2013
Mitsikia Fotsiny dia Mitenena hoe Tsia
Ôktôbra 2013


Mitsikia Fotsiny dia Mitenena hoe Tsia

Mipetraka ao Metro Manille, Philippines ny mpanoratra.

Nandà ireo fanasana hisotro alikaola aho, kanefa ny talen’ny orinasa teto no nanolotra divay ho ahy tamin’ny vera.

Sary
A woman being offered alcoholic drinks.

sary nataon’i Sudi McCollan

Indray fahavaratra aho dia nandray anjara tamin’ny fianarana asa iray tany amin’ny nosy iray tao Bicol, Philippines. Nahafinaritra ny fahatazanana ilay ranomasimbe, ary tsy andriko mihitsy isan’andro izay hahamaraina ny andro.

Nampatahotra ahy anefa ny takariva. Io no fotoana nanombohan’ny olona teo amin’ny filasiana nisotro sy nanao fety. Matetika no nisy ny fanasana hamonjy ny fety toy izany, ary izaho sy ireo namako niara-nianatra asa tamiko dia tsy maintsy nanatrika satria ho toy ny mariky ny tsy fanajana ny tsy fanatrehana izany.

Fiarahabana ireo mpianatra asa vaovao ny fety voalohany tamin’izany. Natahotra ny hanatrika aho satria tena azoko antoka fa hanolotra zava-pisotro misy alikaola izy ireo, ary tsy haiko ny fomba handavana izany. Niantso namana iray tao amin’ny paroasiko aho, ary nanome ahy torohevitra vitsivitsy mahafinaritra izy, izay nampitombo ny fahatokian-tenako.

Rehefa nanomboka ilay fety dia notoloran’izy ireo zava-pisotro nisy alikaola izahay, saingy soa ihany fa tsy nanery anay hisotro izy ireo. Koa satria neken’ireo namana niara-nianatra asa tamiko ny foto-kevitra nijoroako hoe tsy hisotro, dia mora tamiko hatreo ny nandà ny fanasana ahy manaraka hisotro—mandra-pahatongan’ny alina iray izay. Tonga nanatrika ny iray tamin’ireo fety ny talen’ny orinasa. Nitondra lambanog iray tavoahangy izy (divay avy amin’ny voanio vita eo an-toerana). Taoriana kelin’ny nahatongavany dia hitako nandraraka tamin’ilay divay izy. Hoy izy avy eo hoe “Tsy maintsy mianatra ny fomba fisotroana ianareo” ary nomeny ny iray tamin’ireo mpianatra asa ilay vera. Nosotroiny haingana izany.

Nanomboka nidobodoboka mafy dia mafy ny foko. Efa kely sisa dia anjarako izao. Nibitsika mangina tamin’ny tenako aho hoe “Tsy hisotro an’iny aho. Tsy hisotro an’iny aho.” Avy eo dia hitako ilay tale nanolotra ilay veran-divay tamiko. Tsy fantatro izay tokony natao. Nijery ahy ireo namako mpiara-mianatra asa tamiko, niandry ny zavatra izay hataoko. Nitsiky tamin’ilay tale aho ary niteny tamim-panetrentena hoe: “Miala tsiny tompoko fa tsy misotro aho.”

Fantatro fa diso fanantenana izy. Nanontaniany ahy ny antony tsy hisotroako. Hoy aho hoe “Môrmôna aho.”

Hoy izy hoe “Tsy mbola nandre mikasika izany finoana izany aho. Ohatran’ny hoe karazan-tsakafo izany ilay izy.” Nihomehy daholo ny rehetra.

Nitsiky koa aho, tsy noho ny hanihaniny fa noho ny fahafantarako fa nanao izay nety aho.

Tsy nisy nanome ahy zava-pisotro nisy alikaola intsony taty aoriana. Saingy tsy nitsahatra ny fanarabiana, eny fa na dia avy amin’ireo namako aza. Nilaza mihitsy aza ny iray fa nandainga aho ary tsy azo eritreretina fa tsy misotro ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nandritra izany fotoana izany no nahatsapako ny tsindritsindry iainan’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Nampianatra ahy lesona maro be ny fijanonako tany amin’io nosy io, tsy teo amin’ny lafiny ara-pianarana fotsiny fa ara-panahy koa. Nianatra aho fa mety tsy hitsahatra mihitsy ny fanesoesoana, saingy hitarika anao mandrakariva hanao ny tsara ny Fanahin’ny Tompo.