2014
Dria no anarako ary avy any Philippines aho
Aprily 2014


Ireo Namana Manerana Izao Tontolo izao

Dria no anarako ary avy any Philippines aho

Mabuhay, Kaibigan!*

Avy amin’ny fanadihadiana nataon’i Amie Jane Leavitt

Efa nanonofy hipetraka any amin’ny nosy iray ve ianao? Alejandria ihany ity, saingy Dria no hiantsoan’ny fianakaviany sy ny namany azy mba hanafohezana izany. Mipetraka any amin’ny nosin’i Cebu any Philippines izy miaraka amin’ny mamany sy ny dadany ary ny rahavaviny anankiroa. Manana zoky lahy ihany koa izy, saingy maty izy io talohan’ny nahaterahan’i Dria. “Fantatro fa mbola ao anatin’ny fianakavianay izy, ary hahita azy aho indray andro any satria ny fianakaviana dia mandrakizay,” hoy izy.

Anisan’ny zavatra tiako atao ny mandihy. Mpandihy ballet aho. Amin’ny herintaona aho dia manantena ny hiakatra any amin’ny ambaratonga manaraka, dia ny “pointe” izany. Izany dia midika fa mila manao kiraro fanaovana “ballet” aho izay hanampy ahy handihy mitsingitsingina amin’ny rantsantongotro.

Misy nosy mihoatra ny 7.000 any Philippines, noho izany dia misy toerana kanto maro azo tsidihina. Akaiky ny moron-dranomasina ny tranonay, ary tiako ny milalao ranomasina. Anisan’ny zavatra tiako atao ny milomano. Izaho ihany aza no nampianatra ny tenako!

Tiako ny mandeha mitsidika moron-dranomasina isan-karazany miaraka amin’ny fianakaviako. Indray mandeha izahay dia nankany Palawan—nosy iray izay manana ny renirano ambanin’ny tany lehibe indrindra manerana izao tontolo izao. Nandeha nanao antsitrika tany aho niaraka tamin’ny fitaovana fanaovana antsitrika ary nijery ireo trondro maro loko.

Indray andro tany an-tsekoly, dia nisy mpiara-mianatra vitsivitsy nilaza fa tsy mino an’Andriamanitra ireo Môrmôna. Nolazaiko azy ireo fa mino isika. Ny ampitson’iny aho dia nitondra karatra kely misy ny sarin’i Jesoa eo anoloana sy ireo Fanekem-pinoana ao ambadika. Rehefa nijery ilay sary sy namaky ny sasany tamin’ireo zavatra inoantsika ny mpiara-mianatra amiko, dia faly izy ireo nahafantatra fa mino an’Andriamanitra isika.

Te Hahita ny Tempoly Aho

Sambatra izahay fa mipetraka eo akaikin’ny tempolin’i Cebu City any Philippines. Afaka nitsidika ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviako aho talohan’ny nitokanana azy. Tena toerana kanto sy feno fahatoniana izany. Feno fankasitrahana aho hoe noho ireo tempoly, dia afaka hiaraka mandrakizay ny fianakaviako.

  • “Manao ahoana ry namana!” amin’ny fiteny Tagalog.