaniana iray, ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelona na fotopampianarana iray, na ny fahazoana antoka sy ny fiadanana izay tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ireo misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako dia miasa amim-pinoana ary tarihin’ny Fanahy hanampy ireo naman’ny Fiangonana hianatra fahamarinana. Aoka ianareo hahatsiaro Azy mandrakariva, aoka ho mendrika ny hisolo tena Azy, hirakitra ao am-po ny teniny, hamela ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana rehetra, ary handinika sy hihaino, ary hamantatra rehefa mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy amin’ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana.

Vitanareo izany!

Sary
Two elder missionaries walking along a dirt road.

Mety mamaky ny hafatro ianareo ary mino fa afaka hanao sy hanao izay nolazaiko ireo tanora hafa rehetra. Kanefa mety hanontany tena ianareo raha afaka ny hahavita izany. Mihainoa azafady. Vitanareo izany!

Raha misy ny zavatra irian’ny foko dia ny haka fotoana kely hiarahana aminareo tsirairay. Handray ny tananao aho, hamihina anao, hibanjina ny masonao ary hiteny hoe “Vitanao izany! Fantatry ny Tompo, izay soloinareo tena sy tompoinareo, fa vitanareo izany. Fantatro fa afaka manao izany ianareo. Ary amin’ny maha-mpanompony ahy dia mampanantena anareo aho fa hahazo ny fanampiany ianareo. Aoka ianareo hahatsiaro mandrakariva fa miaraka amin’ny fanampiany sy amin’ny alalan’ny Heriny dia ho vitanareo izany!”

Tiako ianareo ary mivavaka aho fa eo am-piezahanareo ho tonga ho ilay tokony hahatongavanareo, dia mba ho fantatrareo ny feo sy ny fitarihan’ny Tompo ary mba hamaly izany amim-pinoana ianareo. Ary dia ho lasa solontena mahery sy mahomby an’ny Tompo Jesoa Kristy tokoa ianareo.

SARY FANAINGOANA NATAON’NY Departemantan’ny Sampan-draharahan’ny Famoahana; MOA VE TIANAO MIHOATRA IREO AHO? NATAON’I DAVID LINDSLEY

Fanamarihana

  1. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 1.

  2. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 142.