2014
Izaho sy ny Fihaonambe
Aprily 2014


Ho an’ny Tanora

Izaho sy ny Fihaonambe

Mipetraka any Toronto, Canada ny mpanoratra.

Nietreritra aho taloha hoe ny faran’ny herinandro hanaovana ny fihaonamben’ny Fiangonana dia lava sy mandreraka, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia lasa tiako izany ary niandrandra ny fahatongavan’izany aho. Afaka mampatanjaka ara-panahy ilay faran’ny herinandro hanaovana ny fihaonamben’ny Fiangonana, kanefa mora ny manadino ireo zavatra tsapa ireo rehefa mitohy ny fiainana mahazatra ny Alatsinainy. Ireto hevitra sasantsasany manaraka ireto dia nanampy ahy hanohy hisintona zavatra maro araka izay azo atao avy amin’ny fihaonambe.

Manomana ny tenako hiatrika ny fihaonambe aho amin’ny alalan’ny fanoratako fanontaniana mialoha, dia raisiko an-tsoratra avy eo ny valin’ny fanontaniako. Aorian’izany dia tiako ny misintona ireo lahateny sy ny hira avy ao amin’ny LDS.org ary mampiditra izany ao amin’ny lecteur MP3 mba hahafahako mihaino lahateny iray na hira iray eo am-panaovako ny asako andavanandro. Tiako koa ny mandalina ny laharan’ny Liahona misy ny fihaonambe. Tsipihako na lokoiko ireo teny na andian-teny manan-danja ary asiako fanamarihana eny amin’ny sisin’ny pejin’ny bokiko. Mandra-pahatonga an’ilay fihaonambe manaraka dia efa nampiasaiko araka ny tokony ho izy ilay gazetibokiko. Miara-mandalina ireo hafatra ny fianakaviako indraindray mandritra ny takarivan’ny mpianakavy.

Mitaky asa ny fihazonana ilay fanahy tsapantsika nandritra ny fihaonambe sy ny fanohizana ny fianarana zavatra avy amin’ireo hafatra ireo, kanefa fitahiana lehibe ho ahy ny nanao izany. Nahazo hery sy fitarihana lehibe aho tao anatin’ny fotoana nanahirana tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ary fantatro fa ireo hafatra ireo dia tena manentana ny fanahy.