2014
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2014


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

“Fito Andro Mandra-pahatonga ny Paska,” pejy 10, ary “Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Kristy Velona ireo Vavolombelona Manokana,” pejy 16: Azonao ampiasaina ireo fampianarana ao anatin’ireo lahatsoratra ireo mba hanatanterahana fivoriana fampaherezam-panahy miaraka amin’ny fianakavianao herinandro alohan’ny Paska. Manomboka ny Alahady alohan’ny Paska dia vakio ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny pejy 17 ary araho ireo torolalana ao amin’ny “Fito Andro Mandra-pahatonga ny Paska.” Isan’andro aorian’izany dia vakio ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Apôstôly roa ary ampiasao ny soratra masina sy ireo hira ary ny asa atao ao amin’ny “Fito Andro Mandra-pahatonga ny Paska” mba hizarana hafatra ho an’ny fianakaviana. Ny Alahadin’ny Paska dia azonareo jerena ny horonantsary momba ny Baiboly “He Is Risen” izay hita ao amin’ny lds.org/bible-videos (misy amin’ny fiteny maro izany).

“Mora Be Izy Izany ry Dadabe!” pejy 67: Rehefa avy namaky io lahatsoratra io ianao dia azonao avoaka koa ny famantaranandronao! Mamakia pejy iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny fianakaviana ary isao ny fotoana namakianareo izany mba hahitana ny halavan’ny famakiana izany. Tombantombano amin’ny alalan’ny fampiasana izany fotoana izany ho zavatra iaingana ny halavan’ny fotoana hilain’ny fianakavianao mba hamakiana ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mametraka tanjona mba hamaky miaraka ny Bokin’i Môrmôna. Afaka manampy anao hanatratra izany tanjona izany ny famoronana fandaharam-potoana toy ny hoe mamaky isan’andro amin’ny fotoana iray efa napetraka.

Sary NALAIN’I David Stoker

Amin’ny fiteninao

Ny Liahona sy ny fitaovan’ny Fiangonana hafa dia misy amin’ny fiteny maro ao amin’ny languages.lds.org.