2014
Mora Be Izy Izany ry Dadabe!
Aprily 2014


“Mora Be Izy Izany ry Dadabe!”

Avy amin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2013.

Sary
Loholona Enrique R. Falabella

“Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).

Tiako ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy. Nanontany an’i Raquel zafikeliko aho indray andro hoe ahoana ny heviny raha mametraka tanjona hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy. Vao avy nianatra namaky teny i Raquel.

“Ka sarotra be ange ilay izy ry Dadabe e!” hoy izy, “Ngeza be ilay boky.”

Avy eo dia nasaiko namaky pejy iray ho ahy izy. Naka famantaranandro fandrefesam-potoana aho ary nanisa ny fotoana namakiany izany. Telo minitra fotsiny no laniny namakiana ilay pejy.

Namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Espaniôla izahay, ary ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Espaniôla dia misy pejy 642. Nolazaiko izy fa mila 1.926 minitra izy hamakiana ilay boky manontolo.

Mety mbola nampatahotra azy bebe kokoa izany ka noho izany dia nozaraiko 60 minitra ilay isa. Nolazaiko azy fa adiny 32 fotsiny no ilainy hamakiana ilay boky. Iray andro sy tapany latsaka!

Avy eo dia hoy izy tamiko hoe: “Mora be izy izany ry Dadabe!”

Nandany fotoana bebe kokoa noho izany i Raquel sy i Esteban anadahiny ary ireo zafikelinay hafa hamakiana ny Bokin’i Môrmôna. Ny antony dia satria rehefa mamaky izany isika, dia mila mivavaka sy maka fotoana hieritreretana izay zavatra novakiantsika.

Tahaka an’i Raquel sy i Esteban, dia afaka mianatra ny mitia ny soratra masina isika rehetra. Avy eo isika tsirairay dia afaka hilaza hoe: “Endrey ny hamamin’ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!” (Salamo 119:103.).