2014
Inona no tokony hataoko rehefa resahana any an-tsekoly ny lohahevitra iray izay mifanipaka amin’ny fampianaran’ny filazantsara, toy ny fanalan-jaza?
Aprily 2014


Fanontaniana & Valiny

“Inona no tokony hataoko rehefa resahana any an-tsekoly ny lohahevitra iray izay mifanipaka amin’ny fampianaran’ny filazantsara, toy ny fanalan-jaza?”

Maro ny fomba azo hamaliana izany—na tsy hamaliana izany—arakaraky ny toe-javatra misy. Voalohany, eritrereto ny zavatra mety hitranga raha milaza na tsy milaza zavatra ianao. Raha toa ny fahanginanao mety mahatonga ny hafa hieritreritra fa manaiky zavatra izay fantatrao fa tsy mety ianao, dia azonao atao ny mitady fomba tsotra hampahafantarana ny tsy fiombonan-kevitrao. Raha toa eritreretinao fa hiteraka fifandirana fotsiny ny fanamarihana hataonao, dia azonao atao ny mitady fotoana hafa hanaovana fanamarihana. Na izany aza, raha mifanaja ny mpianatra ao amin’ny kilasinao ary raha mangataka fandraisana anjara ny mpampianatra, dia azonao atao ny mivavaka mba hahazo fitaoman’ny fanahy masina sy hanazava ny zavatra inoanao.

Azonao atao koa ny miomana dieny mialoha raha fantatrao fa hanao fifanakalozan-kevitra ny kilasinao momba ny lohahevitra iray. Ankoatra ny soratra masina sy ireo lahateny mandritra ny fihaonambe dia jereo ny Ancrés dans la Foi, Manuel de Référence sur l’Evangile, na Jeunes Soyez Forts. Azonao atao ihany koa ny mizatra manazava ilay lohahevitra mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Rehefa vonona ianao, dia miresaha amin’ny mpampianatra anao na amin’ireo mpiara-mianatra aminao.

Ny fomba hamalianao dia manan-danja toy ny zavatra lazainao. Manehoa fanajana ary miezaha tsy hampiasa ireo voambolana fampiasa ato am-piangonana. Avy hatrany dia tsy haharaka ireo mpiara-mianatra aminao raha vao miteny ianao hoe: “Ny mpanorohevitra iray ao amin’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasiko dia nampianatra ahy fa …”

Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny fahafantaranao izay ampianarin’ ny Fiangonana sy izay lazain’ny Fanahy Masina amin’izay ianao tsy ho diso fanantenana amin’ireo fahadisoana izay mety ho renao na novakianao tany am-pianarana.

Mahalalà Fomba

Tsapako fa tokony hizara ny fomba fijeriko amim-pahalalam-pomba aho ary milaza ihany koa ny antony hinoako azy ireny. Mihevitra aho fa tsy mila manao izay hitovian’ny hafa fomba fijery amiko, kanefa mino aho fa tokony ho fantatr’izy ireo ny foto-kevitra ijoroako momba ny lohahevitra sasantsasany ary tokony ho takatr’izy ireo ny fomba fijeriko.

Sabrina S., 16 taona, Oregon, États-Unis

Tsarovy hoe Iza no Isoloanao Tena

Rehefa miatrika ireo toe-javatra ireo ianao, dia miezaha mahatsiaro fa ny hafa dia mety tsy mitovy fahatsapana aminao momba ilay lohahevitra. Aza mianjonanjona na manery ny hafa, kanefa aza matahotra ny hiaro ny zavatra inoanao. Tsarovy fa misolo tena an’i Kristy ianao.

Madeline K., 16 taona, Wyoming, États-Unis

Sorohy ny Fifandirana

Hanazava ny hevitro aho, hiaro ireo fitsipika arahiko sy ireo fotopampianaran’ny Fiangonana, sady hanaja ny hevitry ny hafa. Tsy hifanditra aho satria hampiala ny Fanahy Masina izany, kanefa izy no afaka hitaona ny hafa amin’ny fomba tsara.

Daiana V., 15 taona, Buenos Aires, Argentine

Manajà ny hafa

Zava-dehibe ny manao izay hihainoan’ny olona ny tenantsika, kanefa zava-dehibe ihany koa ny manaja ny finoan’ny hafa. Aza miady hevitra. Ny ady hevitra dia miteraka fananana fahavalo sy fisafotofotoana. Raha misy hevitra resahana ka mifanohitra amin’ny fivavahanao, dia mitonia, mifantoha, manajà ny hafa, ary aza adino ny mihaino ny Fanahy Masina. Misy zavatra tsy takatsika fa takatr’Andriamanitra. Tokony hihaino sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina isika.

Hannah M., 18 taona, Utah, États-Unis

Ampio ny Hafa mba Hieritreritra Izay tena Marina

Zarao an-kitsimpo ny fahatsapanao. Maro ireo lohahevitra any an-tsekoly, toy ny fanalan-jaza, izay iadiana hevitra tokoa, noho izany aza menatra ny hiteny. Fahafahana tsara izany hizarana ny filazantsara sy ireo fenitra izay inoantsika. Raha mizara ny zavatra inoanao ianao, dia afaka hanampy ny hafa mba hieritreritra izay tena marina.

Madison R., 14 taona, Caroline du Nord

Ahitsio ireo Fotopampianarana Diso

Ao anatin’ny Fiangonana izay mamporisika ny asa fitoriana isika ary ao anatin’izany isika rehetra dia antsoina mba hitory; noho izany dia tsy afaka hamela ny fotopampianarana diso hiparitaka isika. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tokony hiloa-bava isika mba hanitsiana ny fotopampianarana diso sy hanampiana ny olona hahatakatra ny fomba fijerin’ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny momba izany lohahevitra izany.

David M., 16 taona, Kasaï-Occidental Province, République Démocratique du Congo

Fantaro ny Foto-kevitra Ijoroan’ny Fiangonana

Nanatrika fampianarana taranja iray aho izay matetika nahitana fifanankalozan-kevitra momba ny lohahevitra mampizarazara. Ny zavatra tokony hatao voalohany dia ny manaja ny finoan’ny hafa, tahaka ny tianao hataon’ireo mpiara-mianatra aminao. Raha toa mifanohitra mivantana amin’ny Fiangonana ilay lohahevitra, dia aza misalasala milaza ny hevitrao. Tsy voatery hanonona ny Fiangonana ianao ao anatin’ny valinteninao. Na izany aza, fantaro tsara ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ireny zavatra ireny.

Joseph Z., 18 taona, Maryland, États-Unis

Zarao ireo Zavatra Ampianarin’ny Fiangonana

Miezaka ny mamaly fanontaniana toy izany amin’ny faran’ny tsara indrindra vitako aho satria ireo namako sy mpampianatra ahy dia tsy mahafantatra, raha tsy ambarako aminy, ny hevitra ijoroan’ny Fiangonana mikasika ny lohahevitra tahaka izany. Rehefa manao izany ianao dia afaka mahafantatra izy ireo raha ilaina izany any aoriana, ary hahazo tombontsoa ara-panahy ianao. Tsarovy ny hoe: “Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” (Matio 5:16).

Joshua M., 16 taona, Manchester, Angleterre